Alahady 12 mey 2013
Alahady Fahafito amin’ny Paka
Miavaka amin’ny fankalazana rehetra ity Alahady androany ity. Raha ny tokony ho izy mantsy ary mahazatra antsika Malagasy dia anio no ankalazana ny Alahady Fahafito amin’ny Paka, saingy ho an’ny firenenena maro dia androany no ankalaza ny Niakaran’ny Tompo any Andanitra na « Ascension du Seigneur ». Noho izay antony izay indrindra no tsy nisian’ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Alakamisy lasa teo, izay voatondro ho fankalazana ny Niakaran’ny Tompo any Andanitra fa antambatra anio mba hahatsampantsika fa tena manerana ny tany tokoa ny Fiangonana Katolika ka misy ny fankalazana izay iombonana saingy azo atao amin’ny fotoana samy hafa arakaraky ny firenena. Ny fifampizarana tahaka izao mantsy dia natao hifanampiana sy hifanabeazana ihany koa ka raha misy izay mbola tsy nahalala dia tiako ihany ny mampahafantatra fa ny Paka, ny Niakaran’ny Tompo any Andanitra ary ny Pantekôty dia fety lehibe tokoa saingy ho antsika Katolika dia eken’ny Fiangonana ny fankalazana azy ireo amin’ny fotoana tsy mitovy arakaraky ny toerana na ny fombam-pivavahana arahina. Vao tsy ela ohatra no nankalaza ny Paka ireo Mpino Katolika izay manaraka ny Fombam-pivavahana Tantsinana (Rite Oriental) any amin’ny firenena tantsinana sasany.
Alahady Fahafito amin'ny Paka
Vakiteny I : Asa. 7:55-60,
Tononkira : Sal. 97:1,2b,6,7b,9,
Vakiteny II : Apok. 22:12-14,16-17,20,
Evanjely : Jo. 17:20-26,
|
Na eo aza io tsy fitovian’ny fotoana ankalazana ny Niakaran’ny Tompo any Andanitra io dia hita fa mifanaraka tsara amin’izany fankalazana izany sy ny fankalazana ny Alahady Fahafito amin’ny Paka ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Hitantsika amin’ny vavaka nataon’i Jesoa fa tiany hiaraka aminy any amin’izay hitoerany ireo izay mino azy. Izany no nilazany hoe : « Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao ahy, satria efa tia ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao hianao » (Jo. 17 : 24). Fantatr’i Jesoa mazava tsara fa hiverina any amin’ny Ray izay naniraka azy izy rehefa tanteraka ny asam-pamonjena izay nampanaovina azy dia ny fanolorany ny tenany hijaly sy ho faty ho famonjena ny olombelona rehetra. Saingy io fahafatesana io dia mandalo ihany satria nitsangana tamin’ny maty izy ho porofo fa tena Andriamanitra izy ka tsy levon’ny fahafatesana ny vatany fa velona mandrakizay. Io Jesoa velona mandrakizay io no niakatra any Andanitra ka manomana fitoerana ho antsika ary rehefa tonga ny fotoana izay efa voalahatra rahateo dia ho tanteraka amintsika ny fanirian’i Jesoa izay nivavaka sy nitalaho tamin’Andriamanitra Ray ho antsika manao hoe : « Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao ahy ».
Mialoha izany anefa dia nivavaka ho antsika ihany koa i Jesoa mba hifankatiavantsika samy isika sy hiombonantsika ao aminy. Voalazany ao amin’io vavaka nataony io fa tsy ho an’ny Mpianatra ihany no ivavahany fa ho an’ny mpino rehetra, izany hoe ho antsika ihany koa izay mino ankehitriny ka manaraka ny fampianaram-pinoana izay nifandovàna hatramin’ny Apôstoly ka arahintsika ankehitriny. Izany indrindra no nahatonga an’i Jesoa hivavaka manao hoe : « tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay hino ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka anao, Ray, ato amiko, ary izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa hianao no naniraka ahy » (Jo. 17 : 20 – 21). Tian’i Jesoa ny hiombonantsika rehetra mba ho iray fa tsy hisara-bazana. Tahaka ny maha iray an’i Jesoa ao amin’ny Ray izay naniraka azy no ivavahany mba ho iray ihany koa isika satria izay fiombonana izay no porofo hahatsapana fa tena irak’Andriamanitra Ray tokoa Izy.
Raha io vavaka nataon’i Jesoa io no dinihina lalina dia hita taratra fa efa tsinjony mialoha ny fisaraham-bazana mety hisy eo amin’ny samy mpino. Voaporofo izany ankehitriny manoloana ireo karazam-pivavahana maro izay hita etsy sy eroa. Ny tena mampalahelo dia misy manao ny fivavahana ho fialokalofana sy fitaovana hitadiavana tombotsoa ho an’ny tena amin’ny maha olombelona ka manadino fa io fivavahana io dia natao indrindra hiderana an’Andriamanitra tokana izay naniraka ny Zanany hamonjy sy hanavotra antsika ho afaka tao anatin’ny haizina. Saingy indrisy, maro amin’ireo izay mihevi-tena ho mpivavaka no vao maika anjakan’ny haizina ka tsy mibanjina an’i Jesoa Fahazavana sy Fiainana fa variana amin’ny fisehosehona ety ivelany fotsiny ihany ka zary mitarika ny olona amin’ny fisaraham-bazana fa tsy mijoro ho vavolombelon’ny fiombonana araka ny fanirian’i Jesoa. Ny hampiombona antsika tokoa no fanirian’i Jesoa fa tsy fisaraham-bazana sy fitsitokotokoana ary fifanaratsiana. Ny hijoroantsika ho vavolombelon’io fiombonana io no tena fanirian’i Jesoa ka nahatonga azy nanamafy fa « efa nomeko azy ny voninahitra nomenao ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika: Izaho moa ao aminy, hianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa hianao no naniraka ahy. » (Jo. 17 : 22 – 23).
Tsapantsika amin’io vavaka nataon’i Jesoa io ary fa tena niverimberina foana ny fitalahoany amin’i Ray manao hoe: « mba ho iray izy rehetra ». Tokony hampandinika lalina antsika izany fitalohan’i Jesoa izany. Tena faniriany tokoa ny mba haha iray antsika rehetra satria izany no hahafantaran’izao tontolo izao fa tena mpianatry Jesoa tokoa isika. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Fahafito amin’ny Paka sady ankalazana ny Niakaran’ny Tompo any Andanitra izao mba tena hisy tokoa izay maha iray antsika rehetra izay. Enga anie Izy niakatra any Andanitra handrotsaka ny Fanahy Masina hitari-dalana antsika hifankatia marina ka ho fantatry ny olona rehetra fa isika izao no vavolombelon’i Jesoa tafatsangan-kovelona sy niakatra any Andanitra izay manomana toerana ho antsika eo anilan’ny Ray ka tsy nisalasala nivavaka ho antsika manao hoe : « Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao ahy ».
P. Louis Martin
Assomptionniste