Raha tsy mihaino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana amin’ny maty aza

Alahady 29 septambra 2013
Alahady Faha – 26 tsotra Mandavan-taona

Raha tsiahivina dia mahakasika ny tokony hifinkirana amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny harena no namaranan’i Jesoa ny fampianarana nataony tamin’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Nambarany fa : « Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena hianareo » (Lk. 16 : 13). Mitohy amin’izao Alahady Faha – 26 tsotra Mandavan-taona izao izany fampianarana izany ka anomezany antsika ny fanoharana mitantara indrindra ilay mpanan-karena anankiray sy Lazara mahantra. Mialohan’ny hanohizantsika ny fandinihana ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana androany dia tsara ihany ny manamarika fa tamin’ny Alahady heriny dia ny Evanjely ao amin’ny Lk. 16: 1 – 13, no niarahantsika nandinika. Androany kosa dia ny voalaza ao amin’ny Lk. 16: 19 – 31 no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika. Hita araka izao fa tsy tafiditra tamin’ny Evanjely izay efa novakiana tamintsika sy amin’ny mbola haroso antsika amin’ity Alahady anio ity ny voalaza ao amin’ny Lk. 16 : 14 – 18 izay manambara mazava tsara ny antony nahatonga an’i Jesoa hanao ny fanoharana mitantara ilay mpanan-karena anankiray sy Lazara mahantra. Voalaza ao amin’io andalan-tsoratra Masina io tokoa mantsy fa : « Ny Farisiana izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso azy. Fa hoy izy tamin’izy ireo : Hianareo dia mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra kosa » (Lk. 16: 14 – 18).

Mazava tokoa ary fa noho ny Farisiana izay fatra-pitia vola, mba nihaino ny fampianarany nefa naneso azy, no nahatonga an’i Jesoa hanao ity fanoharana ity ka nilazany fa : « Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro. Ary nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny. Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanan-karena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny anjely tany an-tratran’i Abrahama ; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina. Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra eny Abrahama sy Lazara teo an-tratrany, ka niantso izy nanao hoe: Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity. Fa hoy Abrahama taminy: Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao hianao moa nahita soa, ary Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. » (Lk. 16: 19 – 25).

Maro ny fampianarana azo raisina amin’ity fanoharana nataon’i Jesoa ity. Voalohany indrindra dia eo aloha ny fanamafisany ny efa voalazany fa « tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena hianareo » (Lk. 16 : 13). Noho izany raha tiantsika ny ho voavonjy dia ny fifinkirana amin’Andriamanitra no lalan-tokana mitarika amin’izany famonjena izany. Araka izany dia mazava ny tian’i Jesoa hambara amin’ny alalan’ity fanoharana ity raha niteny tamin’ilay mpanan-karena i Abrahama nanao hoe : « Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao hianao moa nahita soa, ary Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana » (Lk. 16: 25). Midika izany fa tsy mahavonjy ary tsy afaka hahazoana ny lanitra, izay hahafahantsika mipetraka eo an-tratran’i Abrahama, ny fifinkirana amin’ny harena eto antany. Aoka anefa tsy ho diso hevitra isika, araka ny efa voalaza teto tamin’ny Alahady heriny, fa tsy hoe tian’Andriamanitra hijaly sy hahantra isika. Ny hananantsika fiainana milamina sy manana ny ampy no tena faniriany saingy izay fanana ny ampy izay tsy natao handaozantsika azy fa natao indrindra hanantonantsika azy bebe kokoa. Noho izany ny vola aman-karena izay ananantsika dia tsy natao hotompoina fa natao indrindra hanasoavana ny ankohonana sy ny namana ary indrindra natao ho fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Ny fanirian’i Jesoa araka izany dia ny mba hahaizantsika mifanao soa sy mifampizara fa tsy hanao tahaka ity mpanan-karena anankiray ity izay tsy nijery fa nanao tsinontsinona an’i Lazara mahantra nivalandòtra teo am-bavahadiny.

Ny fampianarana faharoa azontsika raisina amin’ity fanoharana nambaran’i Jesoa ity dia ny fahafantarantsika mazava tsara fa tena misy tokoa ny lanitra sy ny fitoeran’ny maty, izany hoe ny afobe. Mino isika fa tena Andriamanitra i Jesoa ary efa nisy talohan’ny nahariana ny zava-drehetra, satria izy mihitsy no nilaza hoe : « Lazaiko marina dia marina aminareo : Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho » (Jn 8: 58). Midika izany fa mahalala ny zava-drehetra izy satria mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray, araka ny fiekem-pinoana ataontsika, ka manamafy fa tena misy ny lanitra, izany hoe tsy zavatra noforonina izany na angano fotsiny ihany fa tena zavatra marina ka any an-danitra no tena misy ny hasambarana mandrakizay. Tahaka izany ihany koa, ambaran’i Jesoa fa tena misy tokoa ny afobe izay itoeran’ny fijaliana mandrakizay, Voalazany amin’ity fanoharana ity fa tena nitaraina mafy ilay mpanan-karena « ka niantso izy nanao hoe: Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity » (Lk. 16: 24). Fanoharana moa no nilazan’i Jesoa izany ary hamafisiny araka ny voalazan’i Abrahama tamin’ilay mpanan-karena fa « amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala atý hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka mampita atý » (Lk. 16: 26). Midika izany fa izay very any amin’ny afobe dia tsy ho afaka miala ao intsony fa fijaliana mandrakizay no miandry azy.

Tsy tian’i Jesoa ho very isika ka izany indrindra no nanomezany antsika io fanoharana izay voalazan’ny Evanjely androany io. Tiany hiomana isika fa tsy ho tahaka ilay mpanan-karena voalazan’ny fanoharana nataony. Voalaza fa niangavy an’i Abrahama ilay mpanan-karena nanao hoe : « Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely Lazara ho any an-tranon-draiko (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy marina, fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino a’ireo izy. Fa hoy izy: Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! Fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana amin’ny maty aza » (Lk. 16: 27 – 31). Fampianarana lehibe ho antsika io fanoharana nataon’i Jesoa io. Manasa antsika izy ho vonona mandrankariva ary hanantona azy amin’ny alalan’ny fahazotoantsika mivavaka. Manana an’i Moizy sy ny Mpaminany isika, dia ireo nomena andraikitra manonkana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fizarana ny Sakramenta ka tsy tokony hisalasala hanantona azy ireo. Miara-mivavaka ary isika androany ho an’ny mpandraharaha masina rehetra dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra, mba ho tena mendrika ny maha Moizy sy Mpaminany azy ireo tokoa izy ireo. Androany ihany koa no ankalazan’ny Fiangonana manonkana ny andro ho an’ny Lahika ka miara-mivavaka isika mba tena hanolon-tena amin’i Jesoa marina tokoa isika rehetra satria samy antsoiny ho sambatra sy handova ny fiainana mandrakizay miaraka aminy, eo an-tratran’i Abrahama.

Vakiteny I : Am. 6:1,4-7,
Tononkira : Sal. 146:7,8-9,9-10,
Vakiteny II : 1. Tim 6:11-16,
Evanjely : Lk. 16:19-31,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0353