Raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra

 

Alahady 03 Martsa 2013

Alahady Fahatelo amin’ny Karemy

 

 

Rehefa avy nihaino ny fomba niainan’i Jesoa ny fanoloran-tena nataony isika nandrindra izay Alahady roa voalohany amin’ny Karemy izay dia miroso lalindalina kokoa amin’ny fampianarana izay nomeny mba hahafahatsika tena miaina ny fahasoavana entin’izao fankalazana ny Karemy izao. Ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amintsika amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Karemy izao ary no mitondra ho antsika ny fanazavana omen’i Jesoa mahakasika ny maha zava-dehibe ny fibebahana. Voalazan’ity Evanjely ity mazava tsara fa « tamin’izany andro izany ihany koa no nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjo an’ireo Galileana, fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe: Moa ataonareo fa ireny Galileana ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileana rehetra matoa nozoin-doza toy izany? Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra » (Lk. 13: 1 – 3). Tahaka izany, nampian’i Jesoa ny fanazavana nataony ka hoy izy « na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Siloe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra ». (Lk. 13: 4 – 5).

Alahady 03 martsa 2013

Alahady Fahatelo amin'ny Karemy
Vakiteny I : Eks. 3:1-8a,13-15,
Vakiteny II : 1 Kor. 10:1-6,10-12,
Evanjely : Lk. 13:1-9,
Matetika tokoa rehefa misy ny loza mitranga na voina mahazo dia alaim-panahy isika hieritreritra fa sazy avy amin’Andrimanitra izany ary vokatry ny fahotana natao. Raha araky ny fomba Jody tokoa aloha dia noheverina ho sazim-pahotana ny aretina sy ny kilema ary ny fahafatesana. Hitantsika ohatra ireo voan’ny habokana, ny jamba sy ny marenina fa dia noheverina ho mpanota na zanaky ny mpanota no nahavoa azy ireny fa tsy noheverina ho aretina toy ny aretina rehetra ihany. Tahaka izany ny fahafatesana amin’ny fomba mahatsiravina tahaka ny voalazan’ity Evanjely ity fa noho ny heloka no nahafaty ireo olona novonoin’i Pilaty na nianjeran’ny tilikambon’i Siloe. Ny hanova izay fomba fijery izay no nahatonga an’i Jesoa hanazava fa tsy ny olona niharan-doza ihany no heverina ho mpanota ka tokony hibebaka sy hanantona an’Andrimanitra fa ny tsirairay mihitsy. Tsy misy olona afaka mihevi-tena ho mendrika sy tsy manam-pahotana fa samy manana ny kilemy daholo ny olona tsirairay. Tsy hoe rehefa niharan-doza ny olona iray dia mpanota ary tehefa milamina sy tsy misy manahirana dia olo-marina sy mendrika.
Ambaran’i Jesoa amintsika androany eto fa ny olona rehetra no mila fibebahana satria samy mpanota daholo. Mazava ny teniny « fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra ». (Lk. 13: 3, 5). Tsy misorona i Jesoa mananatra antsika ary henjam-piteny izy satria tiany ny hahatsapantsika fa mila fibebahana isika. Indraindray misy ny alaim-panahy hihevitra fa rehefa mivavaka sy mazoto mamonjy Lamesa dia ampy izay ary azo antoka ny fahamasinana. Tsia hoy i Jesoa, ilaina mandrakariva ny fandinihan-tena sy ny fiaikena heloka fa mpanota. Izany no mahatonga antsika hangataka mandrakariva ny vonjy avy aminy mba hanome antsika ny famelan-keloka isaky ny manolotra ny Sorona Masina isika. Eto anefa no ilana fanazavana misimisy kokoa satria maro no mihevitra fa ny vavaka fifonana mandritra ny Lamesa dia ampy hahazoana ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Tsia, ilaina dia ilaina ny fanantonana ny Sakramentan’ny Fampihavanana satria tsy ampy hahazoana ny famelan-keloka ny vavaka fifonana tononina rehefa mamonjy Lamesa. Ny ataontsika rehefa mamonjy Lamesa dia miaky fa mpanota ary mangataka mba homen’Andrimanitra ny famelan-keloka rehefa mangataka izany aminy isika ka amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana no ahazoantsika izany famelan-keloka izany. 
Manana ny lanjany lehibe eo amin’ny fiainana ny maha kristianina tokoa ny fanantonana ny Sakramentan’ny Fampihavanana satria io no Sakramenta mampiombona antsika amin’Andriamanitra sy amin’ny olona rehetra. Maro ankehitriny no mihevitra fa efa lany andro ary tsy ilaina ny mikofesy fa aleo mibebaka sy mangataka ny famelan-keloka mivantana avy amin’Andriamanitra satria Andriamanitra no mpamela heloka fa tsy ny Pretra izay ikofesena. Mazava anefa ny fampianaran’ny Fiangonana fa ny Sakramentan’ny Fampihavanana ihany no lalan-tokana ahafahantsika mandray ny famelan-keloka avy amin’Andrimanitra satria tsy ny Pretra no mamela heloka fa Andrimanitra no mamela heloka amin’ny alalan’ny Pretra izay famatarana hita maso sy azo tsapain-tanana fa tena voavela tokoa ny heloka rehefa mikofesy. Maro moa no fanazavana azo omena mahakasika izany fa anjaran’ny tsirairay no mandalina ny finoany sy miaina izany ka raha misy mahatsapa fa tsy dia mahazo tsara ny tena hevitry ny Sakramentan’ny Fampihavanana dia tsara izy manantona mivantana ny Pretra na ireo mpampianatra Katesizy ka mangataka fanazavana lalindalina kokoa. Ny tiana hohamafisina fotsiny dia tsotra, tsy Sakramenta mahamenatra na tokony hatahorana ny kofesy fa Sakramentan’ny Fitiavana ka amporisihin’ny Fiangonana ny fandraisana azy indrindra amin’izao Karemy izao izay fotona natokana indrindra hibebahana araka ny tenin’i Jesoa hoe « raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra ».
Ny hamonjy antsika no nahatongavan’i Jesoa ary manam-paharetana izy fa isika indraindray no tsy te-hanantona azy. Koa manainga antsika izy amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Karemy izao mba hahatsapa ny lanjan’izay fibebahana sy fangatahana ny famelan-keloka izay. Miara-mivavaka ary isika mba tena ho vonona hanantona azy amin’ny fo madio ary handray ny famelan-keloka avy aminy amin’ny alalan’ny fanantonana ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Miara-mivavaka ihany koa isika ho an’ny Fiangonana manontolo indrindra amin’izao fotoana iandrasantsika Papa vavao hitondra ny Fiangonana izao. Mazava ny tenin’i Papa Benoit XVI tamin’ny fihaonany farany tamin’ny vahoakan’Andrimanitra tao Vatican tamin’ny Alarobia lasa teo fa ny Fiangonana dia toy ny sambokely saingy tsy sambokelin-tsika io fa an’i Kristy ka aoka isika hatoky an’i Kristy izay mitondra izany sambokely izany na dia indraindray aza heverintsika fa matory sy tsy mihaino ny fitarainan-tsika izy. Mangataka ny fanilovan’ny Fanahy Masina tokoa ary isika mba hanazava sy hitari-dalana ireo Kardinaly hifidy izay Papa vaovao hitondra ny Fiangonana izay araka ny irin’i Kristy fa tsy araka ny irin-tsika olombelona.
 
 
P. Louis Martin 
Assomptionniste
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0707