Ny ondriko mihaino ny feoko, izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy

 

Alahady 21 aprily 2013
Alahady Fahaefatra amin’ny Paka

 

Vakiteny I : Asa. 13: 14, 43 – 52
Tononkira : Sal. 100: 2, 3, 5
Vakiteny II : Apok. 7: 9, 14b – 17
Evanjely : Jo. 10: 27 – 30

Rehefa avy nihaino ireo Evanjely mitantara ny fisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty isika nandritra izay Alahady telo fankalazana ny Paka izay dia atolotry ny Fiangonana antsika anio ny Evanjely ilazan’i Jesoa fa « ny ondriko mihaino ny feoko, izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy » (Jo. 10 : 27). Ity Alahady Fahaefatra amin’ny Paka ity tokoa no ankalazantsika ny Fetin’ny Mpiandry Ondry tsara dia i Jesoa izay nilaza fa « Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny ; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry » (Jo. 10 : 11 – 13). Mazava dia mazava ny tian’i Jesoa hambara fa tonga olombelona izy mba hanavotra antsika. Izy no nirahin’Andriamanitra Ray, tahaka ny mpiandry ondry miahy ny ondriny ka tsy mamela izany ondriny izany hihaka ka hosamborin’ny amboadia dia ny demony izany.

 

Fanoharana ihany no ataon’i Jesoa rehefa milaza ny tenany ho Mpiandry ondry tsara izy ka izay manaraka azy no toy ny ondry mihaino ny feony, sy mahalala ary manaraka azy. Ny Fiangonana manontolo sy isika mpino manara-dia azy no tiany hambara eto ka nilazany mazava tsara amin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa « omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tànako » (Jo. 10 : 28). Fahasoavana ho antsika ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy izay nahafoy ny ainy ho antsika tahaka ny mpiandry ondry mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny. Io fanoloran’i Jesoa ny ainy io no ahazoantsika ny fiainana mandrakizay araka ny voalazany eto satria ny nijaliany sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany ho velona no porofo fa nanolotra ny ainy ho antsika tokoa i izy ary nanome aina vaovao maharitra mandrakizay ho antsika. Tena tsy navelany ho very na oviana na oviana tokoa isika satria ny tenany mihitsy no natolony ho sakafo mahavelona antsika. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny Eokaristia ka mahatonga ny Fiangonana hampianatra fa « loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo ny Eokaristia. Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny lahasa maha-apôstôly dia voafehy avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika » (Jereo ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha-1324).

Io fampianarana voalaza ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io no mampahatsiaro antsika fa i Jesoa Mpiandry ondry tsara dia i Kristy, ilay Pakantsika, no manome ny fiainana mandrakizay. Noho izany isaky ny mankalaza ny Eokarisitia isika dia manantanteraka ny sorona nataon’i Jesoa ka mandray ny vatana aman-drany izay aina mamelona antsika. Ny tiana hambara amin’izao fankalazana ny fetin’ny Mpiandry Ondry tsara izao dia tsotra. Sakramenta sarobidy ho antika ny Eokarisitia satria loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo. Izay no antony andraisana amim-pahamendrehana io Sakramentan’ny Eokaristia io ka tsy hoe sarotony ny Fiangonana rehefa mametraka fepetra samihafa amin’ny fandraisana sy ny fanajana ny Eokarisitia fa noho izy tampon’ny fanompoam- pivavahana rehetra dia tsimaintsy hajaina sy omem-boninahitra satria tsy mofo intsony no raisintsika na divay no sotrointsika fa tena ny vatana aman-dran’i Jesoa velona manome aina ho antsika mihitsy no raisina amin’ny Eokaristia.

Izao fankalazana ny fetin’ny Mpiandry Ondry tsara izao ary no tiana hanamafisana ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Eokaristia ka ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha- 1348 amintsika ihany koa fa « midodododo mankeo amin’ny toerana iray ny kristianina hamonjy ny fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia. Ny Tenan’ i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben’ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Ny Tenany mihitsy no mitarika amin’ny fomba tsy hita maso ny fankalazana manontolo ny Eokaristia. Amin’ny fanoloana tena Azy no mahatonga ny Eveka na ny Pretra (manao ny asa ao amin’ny Tenan’i Kristy Loha) hitarika ny mpiangona, handray ny teny aorian’ny vakiteny, handray ny fanatitra sy hanonona ny vavaka fisaorana. Samy manao ny anjarany amim- pahavitrihana avokoa ny rehetra amin’ny fankalazana, araka ny fanaony avy : mpamaky teny, mpanatitra ny tolotra, mpizara kômonio, ary ny vahoaka manontolo, ka ny valy hoe : Amen, no anehoany ny fandraisany anjara. »

Araka io fampianarana io ary dia mazava amintsika fa amin’ny fisoloana tena an’i Kristy no mahatonga ny Eveka na ny Pretra (manao ny asa ao amin’ny Tenan’i Kristy Loha) hitarika ny mpiangona handray ny Eokarisitia. Noho ny Eveka sy ny Pretra misolo tena an’i Kristy Mpiandry ondry tsara no mahatonga ny Fiangonana hanasa antsika androany hivavaka manokana ho an’ny Fiantsoan’Andrimanitra ho Pretra. Ny fetin’ny Mpiandry Ondry tsara tokoa no fotoana natokana hivavahana hoan’ireo izay mandre ny antson’Andriamanitra ho Mpisorona ka ho mpiandry ondry misolo tena an’i KristyLoha mitarika ny Fiangonana. Mazava ho azy fa raha tsy misy ny Eveka na ny Pretra hanao Lamesa dia tsy hisy na oviana na oviana ny Eokaristia ho raisina ka izay no anasana antsika hivavaka mba hiantsoan’Andrimanitra tovolahy maro hanolo-tena ho Mpisorona satria tsy afa-misaraka ny Eokaristia sy ny asa fandraharahana maha Mpisorona araka ny voalazan’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha- 1367 manao hoe : « Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia : Tokana sady mitovy ihany Ilay  atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nano- lotra ny Tenany mihitsy tamin’izay teo amin’ny Hazofijaliana. Ny fomba fanolotra fotsiny no tsy mitovy : Ary satria ao amin’izany sorona lavorary sady masina izay tanteraka amin’ny lamesa izany, io Kristy io ihany, izay nanolotra ny Tenany indray mandeha monja tamin’ny fomba nalatsa-dra teo ambony ôtelin’ny Hazofijaliana, no votoaty sy atolotra amin’ny fomba tsy alatsa-dra, koa tena sorom-panonerana marina io sorona io. »

Araka izany dia ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha- 1369 fa « ny Fiangonana manontolo dia miray amin’ny fanatitra sy amin’ny fanalalan’i Kristy. Noho ny Papa miantsoroka ny andraiki-panompoan’i Piera ao amin’ny Fiangonana, dia akambana amin’ny fankalazana manontolo ny Eokaristia izy, izay amin’izany no anononana ny anarany ho famantarana sy mpanompon’ny firaisan’ny Fiangonana Manerana ny tany tontolo. Ny Eveka eo an-toerana no mpiandraikitra lalandava ny Eokaristia, na dia ny Pretra aza no mitarika izany ; tononina ao ny anarany mba hampahafantarana ny fiadidiany ny Fiangonana eo an-toerana, eo anivon’ny fivondronan’ny maha – pretra sy miaraka amin’ny fanampian’ny Diakra. Ny mpiara-miangona dia mitalaho koa ho an’ny mpandraharaha masina rehetra izay manolotra ny soron’ny Eokaristia, ho azy sy miaraka aminy : Mba ho ity Eokaristia ity ihany anie no heverina ho ara-dalàna, izay atao eo ambany fiadidian’ny Eveka na izay nampiandraiketiny izany. Amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra no tanteraka ny sorona ara- panahin’ny kristianina, mikambana amin’ny soron’i Kristy, hany Mpanalalana, atolotra amin’ny anaran’nyFiangonana manontolo ao amin’ny Eokaristia amin’ny alalan’ny tanan’ny Pretra, amin’ny fomba tsy alatsa-dra sy ara-tsakramenta, mandra-piavin’ny Tenan’Izy Tompo. »

Miara-mivavaka ary isika androany mba homen’Andriamanitra mpiandry ondry masina sy maro, araka ny oha-piainana nomen’i Kristy, ny Fiangonana ka na eo aza ny fahalemana maha olombelona izay mety hita eo amin’ny fiainan’ny Pretra indraindray dia tokony hotsaroantsika mandrakariva fa tsy asan’olombelona ny asan’ny Pretra fa asan’i Kristy Loha soloiny tena ka manana adidy isika rehetra hivavaka ho azy ireo mba tena ho i Kristy Mpiandry ondry tsara tokoa no hotahafin’izy ireo amin’ny fanantanterahana izay adidy napetrak’i Kristy amin’izy ireo izay.


 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184