Ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra

 

 

Alahady 19 mey 2013

Alahady Pantekôty

Mankalaza ny Alahady Pantekôty isika androany. Fotoan-dehibe tokoa izany satria dimampolo andro lasa izay no nankalazantsika ny Alahadin’ny Paka izay niombonantsika tamin’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty. Ireo Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana amintsika androany dia manambara ny maha zava-dehibe izao fankalazana ataontsika izao. Fantatsika moa fa ny Pantekôty dia fankalazana ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly. Raha ny Evanjely arosin’ny Fiangonana amintsika androany no jerena dia mazava fa tsy misy fitantarana mivantana mahakasika io fidinan’ny Fanahy Masina io. Raha vakiantsika tokoa ny Evanjely Efatra dia tsy misy mitantara izany saingy ny Tenin’Andriamintra ao amin’ny Asan’ny Apostoly izay aroso antsika androany no milaza mazava tsara ny zavatra niseho tamin’izany fotoana izany. « Nony tonga ny andron’ny Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray izy rehetra, ary tampoka, inay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany, sady nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra. » (Asa. 2 : 1 – 4).

Hitantsika amin’izao ary fa ireo Apostoly ireo no vavolombelona manambara fa tena nisy tokoa io fidinan’ny Fanahy Masina tamin’izy ireo io. Izany rahateo no nampanantenain’i Jesoa talohan’ny niakarany any Andanitra. Io fampanantenana nataon’i Jesoa io no ambaran’ny Evanjely androany ka nilazan’i Jesoa tamin’ny Apostoly fa « Ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra » (Jo. 14: 26). Matetika anefa isika no manontany hoe : Inona marina moa ny Fanahy Masina ? Ny marimarina kokoa dia ny hoe: Iza marina ny Fanahy Masina? Voalaza mazava tsara ao anatin’ny Fiekem-pinoana izay tononintsika isan’Alahady mantsy ny hoe: « Izaho mino ny Fanahy Masina ».


Vakiteny I : Asa. 2:1-11,
Vakiteny II : Rom. 8:8-17,

 

Ny fankalazana ny Pantekôty tahaka izao no fotoana anamafisana hatrany io finoantsika ny Fanahy Masina io, ny fotoana tahaka izao araka izany no anazavana bebe kokoa ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Fanahy Masina izay voalaza fa anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina. Araka ny fampianarana izay voalaza ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia mazava fa : « ny mino ny Fanahy Masina àry dia ny miaiky fa anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, « tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ». Izany no antony nahatonga ny resaka momba ny mistery maha- Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amin’ny “teôlôjia” momba ny Trinite. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 681).

Io Katesizin’ny Fiangonana Katolika io ihany koa no manazava amintsika fa « Fanahy Masina », izany no anaran-tsamirerin’Ilay tsaohintsika sy omentsika voninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Noraisin’ny Fiangonana avy amin’ny Tompo io anarana io, ary ambarany ampahibemaso ao amin’ny Batemin’ ireo zanany vaovao. Ny teny hoe « Fanahy » no andikana  ny teny hebrio hoe : Ruah, izay araka ny heviny voalohany, dia midika hoe fofon’aina, rivotra, tsio-drivotra. Nampiasa indrindra ny sary an’ohatra azo tsapain-tanana momba ny rivotra i Jesoa, mba hanome hevitra an’i Nikôdema ny maha zava-baovao mihoatra ny tsapa sy ny hita an’Ilay izay tenan’ny Fofon’Ain’Andriamanitra mihitsy, dia ny Fanahin’Andriamanitra. Etsy an-kilany ny hoe Fanahy sy Masina, dia toetran’Andriamanitra manokana iombonan’ireo Olona Telo-Andriamanitra. Kanefa amin’ny fanakambanana an’ireo teny roa ireo, ny Soratra Masina, ny litorzia ary ny fiteny ara-teôlôjia, dia manondro ny Olona tsy hay ambara amin’ny teny momba ny Fanahy Masina, tsy manana hevi-droa mety hitranga amin’ny fampiasana hafa ny teny hoe « fanahy » sy « masina ». (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha - 691).

Hitantsika amin’izao, araka io fampianaran’ny Fiangonana io fa tena Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina ka nirotsaka tamin’ny Apostoly ary nampianatra azy ireo ny zavatra rehetra araka ny voalazan’i Jesoa tamin’izy ireo. Izany no nahatonga azy ireo niteny tamin’ny fiteny maro samihafa rehefa nidinan’ny Fanahy Masina. « ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy. » (Asa. 2 : 4). Isika ihany koa dia mandray izany Fanahy Masina izany rehefa atao Batemy. Izao no fampianaran’i Md Irénée mahakasika izany : « Ny Batemy no manome antsika ny fahasoavan’ny fahateraham-baovao ao amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’ny Zanany ao amin’ny Fanahy Masina. Satria ireo izay mitondra ny Fanahin’Andriamanitra dia voatarika ao amin’ny Teny, izany hoe : ao amin’ny Zanaka ; fa ny Zanaka no manolotra azy ireo amin’ny Ray, ary ny Ray no mampahazo azy ireo ny tsy fahalòvana. Noho izany, raha tsy ny Fanahy, tsy ho azo atao ny mahita ny Zanak’ Andriamanitra, ary raha tsy ny Zanaka, tsy misy olona afa-manatona ny Ray, satria ny fahalalana ny Ray, dia ny Zanaka, ary ny fahalalana ny Zanak’ Andriamanitra dia manjary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika ao amin’ny laharana faha – 683)

Ny Fanahy Masina tokoa no omena antsika amin’ny Batemy ka mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Izany indrindra no ambaran’i Md Paoly amintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana antsika androany. « Koa amin’izany, ry rahalahy, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo hianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona hianareo; satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra; Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray hianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! Ary ny tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’ny Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa » (Rom. 8: 12 – 17). Tena Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina saingy matetika dia hadinontsika ny mivavaka aminy koa amin’izao Alahady ankalazana ny Pantekôty izao ary dia miara-mivavaka sy mitodika amin’ny Fanahy Masina isika mba hirotsaka ao ampontsika tsirairay avy, ka hanazava sy hampianatra antsika ny zavatra rehetra izy ary hitarika antsika hihavao sy hihamasina hatrany satria io Fanahy Masina io no efa noraisintsika tamin’ny Batemy izay mahatonga antsika ho tena zanak’Andriamanitra marina tokoa.


 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106