Alahady 09 jona 2013
Alahady Faha – 10 tsotra Mandavan-taona
Rehefa avy nandini-tena sy nibebaka isika nandritra ny Karemy dia niara-nankalaza ny Fetin’ny Paka izay niombonantsika tamin’i Jesoa nijaly sy maty ary nitsangan-kovelona. Nandritra ny Alahady maromaro no niainanantsika izany Mistery Lehibe izany. Mistery Lehibe tokoa satria araka ny nambarantsika teto ombieny ombieny fa ny fankalazana ny Paka dia manambara ny Misterin’ny fanavotana antsika. Rehefa izany dia nankalazaintsika ihany koa ny niakaran’i Jesoa any Andanitra, ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pantekôty, ny Fetin’ny Trinite Masina ary tamin’ny Alahady lasa teo dia ny fankalazana ny Fetin’ny Sakramenta Masina izay nimbanjinantsika ny Vatana Masin’i Kristy. Araky ny fanentanan’i Papa François dia io fotoan-dehibe io no niombonantsika tamin’ny Fiangonana manontolo, ka niarahantsika nitsaoka ny Sakramenta Masina tamin’ny alalan’ny “Procession” sy “Adoration” izay nokarakarain’ny isam-piangonana tany amin’ny toerana nisy antiska tsirairay avy tany. Azo lazaina ary fa mifarana tanteraka ny fankalazana ny fety samihafa ka miverina amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan-taona isika. Anio sika no mankalaza ny Alahady Faha – 10 tsotra Mandavan-taona izay anentanana antsika hibanjina an’i Jesoa izay manatanteraka ny asa nanirahan’i Ray azy.
Tsy hoe mankalaza ny Alahady tsotra Mandavan-taona isika dia maivan-danja kokoa ny fankalazana ataontsika, fa ny tena marina dia isan’andro i Jesoa no mitsangan-kovelona eo amin’ny fiainanatsika satria araka ny fampianarana izay nomena antsika teto tamin’ny Alahady heriny, izany hoe tamin’ny fankalazana ny Fetin’ny Sakramenta Masina, dia miaraka amintsika mandrakariva i Jesoa rehefa mankalaza ny Eokaristia isika. Io fankalazana ny Eokaristia io indrindra no manambara amintsika isan’andro ny Misterin’ny Paka dia ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsangan’i Jesoa tamin’ny maty. Efa nandalo ny fahafatesana tokoa i Jesoa saingy nitsangan-kovelona izy ary manome aina vaovao ho anatsika, izany hoe manangana antsika amin’ny maty ihany koa. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroso antsika androany. « Taorian’izany, dia nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima izy, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahy tokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy » (Lk. 7: 11 - 12). Nony nahita izany i Jesoa dia onena ny fony, izany indrindra no voalaza amin’ity Evanjely ity fa « nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. Ary nanatona izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy Jesoa: Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna. Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny, ary nomen’i Jesoa an-dreniny » (Lk. 7: 13 - 15).
Hitantsika miharihary amin’izao ary fa tsy mijanona fa mitohy hatrany ny fankalazana sy ny fibanjinantsika ny Misterin’ny Fitsanganan-kovelona. Raha nankalaza ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty isika nandrindra ny Paka dia mankalaza azy manangana amin’ny maty kosa amin’izao fiverenantsika amin’ny Alahady tsotra Mandavan-taona izao. Mazava araka izany fa io Misterin’ny Fitsanganan-kovelona io no nameno ny fiainan’i Jesoa satria nandritra ny fotoana niarahany nonina tamintsika olombelona dia nasehony fa tia ny hahavelomantsika mandrakariva Andriamanitra Ray izay naniraka azy. Izany no nampisehoany ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fananganany ho velona ity zanak’ilay vehivavy mpitondratena tao Naima ity. Nankalaza an’Andriamanitra ny olona nahita ity fahagagana lehibe ity satria tsy misy olombelona afaka manangana amin’ny maty raha tsy omban’ny herin’Andriamanitra. Ambaran’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amintsika androany ity tokoa fa « raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana azy izany » (Lk. 7: 16 - 17).
Voalaza mazava tsara eto fa « Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. » Midika izany fa tena irak’Andriamanitra tokoa i Jesoa ary Mpaminany lehibe izy satria afaka manome ny fahasoavana rehetra ilaintsika, eny fa hatramin’ny fananganana ny vatantsika ho velona aza. Indraindray toa tsy mampino na mampisalasala izany nefa tena zava-nisy marina tokoa. Tsy tamin’izay fotoana nahaveloman’i Jesoa izany ihany anefa no nananany fahefahana hanangana amin’ny maty fa hatramin’izao andro iainanatsika izao ihany koa. Miaraka amintsika mandrankariva izy ary manome aina vaovao ho antsika rehefa mandray azy ao amin’ny Eokaristia isika. Aoka ho tsaroantsika foana fa isaky ny mandray ny Sakramenta isika indrindra ny Batemy, ny Eokarisitia ary ny Fampihavanana dia mahazo aina vaovao satria efa maty noho ny ota vitantsika olombelona isika saingy mitsangana sy mahazo aina vaovao noho ireo Sakramenta izay raisitsika avy amin’i Jesoa ireo.
Tsy izany ihany fa matetika isika no kivy na mamoy fo mihitsy aza rehefa tojo ny manahirana, indrindra ny fahafatesana ; saingy eo mandrankariva i Jesoa mankahery antsika ka miteny amintsika manao hoe : « Aza mitomany » (Lk. 7: 13). Teny fankaherezana lehibe io nataon’i Jesoa io ka aoka isika hatoky mandrankariva ny fahasoavany rehefa tojo ny manahirana sy ny fahorina. Miaraka amintsika izy ary tsy mamela antsika ho irery, koa aza misalasala ny manantona azy sy mitalaho ny fahasoavany rehefa misedra fahoriana sy fijaliana satria eo foana izy miteny amintsika manao hoe : « Aza mitomany ». Enga anie izay hafaliana avy amin’i Jesoa izay no hameno ny fiainantsika mandrankariva ka na inona na inona miseho amin’ny fiainantsika dia mahazo hery isika satria mandray an’i Jesoa mpankahery sy mpanome aina vaovao ho antsika.
Alahady 09 jona 2013
P. Louis Martin
Assomptionniste