Mitsangàna, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao »

Alahady 13 oktobra 2013

Alahady Faha – 28 tsotra Mandavan-taona

 

 

Raha tsiahivina dia ny mahazava-dehibe ny finoana no foto-kevitra nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Voalaza tamin’zany fa nangataka tamin’i Jesoa ny Apostoly nanao hoe: « Ampitomboy ny finoanay » (Lk. 17: 5). Nambaran’i Jesoa tamin’izy ireo mazava tsara anefa fa « raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray hianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: Miongòta ka mifindrà any anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy » (Lk. 17: 6). Manoloana io fangatahan’ny Apostoly sy ny valin-teny nomen’i Jesoa io no nahatonga antsika handalina ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny dikan’ny hoe « mino » na ny hevitry ny teny hoe « finoana ». Azo heverina ary fa efa mazava tsara amintsika izay ny antony maha zava-dehibe ny finoana ka mahatonga antsika hanantona an’i Jesoa tsy amim-pisalasalana. Io fanantonana an’i Jesoa tsy amim-pisalasalana noho ny finoana io indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroso antsika androany. Voalazan’ity Evanjely androany ity fa « nony nandeha ho any Jerosalema Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra eny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay » (Lk. 17: 11 – 13).

Anisan’ny aretin-dratsy indrindra ny habokana, ho an’ny Jody dia ny olona voasazy noho ny ota no azon’izany aretina izany ary noheverina fa olona tsy mendrika ka tsimahazo mifandray amin’ny olona rehetra fa tsimaintsy mipetraka eny lavidavitra eny. Manambara mazava tsara izany ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity satria dia teny lavidavitra teny izy ireo no niantso an’i Jesoa fa tsy nahasahy nanantona sy niara-dalana tamin’ny olona. Fanaon’i Jesoa matetika rehefa manasitrana dia manendry fotsiny izay kilema mahazo ny marary manantona azy dia sitrana ireny, na ireo marary no manantona azy ka manendry ny akanjony dia mahazo fahasitranana. Ireto boka folo lahy ireto kosa dia tsy nahasahy nanantona fa niantso an’i Jesoa avy teny lavidavitra teny nanao hoe : « Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay » (Lk. 17: 13). Mazava ho azy fa tsy nahasahy niteny tamin’i Jesoa izy ireo manao hoe : Ry Jesoa Mpampianatra ô! Mba sitrano re izahay, na hoe tongava manantona anay, hanendry ny habokanay mba ho sitrana izahay. Ny olona mpanota no mangataka famindram-po, koa matoa ireto boka folo lahy ireto niteny tamin’i Jesoa hoe mamindrà fo aminay dia mihevitra tokoa izy ireo fa vokatry ny ota no nahavoa azy ireo ka tsy ny fanasitranana fotsiny no tena nilain’izy ireo fa ny famindram-po, izany hoe ny famelan-keloka.

Voalazan’ity Evanjely ity fa tsy nanantona azy ireo i Jesoa fa « vantany vao nahita azy ireo izy dia nanao hoe: Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona » (Lk. 17: 14a). Io fanirahan’i Jesoa azy folo lahy hiseho amin’ny mpisorona io dia tandindona manambara amintsika sahady fa amin’ny alalan’ny fisehoana amin’ny mpisorona no andraisana ny famindram-po sy ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Tena azon’i Jesoa natao tsara ny nanasitrana azy ireo teo noho eo satria efa fanaony rahateo izany fa noho izy ireo niteny hoe : « mamindrà fo aminay » dia nalefany tany amin’ny mpisorona izy ireo mba hahatsapa fa amin’ny alalan’ireo mpisorona nofidiny ireo no anomezan’Andriamanitra ny famindram-pony amintsika rehetra. Araka izany dia fampianarana ho antsika ihany koa ity nataon’i Jesoa ity satria raha tiantsika ny hahazo ny famelan-keloka sy ny famindram-pon’Andriamanitra dia eo mandrakariva ny mpisorona, dia ny Eveka sy ny Pretra izany, afaka mandray antsika sy manome antsika izay fahasoavana avy amin’Andriamanitra izay amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Izy ireo ihany koa no manome ny Sakramentan’ny Mararary izay Sakramenta manome fanasitranana ho an’ny vatana sy ny fahin’izay mandray azy. Rariny araka izany raha nalefan’i Jesoa tany amin’ny mpisorona ireto boka folo lahy ireto satria sady mpanasitrana izy ireo no mpanome ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra.

Ambaran’ity Evanjely androany ity anefa fa nony nandeha ho any amin’ny mpisorona izy folo lahy ireto dia sitrana teny am-pandehanana saingy ny iray ihany no niverina tany amin’i Jesoa fa ny sisa dia nanohy ny diany. « Nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra azy; ary Samaritana izy io » (Lk. 17: 14b – 16). Voalazantsika teo fa amin’ny alalan’ny mpisorona no andraisana ny famindram-pon’Andriamanitra ka izay no nandefasan’i Jesoa ireto marary ireto ho any aminy. Mbola tsy tonga tany akory anefa izy ireo dia sitrana. Mazava araka izany fa tsy ny mpisorona akory no mpanasitrana na mpanome ny famindram-po, fitaovana entin’Andriamanitra fotsiny izy ireo hanome izany fahasoavana izany fa tena izy Andraimanitra mihitsy no manao ny asa. Manamafy amintsika izany fa isaky ny manantona ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika dia tsimaintsy tsaroantsika mandrankariva fa tsy ny Pretra akory no mpamela heloka. Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no mpamela heloka fa ny mpisorona dia famatarana hita maso mampita izany famelan-keloka izany. Tahaka izany ihany koa amin’ny Sakramentan’ny Marary, tsy ny Pretra akory no mpanasitrana fa tena Andriamanitra mihitsy no manasitrana ny rofy rehetra ka ny fanosoran’ny Pretra ny menaka masina amintsika dia famatarana hita maso fa tena mpanasitrana ny vatana sy fanahintsika tokoa Andriamanitra.

Farany moa dia hitantsika amin’ity Evanjely androany ity fa gaga i Jesoa nony nahita fa tsy nisy niverina izy sivy lahy fa ilay Samaritana vahiny ihany no niverina nanantona azy sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny fahasitranany. « Dia niteny Jesoa ka nanao hoe: Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray ity no hàny niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra? Dia hoy izy taminy: Mitsangàna, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao » (Lk. 17: 17 – 19). Azo lazaina fa finoana lehibe tokoa no nanan’ireto boka folo lahy ireto satria raha ny hokasihin’i Jesoa no mety fanirian’izy ireo dia teny tsotra no nataony: « mandehana, misehoa amin’ny mpisorona » (Lk. 17: 14a). Voalazan’ny Evanjely mazava tsara fa izy folo lahy no sitrana saingy ity Samaritana ity ihany no niverina niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa sy nisaotra azy. Tena matetika miseho amin’ny fiainantsika ny tahaka ity zava-niseho ambaran’ny Evanjely ity. Matetika dia maika ery isika hangataka sy hitalaho ny fahasoavan’Andrimanitra, saingy toa hadino ny misaotra azy rehefa mahazo izay ilaina. Hitantsika fa mailaka ery izy folo lahy niantso an’i Jesoa manao hoe : « Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay » fa nony sitrana izy ireo dia iray ihany no mba nahalala nisaotra azy. Teny fampieritreretana antsika ity aroson’ny Evanjely ity, ka amin’izao Alahady Alahady Faha – 28 tsotra Mandavan-taona izao, dia mampahatsiaro antsika ny Fiangonana fa tokony hahay mankasitraka mandrankariva isika rehefa misy olona manome zava-tsoa ho antsika. Fantatsika mazava tsara fa Andriamanitra no loharano ipoiran’ny fahasoavana rehetra ka amim-pinoana lehibe no isaorantsika azy noho izay fahasoavana omeny antsika isan’andro izay. Manam-pinoana isika ka tahaka ilay Samaritana sitrana dia isika ihany koa no ilazan’i Jesoa manao hoe : « ny finoanao no nahavonjy anao », koa miara-mivavaka isika androny mba hihamafy hatrany izay finoana anantsika izay ka tsy hisalasala isika hiankohoka sy hisaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fivavahana any am-piangonana isan’Alahady sy ny fiarahan’ny mpianankavy mivavaka isan-tokantrano.

Vakiteny I : 2. Mpan 5:14-17,
Tononkira : Sal. 98:1,2-3,3-4,
Vakiteny II : 2. Tim 2:8-13,
Evanjely : Lk. 17:11-19,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135