Alahady 29 desambra 2013
Fetin’ny Fianakaviana Masina (Taona A)
Mahazatra antsika isan-taona ny mankalaza ny Fetin’ny Fianakaviana Masina isaky ny Alahady manaraka ny fankalazana ny Noely. Izany no ankalazaintsika androany ka anomezan’ny Fiangonana ireo Tenin’Andriamanitra izay mampianatra antsika ny fifankatiavana nisy teo amin’i Josefa sy Maria ka nikolokolo an’i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra, Teny tonga nofo ary niara-nonina tamintsika. Hitantsika araka izany fa na dia Zanak’Andriamanitra aza i Jesoa dia tsy nipetraka irery fa niaina teo anivon’ny fianakaviana tahaka ny olona rehetra ary nanaraka ny fomba fiainana niainan’ny ankamaroan’ny olombelona teo anivon’ny fiarahamonina sy ny ankohonana nisy azy. Izany rahateo no fampianarana hitantsika ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe: « Fomba fiainana niainan’ny ankamaroan’ny olombelona, no niombonan’i Jesoa nandritra ny ampahany be indrindra tamin’ny fiainany : fiainana andavanandro tsy hita nisongadina, fivelomana tamin’ny asa tanana, fiainam- pivavahana jody teo ambany Lalànan’Andriamanitra, fiainana tao anatin’ny ankohonana. Tao anatin’izany fotoana rehetra izany no nampisehoana tamintsika fa “nanaiky” an’ireo ray aman-dreniny i Jesoa sady “nitombo fahendrena sy vatana, ary nandroso nahatehotia teo anatrehan’Andriamanitra sy teo anatrehan’ny olombelona” (Lk 2,51-52) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 531). Hamafisin’ny fampianarana ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa « tamin’ny fankatoavany an’i Maria sy Josefa, ary koa tamin’ny asany tsotra dia tsotra nandritra ny taona maro tao Nazareta no anomezan’i Jesoa antsika oha-pahamasinana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny fianakaviana sy ny asa » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 564).
Raha io fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io ary no dinihina lalina dia azo lazaina fa tena nana anjara toerana lehibe tamin’ny fiainan’i Jesoa ny fankatoavany ny reniny mbamin’ny ray nanangana sy mpitaiza azy. Izany no porofo fa tena niaina ny maha olombelona feno azy izy na dia Andriamanitra avy amin’Andriamanitra marina aza. Fantatr’i Jesoa tsara fa ray mpitaiza ihany i Josefa nefa dia noraisiny sy nankatoaviny tahaka ny ray niteraka azy. Tahaka izany ihany koa no nataon’i Josefa, noraisiny ho tahaka ny zanaka naterany mihitsy i Jesoa rehefa nahazo ny fanambarana mazava tsara fa avy amin’ny Fanahy Masina no nahatonga azy tao an-kibon’i Maria. Io fandraisan’i Josefa an-tanana ny fikarakarana feno an’i Jesoa sy Maria reniny io indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady fankalazana ny Fetin’ny Fianakaviana Masina izao. « Nony lasa izy ireo, indro nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako » (Mt. 2: 13 – 15).
Hitantsika amin’ity Evanjely androany ity fa tamin’ny nofy no nilazan’ny anjely tamin’i Josefa ny tsimaintsy hitondrany ny zaza sy ny reniny mandositra any Ejipta. Araka ny voalaza eto dia tsy nisalasala akory izy nanao araka izay nandidian’ny anjely azy ka « mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. » Anisan’ny mapiavaka manonka an’i Josefa io fahaizana mihaino ny hafatr’Andriamanitra io ka na tsy mahita ny anjely mivantana aza izy, tahaka ny niseho tamin’i Maria, dia nanaiky avy hatrany izay nolazan’ny anjely tamin’ny alalan’ny nofy. Raha tsaroantsika ny voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny izay nankalazantsika ny Alahady farany amin’ny Fiaviana dia tamin’ny nofy ihany koa no nilazan’ny anjelin’ny Tompo tamin’i Josefa ny amin’ny tsy tokony hisalasalany hampakatra an’i Maria vadiny. « Indro nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao ho : Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany » (Mt. 1: 20 – 21).
Manaraka izany, araka ny voalazan’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia mbola tamin’ny nofy ihany koa no nilazan’ny anjely tamin’i Josefa ny tsimaintsy hodiany any amin’ny tanin’Israely, fa efa maty Heroda nitady hamono an’i Jesoa Zazakely. « Ary rahefa maty Heroda, indro nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Ejipta tamin’ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ento ny Zazakely sy ny reniny ka modia any amin’ny tanin’Israely, fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely. Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny ka tonga tany amin’ny tanin’Israely » (Mt. 2: 19 – 21). Ary farany dia mbola tamin’ny nofy hatrany no nanambarana tamin’i Josefa fa tsimaintsy any Galilea izy no honina fa tsy any Jodea satria i Arkelaosy zanaky Heroda no nanjaka tany Jodea tamin’izany fotoana izany. « Nony reny anefa fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy. Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe : Fa hatao hoe Nazareanina izy » (Mt. 2: 22 – 23).
Azo lazaina fa ohatra velona ho an’ny fianakaviana rehetra, indrindra ho an’ny raim-pianakaviana ny toetra nasehon’i Josefa tamin’ny fikarakarana ny ankohonany. Tsy niamboho adidy izy fa nandray an-tanana hatramin’ny farany ny fiahiana an’i Jesoa sy Maria reniny. Natoky mandrankariva ny fahasoavan’Andriamanitra izy ary lehilahy marina ka tsy nisalasala nanantanteraka ny antso niatefa taminy na dia tamin’ny alalan’ny nofy aza no nandraisany izany antso izany. Amin’izao andro iainantsika izao dia maro ireo lehilahy miala andraikitra sy tsy miraraharaha ny ankohonany, koa mitalaho ny fahasoavan’Andriamanitra isika mba hirotsaka amin’izy ireo amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Fianakaviana Masina izao. Mivavaka ihany koa isika ho an’ny fianakaviana rehetra mba samy handrotsahan’Izy Tompo ny tsodranony mitafotafo hankahery azy ireo hifankatia marina tokoa. Eo ambany fitariahan’ny Papa François dia manomana ny Sinaoda manonkana ho an’ny fianakaviana ny Fiangonana ankehitreny, koa miara-mivavaka isika hahatanterahan’izany an-tsakany sy an-davany mba hahafahan’ny fianakaviana kristianina rehetra mihavao hatrany manoloana ny vanin’andro ankehitriny izay ahitana fa maro ireo olona tsy manome lanja intsony ny hasin’ny fianakaviana.
P. Louis Martin
Assomptionniste