Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo

 

Alahady 28 aprily 2013
Alahady Fahadimy amin’ny Paka

 

Tsapantsika amin’ireto vakiteny aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ireto fa tena tafiditra tanteraka ato anatin’ny fankalazana ny Paka isika. Efa Alahady maromaro izay no lasa satria mankalaza ny Alahady Fahadimy amin’ny Paka sahady isika androany ka anomezana antsika ny Evanjely izay mitantara ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ny mpianatra talohan’ny nisamborana azy. Hoy indrindra i Jesoa tamin’ny mpiantra hoe : « Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady ahy hianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny » (Jo. 13 : 33). Efa fantatr’i Jesoa mialoha ny fotoana hisarahany tamin’ireo mpianatra ireo ka nahatonga azy nampahafantatra mialoha fa handeha izy ary kely sisa ny fotoana hahafahany miaraka amin’izy ireo. Matetika ny Ray aman-dReny rehefa handeha lavitra dia mametrapetraka ny zavatra rehetra amin’ny zanaka. Tahaka izany ihany koa rehefa mahatsiaro tena ho osa na manakaiky ny fahafatesana indrindra ireo Ray aman-dReny efa antitra dia manafatrafatra ny taranaka sy mananatra azy ireo mba hahay hiray hina, hitandro ny fihavanana ary hifankatia.

Tahaka izany ihany koa no nataon’i Jesoa tamin’ny mpianatra. Fantany fa kely sisa ny fotoana hiarahany amin’ny mpianatra, fantany rahateo fa hiparitaka ireto mpianatra ireto amin’ny fotona hisamborana azy ka nanafatrafatra azy ireo izy mba hifankatia sy tsy hisarasaraka fa hiray fo sy fanahy tanteraka. Izany indrindra no nahatonga an’i Jesoa hiteny tamin’ireo mpianatra ireo manao hoe : « Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia » (Jo. 13 : 34 - 35). Hafatra mafonja no napetrak’i Jesoa tamin’ny mpianatra ary didy lehibe tokoa, ka na teo aza ny hakiviana nisy tamin’ny mpianatra sy ny fimparitahan’izy ireo tamin’ny nisamborana sy namonoana an’i Jesoa dia tafavory sy niara-nonina hatrany izy ireo ary tsy nisarasaraka fa niara-nitoetra tamin’ny trano iray. Porofon’izany ireo fisehoana maromaro nataon’i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty araka ny voalazan’ny Evanjely izay naroso tamintsika nandritra izay Alahady maromaro fankalazana ny Paka izay.


Vakiteny I : Asa. 14:21b-27,
Vakiteny II : Apok. 21:1-5a,

 

Tsy fampianarana ho an’ny mpianatra fotsiny ihany anefa no nanaovan’i Jesoa io fampianarany io fa natao ho antsika rehetra ihany koa. Isika vita Batemy rehetra no samy asain’i Jesoa hifankatia tahaka ny nitiavany antsika. Tena mampandinika tokoa raha ny nitiavan’i Jesoa antsika satria dia nafoiny ny ainy ho fanavotana antsika, ary tena mampanontany tena mihitsy aza satria mba firy amintsika tokoa moa no vonona hahafoy ny aina noho ny fitiavana ny namana? Raha amin’ny maha olombelona dia sarotra ny hanao tahaka ny nataon’i Jesoa, mazava ho azy fa tsy manasa antsika izy hofatsihana amin’ny Hazofijaliana tahaka azy fa zavatra tsotra no angatahiny amintsika dia ny mba hifankatiavantsika. Io indrindra anefa no mila dinihina lalina satria maro no mihevitra fa mifankatia na tia ny namana nefa toa fihetsika ivelany na eo am-bava fotsiny ihany fa tsy vokatry ny fo na avy ao anaty. Tsy misy mahalala izay any am-po tsy miloaka tokoa ka ny tsirairay no tsimaintsy mandini-tena sy mahatsapa fa tena manam-pitiavana tokoa.

Araka ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity dia tokony toetra hampiavaka antsika vita Batemy ny fifankatiavana. Izany hoy izy no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia. Indraindray anefa dia isika samy isika ihany no mampiseho toetra mifankahala sy mifampialona ka tsy ahitana taratra an’izay fifankatiavana maha mpianatr’i Jesoa izay. Fahita tokoa indraindray ny tsy fifankatiavana na dia eo amin’ny samy iray fiangonana aza. Misy ny fifamaliana sy fifanaratsiana eny fa ady mihitsy aza no ifarany nefa aoka ho tadidintsika mandrakariva fa natao hihavana isika fa tsy natao hifandrafy. Raha sendra misy ary ny toe-javatra tahaka izany dia fotoana lehibe ity Alahady anio ity hifanantonana sy hifamelan-keloka. Aza menatra ny hanatona sy hifona ary hangataka famelan-keloka raha sendra misy ny hadisoana natao tamin’ny namana. Teny fankaherezana ho antsika ny Evanjely androany ka azo hararaotina tsara hifanantona’ireo izay tsy mifankahazo na nisy disadisa mba hifamitram-pihavanana indray.

Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Fahadimy amin’ny Paka izao mba tena ho vonona hifankatia marina tokoa ka na misy aza ny zavatra mety nampiady, dia ny Tenin’i Jesoa izay aroson’ny Fiangonana androany no ho toy ny hery vaovao manentena sy manainga antsika indray hifanantona sy hihavana ary hifamela heloka. Ekena fa tsy mora ny tena mifankatia marina satria mila fandavan-tena sy faretren-tena izany, saingy i Jesoa no efa nitia antsika mialoha tamin’ny nahafoizany ny ainy teo amin’ny Hazofijaliana. Aoka ary isika hibanjina azy mandrakariva ary hitalaho ny fahasoavany mba hitari-dalana antsika, hahatonga antsika tena hifankatia marina tokoa satria izay no porofo fa manara-dia azy isika noho ny Batemy izay noraisintsika.



 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106