Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra

Alahady 08 desambra 2013
Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana (Taona A)

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny Fiaviana isika androany. efa nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa ny fotoanan’ny Fiaviana izay ankalazaina isan-taona dia natao indrindra hibebahana mba hahafahantsika miandry amim-pitoniana ny fiavian’ny Zanak’olona amim-boninahitra indray. Izany no nilazan’i Md. Paoly tamin’ny Taratasy nosoratany ho an’ny Romana manao hoe: « Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio Jeso-Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filany » (Rom. 13: 12 – 14). Io fibebahana io no hamafisin’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ka anomezana antsika ny toriteny nataon’i Joany. « Ary tamin’izany andro izany dia niseho Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Izy no ilay voalazan’Izaia mpaminany hoe : Re ny feon’izay miantso any an’efitra hoe : Amboary ny làlan’ny Tompo, ahitsio ny alehany. Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no tamin’ny valahany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany. Ary nankany aminy daholo Jerosalema sy Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany ; ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin’ny ony Jordany » (Mt. 3: 1 – 6).

Mazava ny toriteny nataon’i Joany Batista izay manasa ny olona rehetra hibebaka ka izany no nahatonga ireo rehetra nihaino azy hihazakazaka hanantona ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisana ny batemy mba ho famelana ny fahotana. Tonga nanantona azy daholo hatramin’ireo manam-pahefana Jody, eny fa hatramin’ny mpitondra fivavahana aza, toy ny Farisiana sy ny Sadoseana izay nagataka mba hatao batemy ihany koa araka ny voalazan’ity Evanjely ity. « Ary raha nahita ny Farisiana sy ny Sadoseana betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy : Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara, ary aza manao anakampo hoe : Manana an’i Abrahama ho rainay izahay ; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky : koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo » (Mt. 3: 7 – 10). Tena fantatr’i Joany Batista tsara ny toetr’ireto Farisiana sy Sadoseana ireto, saingy tsy nandà ny fangatahan’izy ireo hatao batemy izy. Nampahafatariny azy ireo tsara ny maha zava-dehibe ny fibebahana satria raha tsy mibebaka izy ireo dia very ka hataon’Andriamanitra tahaka ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara ka hokapaina, ary hatsipy any anaty afo.

Fankan-tahaka ho antsika ny nataon’i Joany Batista tamin’ny tsy fisalasalany niteny ny marina manoloana ny fanantonan’ny Farisiana sy ny Sadoseana azy. Hoy izy tamin’izy ireo : « Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara, ary aza manao anakampo hoe : Manana an’i Abrahama ho rainay izahay ; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto » (Mt. 3: 8 – 9). Indraindray tokoa dia sarotra ny mifananatra sy miteny ny marina manoloana ny zavatra tsy mety ataon’ny hafa. Sarotra rahateo ny miteny ny marina sy ny mandray izany ka mba tsy hisian’ny fifanafintohinana dia maro no mijery arina an-tava manolona ny zavatra tsy mety ka tsy sahy miteny na mananatra tahaka ny nataon’i Joany Batista. Ity Evanjely ity dia milaza mazava tsara fa tsy natahotra i Joany Batista niteny ireo Farisiana sy Sadoseana ireo hoe taranaky ny menarana. Saingy na izany aza dia natorony azy ireo ny lalana tsara tsimaintsy hizorana ka nilazany tamin’izy ireo ny tokony hanaovana fibebahana mendrika tsara mba tsy ho anisan’ireo volaza fa tahaka ny hazo izay tsy mamoa voa tsara ka hokapaina, ary hatsipy any anaty afo. Mampianatra antsika ary ity Evanjely ity androany mba hahay hifanampy sy tsy hatahotra hifampiteny ary hifananatra manoloana ny zavatra tsy mety. Ny tsy fanaovantsika izany mantsy dia mety hitarika ny hafa tsy ho voavonjy ary ho anisan’ireo hatao tahaka ny hazo izay tsy mamoa voa tsara ka hokapaina, ary hatsipy any anaty afo. Inona tokoa moa no soa azontsika raha toa ka very any anaty afo ny olona iray noho ny tsy fanampiantsika azy hizotra amin’ny lala-mahaitsy amin’ny alalan’ny fanaovana asa fibebahana mendrika tsara ?

Mila fanetren-tena sy fitiavana marina anefa ny fanaovana izany ka raha tiantsika ny hananatra ny hafa sy hitarika azy hibebaka dia tsimaintsy isika aloha no mibebaka mialoha. Efa nahazo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika tamin’ny batemy saingy mila manavao izany hatrany satria tsy misy afaka ny hihevi-tena ho mendrika fa samy mpanota daholo isika rehetra ary samy mila izay fibebahana izay daholo. Eto dia mbola fakan-tahaka ho antsika ihany koa ny teny voalazan’i Joany Batista amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangoanana androany ity. Hoy indrindra izy : « Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahan ; fa ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho ; izy no hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo ; eny an-tànany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloany, ka ny variny hangoniny any an-tsopitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty » (Mt. 3: 11 – 12).

Tsy nihevitra ny tenany ho Mesia i Joany Batista fa nietry tena ka nambarany mazava tsara fa mpialoha lalana ihany izy, ary ny batemy ho amin’ny fibebahana no nomeny fa rehefa tonga hoy izy ilay tena Zanak’Andriamanitra dia « izy no hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo ». Efa nandray ny batemy ho amin’ny fibebahana isika ary efa nahazo ny Fanahy Masina ihany koa tamin’ny fotoana nanaovana batemy antsika sy nandraisantsika ny Sakramentan’ny Fankaherezana, koa manasa antsika ny Fiangonana amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana izao mba handin-tena sy hanao asa fibebahana mendrika tsara tokoa mba ho anisan’ireo voalazan’i Joany Batista fa vary hangonin’i Jesoa any an-tsopitra, fa tsy ho anisan’ny mololo hodorana any amin’ny afo tsy mety maty. Miara-mivavaka ary isika androany mba hanomezan’i Jesoa antsika ny Fanahy Masina hitari-dalana antsika hibebaka marina tokoa hahafahantsika mihaino ny « feon’izay miantso any an’efitra hoe : Amboary ny làlan’ny Tompo, ahitsio ny alehany » (Mt. 3: 3).

Vakiteny I : Iz. 11:1-10,
Vakiteny II : Rom. 15:4-9,
Evanjely : Mt. 3:1-12,


P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023