Alahady 28 jolay 2013
Alahady Faha – 17 tsotra Mandavan-taona
Fanaon’i Jesoa matetika ny mivavaka, mampiavaka manonkana an’i Md Lioka ny fitantarana izany ao amin’ny Evanjely nosoratany. Maromaro ireo toko sy andininy amin’io Evanjely io no milaza fa matetika i Jesoa no mandeha mivavaka, indrindra rehefa handray fanampahan-kevitra lehibe amin’ny asam-pamonjena izay nanirahan’ny Ray azy. Anisan’izany ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana androany ity, izay milaza fa nivavaka tamin’ny fitoerana anankiray Jesoa. Voalaza eto ihany koa anefa fa tsy zava-baovao izany satria tsy Jesoa irery no fantatra fa mpivavaka, Joany Batista sy ny mpianany ihany koa dia voalaza fa matetika no mivavaka, izany no antony nahatonga ny mpianatra iray hangataka amin’i Jesoa mba hampianariny mivavaka tahaka ny nataon’i Joany tamin’ny mpianany. « Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jesoa, ka nony nitsahatra izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany » (Lk. 11: 1). Eto dia tsy fantatra hoe iza ilay mpianatra anankiray nangataka tamin’i Jesoa mba hampianarina mivavaka, azo eritreretina fa iray amin’ireo mpianatry Joany izay lasa nanara-dia an’i Jesoa no nanao io fangatahana io satria mety efa anisan’ny nampianaran’i Joany hivavaka.
Tsy nisalasala i Jesoa manoloana io fangatahan’ny mpianatra io fa namaly avy hatrany nanao hoe: « Raha mivavaka hianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resi’ny fitaoman-dratsy izahay » (Lk. 11: 2 – 4). Raha dinihina lalina dia ity vavaka ity no azo lazaina fa vavaka ambony indrindra ho antsika mpanara-dia an’i Jesoa. Tsy vavaka noforonin’olombelona mantsy izy ity fa tena ny vavan’i Jesoa Kristy izay Andriamanitra ihany no nampianatra azy ny mpianany ary ireo mpianatra ireo no nampita izany tamin’ireo nanara-dia azy ka nifandovàna hatramin’izao andro iainanatsika izao. Ity vavaka ity izany no azo lazaina fa vavaka tranainy indrindra satria voatahiry ary mbola tsy lefy laza na dia efa roarivo taona lasa izay no nampianaran’i Jesoa azy.
Matetika tokoa isika no manao io vavaka nampianarin’i Jesoa io, indrindra amin’ny fankalazana ny Eokaristia saingy mipetraka ihany ny fanontaniana hoe: Moa mba tsapantsika ve ny hasarobidin’ity vavaka nampianarin’i Tompo ity. Indraindray tokoa mantsy dia lasa fahazarana fotsiny ihany ny fanaovana io vavaka io ary toa lasa tsianjery fotsiny fa tsy dia lalim-paka ny fahazoana ny tena heveny. Ny fanoloron’ny Fiangonana ho antsika ity Evanjely androany ity no mampahatsiahy antsika indray fa tena Tenin’Andriamanitra ny vavaka nampianarin’i Tompo fa tsy tenin’olombelona, noho izany isaky ny manao izany vavaka izany isika dia mamerina ny tenin’i Jesoa. Mazava araka izany fa sady mivavaka mitodika amin’Andriamanitra Ray isika no miombona amin’Andriamanitra Zanaka izay tena Andriamanitra ka sady mivavaka amin’i Jesoa isika no miara-mivavaka aminy ihany koa satria izy sy ny Ray dia iray ihany.
Ny fanaovantsiaka ity vavaka nampianarin’i Tompo ity ary no mampianatra antsika ny tena tokony hatao rehefa mivavaka. Matetika isika rehefa mivavaka dia alaim-panahy hangataka foana ary hanao vavaka mitodika amin’ny tena sy amin’izay ilain’ny tena. Tsy izany anefa no nampianarin’i Jesoa rehefa mivavaka. Ny tokony hatao voalohany hoy izy dia ny mivavaka mitodika amin’i Ray. Izany hoe manao vavaka fisaorana sy fiderana ny Ray izay Masina indrindra ka omem-boninahitra. Noho izany rehefa mivavaka isika dia tsy tokony hihazakazaka amin’ny fanaovana fangatahana lavareny sy hitanisa izao karazam-pangatahana rehetra izao. Efa fantatr’Andriamanitra rahateo izay ilaintsika satria mihaino ny vavaka ataointsika izy isaky ny mangataka aminy isika. Izany indrindra no nilazan’i Jesoa tamin’ny mpinatra rehefa nampianatra azy ireo hivavaka izy manao hoe : « Koa raha hianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zavatsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy? » (Lk. 11: 13).
Tena tia antsika tokoa Andriamanitra ary mandray sy mamaly ny vavaka ataontsika izy. Noho izany dia tsy tokony hisalasala isika hanantona azy amin’ny vavaka ataontsika. Mampianatra antsika ary ny Fiangonana androany, amin’ny alalan’ity Evanjely izay milaza amintsika ny vavaka nampianarin’i Tompo ity fa tokony hitodika mandrankariva amin’Andriamaintra isika ka hidera sy hisaotra azy amin’ireo zava-tsoa omeny antsika isan’andro. Io vavaka fisaorana sy fiderana ary fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra io no tokony hivoaka voalohany amin’ny vavantsika rehefa mivavaka isika. Rehefa izany dia ampianarin’i Jesoa isika mba hangataka amim-pitokiana izay ilaintsika amin’ny fiainanatsika satria mihaino sy mandray mandrakariva ireny fangatahantsika ireny Andriamanitra. Miara-mamerina io vavaka nampianarin’i Tompo io ary isika androany ka sady midera an’Andrimanitra noho ny soa maro sesehena omeny antsika isan’andro no mangataka aminy ihany koa ny fahasoavana. Ange anie i Jesoa izay nampianatra ireo mpianany hivavaka handrotsaka ny Fanahiny Masina amintsika mba hitari-dalana antsika hanantona ny Ray izay loharano anovozantsika izay fahasoavana rehetra ilaintsika.
P. Louis Martin
Assomptionniste