Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo...

 

Alahady 10 febroary 2013
Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona (Taona D)

 

Tadidintsika tsara fa nifarana tamin’ny fandroahana an’i Jesoa hiala ny tanana nahabe azy no niafaran’ny Evanjely nohenointsika tamin’ny Alahady heriny: « dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagoga raha nandre izany, ka tafantsangana nandroaka azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana » (Lk. 4 : 28 – 29). Tafavoaka tamin’izany fahatezeran’ny olona izany anefa i Jesoa satria « namaky teo afovoan’izy ireo izy dia lasa » (Lk. 4 : 30). Tsy nampihemotra an’i Jesoa io fandroahana azy hiala tao Nazareta tanana nahabe azy io fa vao maika aza nanosika azy handroso lalin-dalina kokoa tamin’ny fanantaterahany ny asa nanirahana azy dia ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra amin’ny olona rehetra. Androany ary dia ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika fa tonga « teo amoron’ny farihin’i Genezareta izy, dia nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra » (Lk. 5 : 1). Tanteraka tokoa eto ny teny nataon’i Jesoa tao amin’ny sinagoga tao Nazareta manao hoe : « lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy » (Lk. 4 : 24). Raha fandroahana no nahazo azy tany Nazareta dia olona marobe nifanesika no tonga nihaino azy teo amoron’ny farihin’i Genezareta.
 
Vakiteny I : Iz. 6:1-2a,3-8,
Vakiteny II : 1 Kor. 15:1-11,
Evanjely : Lk. 5:1-11,
Raha ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka no vakiana dia ity fahatongavan’i Jesoa teo amoron’ny farihin’i Genezareta ity no fitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany nataony teny amin’ny toerana malala ivelan’ny trano. Hitantsika amin’izao ary fa tsy nahasaka an’i Jesoa tsy hitory ny Vaovao Mahafaly ny fandroahana azy hiala ny sinagoga fa vao maika aza nahatonga azy nahazo olona maro be ka tsy omby an-trano intsony fa voatery nitady tany malalaka izy ary dia teny amoron’ny farihin’i Genezareta no toerana malalaka tamin’izany faritra izany izay nahafahany nitory tsara ny tenin’Andriamanitra. Ny olona ihany koa, na dia nifanesika aza, dia afaka nandre tsara ny fampianarana nataony satria niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simona izy « ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka » (Lk. 5 : 3). Tsy voalaza ato amin’ity Evanjely ity anefa ny zavatra nampianarin’i Jesoa ny vahoaka rehefa teo an-tsambo kely izy. Mazava ho azy, satria tsy ny fitantarana ny zavatra nambaran’i Jesoa tahaka ny nataony tany Nazareta no tiana hahatongavana amin’ity Evanjely aroso amitsika androany ity fa ny fomba niantsoany ireo mpianatra voalohany hanara-dia azy. 
 
Mazava ny voalazan’ny Evanjely fa « rahefa nitsahatra niteny izy, dia nanao tamin’i Simona hoe: Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano; fa hoy ny navalin’i Simona azy: Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato. Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy triatra ny haratony » (Lk. 5 : 4 – 6). Taitra sy variana i Simona sy ireo mpiara-dia taminy nahita ity fahagagana nataon’i Jesoa ity ary tsapany avy hatrany ny maha Andriamanitra an’i Jesoa satria raha ny herin’olombelona dia tsy hahavita fahagagana tahaka izao. Izany indrindra no ilazan’ity Evanjely ity amintsika fa « nony nahita izany Simona Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho; fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony » (Lk. 5 : 8 – 9). Mazava anefa ny tenin’i Jesoa rehefa namaly an’i Simona izy ka nilaza hoe : « aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona hianao » (Lk. 5 : 10). Tsy nisalasala i Simona sy ireo naminy iray raharaha taminy dia i Jakoba sy i Joany zanak’i Zebede izany, ary namaly avy hatrany io antson’i Jesoa io ka « nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka azy » (Lk. 5 : 11).
 
Feno fahavononana tanteraka ireo mpianatra natsoin’i Jesoa voalohany ary hitantsika amin’izao fa tsy nisy fisalasalana kely akory izy ireo fa avy hatrany dia nanara-dia an’i Jesoa. Hatramin’io fotoana niantsony ny mpianatra voalohany io dia tsy nandeha irery intsony i Jesoa fa niaraka tamin’ireo mpianatra ireo foana. Midika izany fa na eo aza ny maha Andriamanitra an’i Jesoa dia nitady mpiara-miasa mahatoky izy hiara-manantanteraka aminy ny asa nanirahana azy dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly manerana ny tany. Tahaka ireo mpianatra natsoin’i Jesoa voalohany dia voantso ihany koa isika vita Batemy rehetra handray anjara amin’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny sehatra misy antsika tsirairay avy. Koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady izao mba hiroborobo hatrany izany asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly izany manoloana ny vanin’andro iainan-tsika ankehitriny. 
 
P. Louis Martin 
Assomptionniste

Hevitra mandeha

( 26/04/2024 12:26)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129