Ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina

Alahady 20 oktobra 2013
Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona

Nandritra ny Alahady maromaro nifanesy izay dia ny maha zava-dehibe ny finoana no foto-kevitra nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika. Amin’ity Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona ity kosa dia ny maha zava-dehibe ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana no fampianarana omen’i Jesoa antsika. Voalazan’ny Evanjely androany fa « nanao fanoharana tamin’izy ireo koa izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana » (Lk. 18: 1). Hoy indrindra Jesoa aminin’ity fanoharana ity : « Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe : Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko ; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anankampo: Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy » (Lk. 18: 2 – 5). Rehefa avy nilaza izany fanoharana izany izy dia niteny tamin’ireo nihaino azy nanao hoe : « Ary henoy, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? » (Lk. 18: 6 – 7).

Vakiteny I : Eks. 17:8-13,
Vakiteny II : 2. Tim 3:14-17,4:1-2,
Evanjely : Lk. 18:1-8,

Azo ambara fa raha dinihina lalina ity fanoharana ity dia hita miharihary ny maha zava-dehibe ny fivavahana eo amin’ny fiainana ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika. Manoloana izany anefa dia maro no manontany hoe : Inona marina moa no atao hoe fivavahana ? Betsaka ny valin-teny azontsika omena ary ny tsirairay ihany koa dia manana ny valin-teny azony omena amin’ny famaritana ny atao hoe fivavahana. Mety maro ihany koa anefa no tsy manan-kavaly raha sendra izany fanontaniana izany satria na dia mpivavaka aza isika dia mety mbola tsy nanana fotoana nandinihana lalina ny tena dikan’ny hoe fivavahana. Ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika no mampianatra antsika mazava tsara ny famaritana ny atao hoe fivavahana. Ambaran’ny fampianarana hita ao amin’io Katesizin’ny Fiangonana Katolika io, araka ny namaritan’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely fa : « Ho ahy, ny fivavahana dia fientanam-po, fijery tsotra mankany an-danitra, hiakam-pankasitrahana sy fitiavana eo anivon’ny fisedrana toy ny eo anivon’ny hafaliana koa. » Araka izany : « Ny fivavahana dia fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa sy ny tsara sahaza”. Avy amin’ny inona no itenenantsika rahefa mivavaka ? Avy amin’ny haavon’ny fiavonavonantsika sy ny sitrapontsika manokana ve, sa avy amin’ny “halalin’ny” (Sal 130, 1) fo manetry tena sy torotoro ? Izay manetry tena no asandratra. Ny fanetren-tena no toetra fototra iorenan’ny fivavahana. “Na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Ny fanetren-tena no toe-panahy ilaina handraisana maimaim- poana ny fanomezam-pivavahana : Mahantra mpangataka amin’ Andriamanitra ny olombelona. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2559).

Araka io famaritana voalaza ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io ary dia azo ambara fa amin’ny alalan’ny fivavahana isika no afaka mifandray amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, noho izany ny fivavahana dia sady asan’Andriamanitra izay mihaino ny vavaka ataontsika no asan’olombelona izy manandratra izany vavaka izany. « Fifandraisam-pifanekena eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona ao amin’i Kristy ny fivavahana kristianina. Sady asan’Andriamanitra no asan’ olombelona izany ; avy amin’ny Fanahy Masina sy avy amintsika no ipoirany, mankany amin’ny Ray avokoa, amin’ny fampiraisana izany amin’ ny sitrapo maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2564). Amin’ny maha Kristianina antsika dia fiombonana amin’i Kristy ihany koa ny fivavahana satria « Amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ny fivavahana no fifandraisana velon’ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo tsara tsy manam-petra, amin’i Jesoa-Kristy Zanany ary amin’ny Fanahy Masina. Ny fahasoavan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia “ny firaisan’ny Trinite Masina manontolo amin’ ny fanahy manontolo”. Ny fiainam-bavaka araka izany dia ny fanatrehana amim-pahazarana an’ilay Andriamanitra Masina indrindra sy ho fiombonana Aminy. Azo atao mandrakariva izany fiombonam-piainana izany, satria, tamin’ny alalan’ny Batemy isika no nanjary iray tena amin’i Kristy. Zary kristianina ny fivavahana noho izy fiombonana amin’i Kristy sy noho izy miitatra ao amin’ny Fiangonana Vatan’i Kristy. Ny halehibeny dia ny halehiben’ny Fitiavan’i Kristy » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2565).

Raha ireo fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireo no jerena dia azo ambara fa tena zava-dehibe tokoa ny fampianaran’i Jesoa antsika androany mahakasika ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana. Voalaza mazava tsara amin’izany fampianaran’ny Fiangonana izany fa fifandraisam-pifanekena eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona ao amin’i Kristy ny fivavahana kristianina. Midika izany fa ny fivavahana dia resaka ifanaovantsika amin’Andriamanitra. Amin’ny maha resaka ifanaovana azy dia tokony hazava amintsika fa tsy isika irery no miteny. Matetika tokoa isika no mihevitra fa rehefa mivavaka dia isika irery no miteny sy mitalaho ka tsimaintsy mihaino antsika Andriamanitra. Mazava anefa fa resaka ifanaovana ny fivavahana ka tsimaintsy manome fotoana an’Andrimanitra ihany koa isika mba hitenenany amintsika. Izany no maha zava-dehibe ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra rehefa mivavaka. Tsy mora ny mivavaka ka izany no anasan’i Jesoa antsika hanam-paharetana. Mitodika any aminy ary isika androany satria izy no efa nampinatra antsika hivavaka ihany koa, ka hitalaho ny fahasoavany hanampy antsika hanam-paharetana amin’ny vavaka ataontsika. Ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika androany ity fa Andriamanitra dia manome rariny sy malaky mamonjy ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, koa amim-pitokiana lehibe no itodihantsika aminy sy ametrahantsika eo ampelantanany ny fiainantsika manontolo satria mino isika fa manome rariny sy malaky mamonjy antsika tokoa izy.

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0381