Alahady 08 septambra 2013
Alahady Faha – 23 tsotra Mandavan-taona
Tsy mitsahatra mampianatra ireo hatsaram-panahy tokony hanana amin’ny maha Kristianina antsika i Jesoa. Raha ny fahaizana manetry tena no nampianariny antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny, dia ny fandavan-tena no hatsaram-panahy anasan’i Jesoa antsika androany, amin’izao Alahady Faha – 23 tsotra Mandavan-taona izao. Azo lazaina fa hatsaram-panahy tsy afaka misaraka ny fanetren-tena sy ny fandavan-tena satria ny fahaizana manetry tena dia midika ho fametrahana ny hafa mandrankariva ho ambony noho ny tena. Ny fandavan-tena indray dia ny fahaizana mahafoy izay rehetra ananana mba ho fanasoavana ny hafa, ary manara-dia an’i Jesoa izay nahafoy ny zavatra rehetra, eny fa hatramin’ny ainy aza mba ho fanavotana antsika. Io fahaizana mahafoy ny zavatra rehetra io indrindra no hevi-dehibe anasan’i Jesoa antsika androany. Ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany tokoa fa : « nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa, ka nitodika izy nanao tamin’ireo hoe: Raha misy manatona ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro » (Lk. 14: 25 – 26).
Raha raisina amin’ny maha olombelona antsika dia sarotra ny handray ara-bakiteny ity voalazan’i Jesoa ity. Tsy mora ary mety tsy ho azo eritreretina izany hoe hankahala ny ray sy ny reny niteraka izany, voalazany ihany koa ny vady sy ny zanaka, mbamin’ny rahalahy sy ny anabavy ary na dia ny aina aza. Ireo voalaza ireo no tena saro-diby indrindra ho antsika nefa dia ambaran’i Jesoa fa tsimaintsy hankahalaina raha te-hanantona azy isika. Eto ny teny Malagasy « mankahala » dia tsara ihany ny anazavana azy mba tsy ho diso ny fandraisantsika ny tian’i Jesoa hambara. Araka izany ny teny hoe « mankahala » raha ny heviny amin’ity Evanjely ity no jerena dia tsy midika hoe tsy fitiavana, fanariana na fanaovana tsinontsinona ny ray sy ny reny niteraka, na koa ny vady sy ny zanaka, mbamin’ny rahalahy sy ny anabavy ary na dia ny aina aza fa fandavan-tena sy fametrahana ny fitiavana an’i Jesoa sy ny fanarahan-dia azy ho ambonin’ny zavatra rehetra dia ny fitiavana ny havana aman-tsakaiza sy ny aina izany.
Hita tokoa indraindray ary tsy azo afenina fa ireo havana aman-tsakaiza ireo ihany no sakana mahatonga antsika tsy ho afaka tena hanara-dia an’i Jesoa marina tokoa. Tena misy tokoa ny ray aman-dreny tsy mitondra ny zanany hivavaka na handray sakramenta. Misy ireo rahalahy sy anabavy ary havana aman-tsakaiza no manondro molotra na mitsikera rehefa mahita antsika mazoto mivavaka sy mafana fo ary mandray andraikitra tsy misy tambiny ao am-piangonana. Tsy tenenina intsony ireo misakana sy tsy manaiky rehefa mba misy milaza fa hiroso amin’ny Sakrametan’ny Mariazy na hanara-dia an’i Jesoa amin’ny lalana maha Pretra sy Relijiozy. Ireny sakantsakana ireny no nahatonga an’i Jesoa hanasa antsika hanana fandavan-dena ka hahafoy ny havana aman-tsakaiza raha maniry ny hanara-dia azy marina tokoa. Tsy mora ny miaina izany ary azo lazaina fa hazofijaliana tsimaintsy hoentina izany ka nahatonga an’i Jesoa hiteny hoe : « Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mety ho mpianatro » (Lk. 14: 27).
Mazava ary izao ny tian’i Jesoa hambara amintsika androany fa raha tsy mitondra ny hazofijaliana sy tsy manaraka azy isika dia tsy mety ho mpianany. Izany hoe, mila fandavan-tena sy fahafoizana ny zavatra rehetra ny fanarahan-dia an’i Jesoa. Hamafisiny izany rehefa namarana ny fampianarana nomeny izy amin’ity Evanjely ity izy. Nambarany mazava tsara fa « na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro » (Lk. 14: 33). Mety ho maro no halaim-panahy hihevitra fa natao hoan’ireo izay nanolo-tena amin’ny lalana maha Pretra sy Relijiozy izany fa tsy natao ho an’ny rehetra. Isika rehetra vita Batemy ka miaina ny finoana anefa no asain’i Jesoa hahafoy izay rehetra anana mba ho tena mpianatra manara-dia azy marina tokoa. Tsy mora ny miaina izany, indridra eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika ankehitriny, izay ahatsapana fa misy ireo izay tsy mihevitra afa-tsy ny tenany sy ny havana aman-tsakaizany ihany ka tsy mahafoy na dia zavatra kely akory aza mba ho fanasoavana ny hafa. Na eo aza anefa izany dia hita ihany koa fa maro ireo izay malala-tanana ary tsy mitsitsy mihitsy amin’izay ananany fa mahafoy be dia be mba ho fanampiana ny hafa amin’ny asa fanasoavana taterahin’ny Fiangonana. Izany no porofo fa tena maro tokoa ireo manara-dia an’i Jesoa ka manantanteraka ny teniny manao hoe : « na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro ».
Raha amin’ny maha olombelona dia sarotra izany hahafoy izay rehetra ananana izany, fa amin’ny maha Kristiana kosa dia i Jesoa no ohatra velona tahafintsika, koa miara-mivavaka ary isika androany mba tena hanana fandavan-tena marina tokoa ka hanara-dia an’i Jesoa amin’ny fitondrana ny hazofijaliana. Tsy tokony hampatahotra antsika izany satria izy mihitsy no efa niaina izany talohantsika satria izy no efa nitondra ny hazofijaliana sy ny fahoriana rehetra; koa raha miankina aminy isika dia ho maivana amintsika ny mitondra izay anjara hazofijaliana atolony antsika izay. Miara-mivavaka ihany koa isika ho an’ny fandriam-pahalemana manerana ny tany araka ny anasan’i Papa François antsika. Manjaka tokoa ny herisetra sy ny fifandirana etsy sy eroa ka manana adidy isika hivavaka sy hitarika ny olona hihavana sy hifankatia marina tokoa. Hita miharihary fa ireny herisetra sy ady ary fifandirana samihafa ireny dia vokatry ny fitiavan-tena sy tsy fitsinjovana ny hafa ary tsy fahaizana mahafoy ny zavatra rehetra, koa anjarantsika vita Batemy rehetra ary no mampanjaka ny fandriam-pahalemana sy ny fitiavana ary ny fiadanana marina eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy satria izany no hahatsapan’ny olona fa tena mpianatr’i Kristy tokoa isika satria mahafoy izay rehetra ananana ary mitondra ny hazofijaliana manaraka azy.
P. Louis Martin
Assomptionniste