Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky koa amin’ny lehibe

Alahady 22 septambra 2013
Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona

Fifampitokisana, fahamarinana ary fanompoana an’Andriamanitra fa tsy ny harena no hevi-dehibe ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Raha tsiahivina dia ny fampianaran’i Jesoa mahakasika ny fibebahana no nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny. Azo heverina ary fa samy niezaka niaina izay fibebahana izay isika tamin’iny herinandro iny ary hanohy hatrany izany ezaka izany mandritra ny androm-piainantsika satria izay no anasan’i Jesoa antsika amin’ny maha Kristianina antsika. Ny Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika isaky ny Alahady mantsy dia natao hiainana fa tsy natao hovakiana fotsiny ary izany ihany koa no antony anaovana izao fifampizarana izao mba hahafahantsika mifanampy amin’izay fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra izay ka hiaina sy hampihatra izany amin’ny fiainantsika andavan’andro. Raha dinihana lalina tokoa ny ambaran’i Jesoa amin’ny Evanjely izay aroso antsika isan’Alahady dia hita fa tsy teny misavoan-danitra na resa-be mandany andro fotsiny no ataony fa tena Teny mahavelona izay azo raisina sy iainana ary ampiharina amin’ny fiainana andavan’andro tokoa amin’ny maha Kristianina antsika.

Raha ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona izao no dinihina lalina dia azo ambara tsy misy fisalasala fa tena mahakasika tokoa izay fiainantsika andavan’andro izay. Voalazan’ity Evanjely ity tokoa fa « hoy koa Jesoa tamin’ny mpianany: Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: Ahoana izany fandrenesako izany anao? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony hianao. Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin’ny raharahako aho. Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: Ananan’ny tompoko hoatrinona hianao? Diloilo injaton’ny barika, hoy io. Dia hoy ny mpitandrina taminy: Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimam-polo. Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: Hoatrinona kosa ny trosa aminao? Vary injaton’ny famarana, hoy izy. Dia hoy ilay mpitandrina: Raiso ny taratasinao ka soraty valopolo. Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana. Ka hoy aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo » (Lk. 16 : 1 – 9).

Vakiteny I : Am. 8:4-7,
Tononkira : Sal. 113:1-2,4-6,7-8,
Vakiteny II : 1. Tim 2:1-8,
Evanjely : Lk. 16:1-13,

Ny marina mitavozavoza tokoa tsy maha resy ny lainga tsara lahatra hoy ny ohabolan-dRazantsika, izany no nilazan’i Jesoa fa « hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana ». Mazava araka izany fa ny hanasa antsika hiaina ao anatin’ny fifampitokisana sy fahamarinana tanteraka no antony nanaovan’i Jesoa io fanoharana io. Tsy azo afenina ary tsy mahamenatra ny milaza fa tena manjaka amin’izao andro iainantsika izao tokoa ny tsy fahamarinana sy ny kolikoly isan-karazany. Tsy zava-baovao anefa izany fa efa hatramin’ny ela ary tsampan’i Jesoa fa ny fiarahamonina nisy azy dia nanjakan’izany tsy fahamarinana sy kolikoly izany ka nahatonga azy hiteny sy hananatra mafy ny mpianany mba tsy hanaraka izany fanaon’ny olona izany fa hijoro ho modely ka hampanjaka ny fahamarinana sy hiaina ny fifampitokisana eo anivon’ny fiarahamonina. Voalazan’i Jesoa ihany koa fa « Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena ». Fahita tokoa ny tahaka izany eny anivon’ny fiarahamonina eny, toa mahasarika kokoa ary indraindray aza dia malaza kokoa ny olona fetsifetsy noho ny olona manao ny fahamarinana. Manoloana izany dia tsimaintsy mijoro ho modely isika Kristianina ka hampanjaka ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana ary ny fahamarinana. Isika vita Batemy rehetra no manana adidy amin’izany satria isika no mahalala ny fampianaran’i Jesoa ka araka ny voalazantsika teo dia natao hiainana ny Tenin’Andriamanitra fa tsy natao hohenoina fotsiny.

Tena zava-dehibe tokoa ny fifampitokisana sy ny fahamarinana, izany indrindra no anasan’i Jesoa antsika amin’ny alalan’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana androany ity. Ambaran’i Jesoa amintsika ary fa : « Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky koa amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina hianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay anareo hianareo, iza no hanome anareo izay anareo? ». (Lk. 16 : 10 – 12). Ny namaranan’i Jesoa ny fampianarany amin’ity Evanjely androany ity moa dia ny filazany mazava tsara fa : « Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena hianareo » (Lk. 16 : 13). Hitantsika amin’izao fa tsy afa-misaraka ny fifampitokisana sy ny fiainana ny fahamarinana ary ny fanompoana an’Andriamanitra fa tsy ny harena.

Tsara ho marihina ihany anefa fa tsy hoe tian’Andriamanitra hijaly sy hahantra isika. Ny hananantsika fiainana milamina sy manana ny ampy no tena faniriany saingy izay fanana ny ampy izay tsy natao handaozantsika azy fa natao indrindra hanantonantsika azy bebe kokoa. Noho izany ny vola aman-karena izay ananantsika dia tsy natao hotompoina fa natao indrindra hanasoavana ny ankohonana sy ny namana ary indrindra natao ho fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Miara-mivavaka ary isika androany mba tena hanjaka eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tokoa ny fifampitokisana sy ny fahamarinana. Isika vita Batemy rehetra no tokony hanome ohatra ho tahafin’ny olona voalohany indrindra amin’izany. Angatahantsika amin’Andriamanitra ihany koa ny fahasoavany mba hirotsaka amintsika tsirairay avy hananantsika fiainana milamina hahafahantsika manompo azy ao anatin’ny fiadanam-po, ka izay rehetra ananantsika dia tsy nataontsika hifinkirana fa entintsika hitiavana sy hanompoana azy. Izy no loharano ipoiran’ny fahasoavana rehetra, ka na ny harena hita maso izay anantsiaka aza, dia tsy avy amintsika fa mbola fanomezana avy aminy. Rariny ary isika raha hidera sy hanompo azy mandrankariva satria tia antsika izy.

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

Hevitra mandeha

Arotia ( 23/09/2013 09:30)
Salama eh!

Mba afaka mahazo ny loko tokony ampiasaina ao am-piangonanana araka ny vanim-potoana litorjika ve azafady? Izany hoe ny lamban'ny otely sy ny lamba eny amin'ny rindrina no tiako ho lazaina.
Misaotra mialoha amin'ny velin-teny mahafa-po.

Mazotoa.

Arotia.


admin ( 23/09/2013 11:09)
Jereo eto: http://katolika.org/katolika/tetiandro


Arotia:

Salama eh!

Mba afaka mahazo ny loko tokony ampiasaina ao am-piangonanana araka ny vanim-potoana litorjika ve azafady? Izany hoe ny lamban'ny otely sy ny lamba eny amin'ny rindrina no tiako ho lazaina.
Misaotra mialoha amin'ny velin-teny mahafa-po.

Mazotoa.

Arotia.



Arotia ( 24/09/2013 09:23)

Salama eh!
Misaotra betsaka fa tena voavaly ny fanontaniana.Tena mahafa-po.
Amin'ny manaraka ndray ô!
Mazotoa.

Arotia.



Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779