Izaho koa tsy hanameloka anao… Mandehana, ka aza manota intsony

 

Alahady 17 martsa 2013

Alahady Fahadimy amin’ny Karemy

 

Nambarantsika teto tamin’ny Alahady heriny fa tohizantsika hatrany ny vavaka ho an’ny Fiangonana manontoko indrindra tamin’izao fotoan-dehibe niandrasantsika Papa vaovao hitondra ny Fiangonana izao. Nambara tamin’izay fa tamin’ny Talata lasa teo no nanomboka ny fotoan-dehibe nifidianan’ireo Kardinaly Mpifidy izay ho Papa vaovao, ary voalazantsika tamin’izay ihany koa fa « azo inoana araka izany fa amin’ny herin’ny androany tahaka izao dia efa hahazo Papa vaovao isika ary hitondra am-bavaka azy hahatontosa ny adidy izay miandry azy. » Niherina tokoa ity ny Alahady fa dia tanteraka soa aman-tsara izay fifidianana ny Papa vaovao izay ka niarahan-tsika nandre tamin’ny Alarobia hariva lasa teo fa voafidy hitondra ny Fiangonana ny Papa François. Tsara ho marihina fa diso ny fiantsoana azy ho Papa François Voalohany na antsoin’ny teny Frantsay hoe François Ier. Izy no Papa voalohany mitondra io anarana io ka any aoriana any raha misy ny Papa mifandimby ka manapan-kevitra hitondra izany anarana izany dia izay vao misy ny Papa François Faharoa ka amin’izay ity Papa vaovao ankehitriny ity no hatsoina hoe Papa François Voalohany fa amin’izao aloha dia antsoina hoe Papa François fotsiny izy. Miara-misaotra an’Andriamanitra ary isika amin’izao nahavoafidy ny Papa vaovao izao ary mitondra am-bavaka azy ihany koa mba hanana ny hery sy ny fahasalamana feno izy hoentiny manatanteraka izao adidy lehibe sy mavesatra angatahana aminy izao.


Vakiteny I : Iz. 43:16-21,
Vakiteny II : Fi. 3:8-14,
Evanjely : Jo. 8:1-11,

 

Mankalaza ny Alahady Fahadimy amin’ny Karemy isika izao. Azo lazaina fa mamaram-parana sahady ny fankalazana ny Karemy isika satria amin’ny herin’ny androany isika dia efa hankalaza ny Alahadin’ny Sapankazo. Niverimberina tamin’ireo Vakiteny naroson’ny Fiangonana ho antsika ny maha zava-dehibe ny fivavahana sy ny fibebahana. Hatramin’ny nanombohantsika izay Karemy izay dia voalaza ombieny ombieny fa ohatra velona alaintsika tahaka i Jesoa amin’ny fivavahana ka mahatonga antsika ihany koa hanao ezaka amin’izay vavaka izay mandritra izao Karemy izao. Ny Evanjely izay aroso amintsika androany dia mbola manamafy izany. Voalazan’ity Evanjely ity tokoa fa nandeha nankany an-tendrombohitra Oliva i Jesoa, « fa nony maraina koa vao niverina tany an-tempoly izy, ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo izy » (Jo. 8: 2). Midika izany fa nandritra ny alina no nandehan’i Jesoa tany an-tendrombohitra Oliva, tsy natory fa nivavaka sy nihaona tamin’Andriamanitra Ray araka ny efa fanaony mahazatra. Hitantsika araka izany fa tian’ny Fiangonana hohamafisina amintsika hatrany ny fampianarana mahakasika ny maha zava-dehibe ny vavaka amin’izao Karemy izao ka anomezana antsika ny Evanjely mitantara ny nataon’i Jesoa ka amahatonga antsika hahatsapa fa tena ohatra velona tsimaintsy halaintsika tahaka tokoa izy satria mitaona antsika hihaona tsy tapaka amin’Andriamanitra Ray.

Tsy izany ihany fa mbola hamafisin’ity Evanjely androany ity ihany koa ny maha zava-dehibe ny famelan-keloka sy ny fibebahana. Efa nohazavaintsika nandritra izao Karemy izao ny maha zava-dehibe ny Sakramentan’ny Fampihavanana ary manamafy izany hatrany ny nataon’i Jesoa manoloana ilay vehivavy nomelohin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana fa hoe azo nijangajanga. « Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana, ka narosony teo afovoany. Dia hoy izy tamin’i Jesoa: Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. Ary Moizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa hianao kosa mba ahoana, hoy hianao? » (Jo. 8: 3 – 5). Ny haka fanahy an’i Jesoa, mba hisy hiampangana azy anefa no tena nitondran’ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana ity vehivavy ity teo anatrehany ka nahatonga an’i Jesoa tsy namaly avy hatrany. Volaza mazava amin’ity Evanjely ity fa « Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tànany teo amin’ny tany. Ry zareo aminizany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany azy ihany » (Jo. 8: 6 – 7). Azo heverina fa tena tabataba sy horakoraka be no nataon’ireto mpanora-dalàna sy ny Farisiana ireto sy ireo izay niaraka tamin’izy ireo ka nahatonga an’i Jesoa hitraka sy nanao tamin’izy ireo hoe: « Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » (Jo. 8: 7). Fantantsika ny tohin’ny tantara fa niverina niondrika indray Jesoa ka nanoratra teo amin’ny tany toy ny nataony teo aloha. « Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka Jesoa, ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va? Tsy nisy, Tompoko, hoy izy. Izaho koa tsy hanameloka anao, hoy Jesoa. Mandehana, ka aza manota intsony » (Jo. 8: 9 – 11).

Hitantsika amin’izao ny halehiben’ny famindrampon’Andrimanitra izay nambaran’i Jesoa fa tsy tonga hanameloka ny mpanota izy fa hamonjy sy hanome famelan-keloka. Manamafy ny fanoharana nataon’i Jesoa izay henontsika tamin’ny Alahady heriny ity fihetsika nataon’i Jesoa ity. Voalaza tamin’io fanoharana io fa tsy nanameloka ilay zaza mpandany ilay Ray be fitiavana fa nadray azy sy nanoroka azy ary namela ny helony. Izao fihetsika ataon’i Jesoa izao anefa tsy midika fa manaiky ny fahotana ataointsika izy na mamporisika antsika hanota. Ny halehiben’ny famelan-keloka no ambarany eto ary anasany antsika hiaina ao anatin’ny fahamasinana ka tsy hilomano ao anatin’ny fahotana. Izay no nilazany fa « Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony » (Jo. 8: 11). Midika izany fa tian’i Jesoa ny hialantsika amin’ny fahotana ary hiombonantsika aminy izay mamela ny fahotana vitantsika rehefa manantona azy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika. Miara-mivavaka ary isika mba tena ho vonona hibebaka sy hiova toetra marina tokoa amin’izao fiomanana amin’ny Fankalazantsika ny Paka izao ka handresy ny fahazaran-dratsy sy ny kilema isan-karazany, amin’izay dia ho tonga olom-baovao isika tahaka an’i Kristy nitsangan-kovelona nandresy ny fahafatesana.

P. Louis Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.034