Iza moa ity no mamela heloka?

Alahady 16 jona 2013
Alahady Faha – 11 tsotra Mandavan-taona

 

Ao anatin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan – taona tanteraka isika izao, nambarantsika tamin’ny Alahady heriny izay nanombohan’ny fiverenantsika amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan – taona fa isaky ny mandray ny Sakramenta isika indrindra ny Batemy, ny Eokarisitia ary ny Fampihavanana dia mahazo aina vaovao satria efa maty noho ny ota vitantsika olombelona isika saingy mitsangana sy mahazo aina vaovao noho ireo Sakramenta izay raisitsika avy amin’i Jesoa ireo. Azo lazaina fa mifampitohy ny voalazan’i Jesoa tamin’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny sy ny Evanjely izay vakiana amintsika androany. Raha tadidintsika dia ny fananganan’i Jesoa ho velona ny zanak’ilay vehivavy mpitondratena tao Naima no nambaran’ny Evanjely tamin’ny heriny. Androany kosa dia ny fifandraisana lalina nisy teo amin’i Jesoa sy izay heverin’ny olona fa mpanota no voalazan’ny Evanjely izay aroso amintsika androany. « Nisy Farisiana anankiray nanasa an’i Jesoa hiara-hihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisiana izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisiana Jesoa, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra » (Lk. 7: 36 – 38)

Ny zavatra manaitra voalohany amin’ity Evanjely aroso antsika androany ity dia ny fahitana an’i Jesoa tsy manavakavaka fa mandray ny olona rehetra, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Eo amin’ny Fivavahana Jody dia olona miavaka ny manana ny toerany manonkana ny Farisiana. Matetika i Jesoa no mifamaly amin’izy ireo ary indraindray aza dia ambaran’i Jesoa mihitsy fa mpihatsaravela-tsihy ireo Farisiana ireo. Noho izay fifandonana matetika nisy teo amin’i Jesoa sy ny Farisiana izay dia azo lazaina fa anisan’ny mpanenjika sy fahavalon’i Jesoa ireo Farisiana ireo. Eto amin’ity Evanjely ity anefa dia nanaiky ny fanasana nataon’ny Farisiana iray Jesoa ary nanaiky hiara-mihinana aminy ihany koa. Tao anatin’izany fiaraha-miskafo izany anefa no tonga ihany koa ny vehivavy anankiray izay voalaza fa ratsy fitondran-tena tao an-tanàna. « Nony nahita izany ilay Farisiana nanasa azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany izy dia ho nahalala ny toetran’ity vehivavy mikasika azy, fa hoe mpanota io » (Lk. 7: 39). Hita miharihary eto ary fa niaraka noraisin’i Jesoa teo amin’ny toerana iray ny Farisiana izay mihevi-tena ho olo-marina sy ilay vehivavy anankiray ambaran’ny olona mpanota satria ratsy fitondran-tena tao an-tanàna.

Ny tiana hambara eto dia mazava fa mandray ny olona rehetra i Jesoa, tsy manavakavaka izy fa raisiny daholo na ireo mihevi-tena ho mendrika na ireo heverin’ny olona fa mpanota. Fampianarana lehibe ho antsika izany satria indraindray misy mihevitra fa tsy mendrika ny hiditra am-piangonana fa mpanota. Samy raisin’i Jesoa daholo na ny olo-marina na ny mpanota, ny hamonjy ny olona rehetra no nahatongavany ka na eo aza ny fahotana izay vitantsika olombelona dia mandray sy mamela heloka antsika izy. Izany indrindra no nahatonga azy niteny tamin’ilay vehivavy anankiray voalaza fa ratsy fitondran-tena tao an-tanàna manao hoe : « Voavela ny helokao » (Lk. 7: 48). Ary nampiany hoe : « Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana » (Lk. 7: 50). Niteraka fanontaniana ho an’ilay Farisiana sy ireo niara-nasaina teo anefa io fihetsika nataon’i Jesoa io satria voalazan’ity Evanjely androany ity fa « izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: Iza moa ity no mamela heloka? » (Lk. 7: 49).

Hitantsika amin’io fanontaniana mikasika an’i Jesoa io fa tsy fantatr’ireo nifanerasera taminy fa Andriamanitra Izy ary manana fahefana avy amin’Andriamanitra Ray hamela heloka. Fantatry ny Jody fa tsy misy afaka mamela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany ka izany no nahagaga azy ireo nandre ny tenin’i Jesoa hoe : « Voavela ny helokao ». Tsy ity vehivavy voalaza fa ratsy fitondran-tena ity ihany anefa no nandray izany famelan-keloka avy amin’i Jesoa izany fa ireo rehetra manantona azy amim-pinoana, ka mangataka amim-pahatsorana izay famelan-keloka izay. Mety manontany ihany koa isika manao hoe : « Iza moa ity no mamela heloka? » Saingy ho antsika mino dia mazava fa Andriamanitra tena Andriamanitra marina i Jesoa ary afaka mamela ny helon-tsika rehetra.

Ny Sakramentan’ny Fampihavanana no fomba tokana sy mendrika andraisantsika izay famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izay koa tsy sasatra ny Fiangonana miantso antsika mba hazoto handray izay Sakramenta izany. Tena fahasoavana tokoa ny mandray ny famelan-keloka amin’ny alalan’ny fanantonantsika ny Pretra handray ny Sakramentan’ny Fampihavanana ka tsy tokony hampisalasala antsika. Miara-mivavaka ary isika androany mba ho vonona mandrankariva hanantona an’i Jesoa mpamela heloka. Tsy mahamenatra ary tsy mampatahotra ny mikofesy fa fahasoavana ka aoka isika hanantona izany Sakramenta izany amim-pinoana satria isaky ny mikofesy isika dia mandray ny tsodrano avy amin’i Jesoa izay miteny amintsika hoe: « Voavela ny helokao… Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana ».

Vakiteny I : 2 Sam. 12:7-10,13,
Tononkira : Sal. 32:1-2,5,7,11,
Vakiteny II : Ga. 2:16,19-21,
Evanjely : Lk. 7:36-50,8:1-3,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717