Alahady 06 oktobra 2013
Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona
Ny finoana manova zavatra hoy ny fitenintsika matetika. Mahakasika izany finoana izany indrindra no fampianarana omen’i Jesoa antsika amin’ny alalan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona ity. Nandritra ny Alahady roa nifanesy izay dia ny mahazava-dehibe ny hifinkirana amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny harena no hevi-dehibe nampianarin’i Jesoa antsika. Mazava araka izany fa ny fifinkirana amin’Andriamanitra, izany hoe ny finoana azy amin’ny fo sy ny saina manontolo, no lalan-tokana mitarika antsika hahazo ny famonjena satria araka ny voalaza ao amin’ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia ny hahazoana ny famonjena no ilaina ny finoana. « Ny mino an’i Jesoa-Kristy sy an’Ilay izay naniraka Azy ho famonjena antsika, dia ilaina mba hahazoana io famonjena io. Satria “raha tsy misy ny finoana (…), dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra” (Heb 11,6), ary tsy afaka mahazo anjara amin’ny toetra maha-zanany ; tsy misy olona hahita fanamarinana na oviana na oviana raha tsy misy finoana, ary tsy misy olona hahazo ny fiainana mandrakizay raha “tsy maharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany” (Mt 10, 22 ; 24,13). » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 161). Io mahazava-dehibe ny finoana io indrindra no nahatonga ny Apostoly nangataka tamin’i Jesoa nanao hoe: « Ampitomboy ny finoanay » (Lk. 17: 5). Tsotra dia tsotra anefa ny valin-teny nomen’i Jesoa azy ireo satria « hoy ny Tompo: Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray hianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: Miongòta ka mifindrà any anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy » (Lk. 17: 6). Manoloana io fangatahan’ny Apostoly sy ny valin-teny nomen’i Jesoa io dia manontany tena isika ny amin’izay tena dikan’ny hoe « mino » na ny hevitry ny teny hoe « finoana ».
Iarahantsika mahalala sy miaina fa ao anatin’ny taona natokana hankalazana ny finoana isika izao, efa mamaram-parana izany mihitsy aza. Niverimberina nandritra ity taona ity io teny hoe « finoana » io. Mety maro ny fanazavana efa henontsika mahakasika izany, saingy tsara hatrany ny mamerimberina ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika izany mba ho azontsika marina ny tena dikan’ny inoantsika. Ity Evanjely aroson’ny Fiangonana androany ity no mampahatsiaro antsika ny mahazava-dehibe ny fandalinana ny finoana ka tsara ny andalinantsika misimisy kokoa izay fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny finoana izay. Raha ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika no raisina dia mazava tsara ny fanazavana voalaza ao araka izao anambarantsika azy izao: « Rahefa manambara ny finoantsika isika, dia izao no teny anombohantsika izany : “Izaho mino” na “Inoanay”. Alohan’ny hamelabelarana ny finoan’ny Fiangonana araka izay ambara ao amin’ny Izaho mino, ankalazaina ao amin’ny litorzia, iainana amin’ny fanatanterahana ny Didy sy amin’ny fivavahana, aoka aloha isika hanontany tena ny amin’izay dikan’ny hoe “mino”. Ny finoana dia valy ataon’ny olombelona amin’Andriamanitra izay manambara ny Tenany sy manolotra ny Tenany aminy, sady mitondra koa fahazavana mihoa-pampana amin’ny olombelona mikatsaka ny dikan’ny fiafaran’ny fiainany. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 26).
Araka io famaritana io ary dia azo lazaina fa fahasoavana manonkana avy amin’Andriamanitra ho antsika ny finoana satria araka ny fampianarana voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika hatrany dia: « Rahefa niaiky i Md Piera fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, dia nambaran’i Jesoa azy fa izany fanambaràna izany dia tsy tonga tao aminy “avy amin’ny nofo aman-dra, fa avy amin’ny Rainy izay any an-danitra” (Mt 16,17). Fanomezan’Andriamanitra ny finoana, herim-panahy mihoatra ny natoraly nampitain’Andriamanitra. Mba ho voaraikitra izany finoana izany, ilain’ny olombelona ny fahasoavana mahakolokolo sy mitahy avy amin’ Andriamanitra, ary koa ny vonjy anaty avy amin’ny Fanahy Masina. Izy io no manohina ny fo sy mampitodika izany any amin’Andriamanitra, manokatra ny masom-panahy ary manome “ho an’ny rehetra ny hamamiana eo am-panekena sy eo am-pinoana ny fahamarinana. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 153).
Vakiteny I : Hab. 1:2-3,2:2-4,
Tononkira : Sal. 95:1-2,6-7,8-9,
Vakiteny II : 2. Tim 1:6-8,13-14,
Evanjely : Lk. 17:5-10,
|
Amin’ny maha fahasoavan’Andriamanitra ny finoana anefa dia tsy am-bava fotsiny no anambarana izany fa natao hiainana sy hivelomana ary hampiharina amin’ny fiainana andavan’andro. Araky ny voalan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia asan’olombelona ihany koa ny finoana. « Tsy mety ho tanteraka ny hoe mino raha tsy amin’ny alalan’ny fahasoavana sy ny vonjy anaty avy amin’ny Fanahy Masina. Izany anefa tsy mandiso velively ny hoe ny mino dia tena asan’olombelona tokoa. Tsy mifanohitra na amin’ny fahafahana na amin’ny fisainan’ny olombelona ny matoky an’ Andriamanitra sy ny mifikitra amin’ny fahamarinana nambarany. Na amin’ny fifandraisan’ny samy olombelona aza moa, tsy mifanohitra amin’ny fahamendrehan’ny tenantsika ny mino izay ambaran’ny olon-kafa amintsika momba ny tenan’izy ireo sy momba ny fikasany aman’eritreritr’izy ireo, sy ny matoky ny fampanantenan’izy ireo (ohatra : rahefa hivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray), mba hidirana araka izany ao amin’ny fifampiombonana. Koa noho izany, vao mainka tsy mifanohitra amin’ny fahamendrehantsika ny “maneho amin’ny finoana ny fankatoavana feno sy manontolo avy amin’ny saina amam-pahalalantsika sy ny sitrapontsika takìn’Andriamanitra izay manambara”, ka hidirana araka izany amin’ny fiombonana lalina miaraka Aminy. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 154). Raha fintinina izany io voalaza ao amin’ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io dia mazava fa « amin’ny finoana, ny saina amam-pahalalana sy ny sitrapon’olombelona dia miara-miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra : “Ny mino dia asan’ny saina mifikitra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, eo ambany fibaikoan’ ny sitrapo hetsehin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavana. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 155).
Raha ireo fampianarana voalaza ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireo ary no dinihina lalina, dia azo lazaina fa tena zava-dehibe ho antsika Kristianina tokoa ny miaina ny finoana. Adidy lehibe mipetraka amintsika tsirairay avy noho izany ny fiainana eo anivon’ny fiarahamonina izay finoana anantsika izay. Tsy natao hotanana samy irery anefa izy io fa natao hozaraina sy hampitaina amin’ny hafa, indrindra amin’ny ankohonana. Izay no anamafisan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa « asan’ny tsirairay ny finoana : valin-teny an-kalalahan’ny olombelona avy amin’ny fanombohan’Andriamanitra manambara ny Tenany. Kanefa tsy asa mandeha singany ny finoana. Tsy misy afaka mino irery, tahaka ny tsy hahafahana miaina irery. Tsy misy afaka manome ny finoana amin’ny tenany ihany tahaka ny tsy hahafahana manome ny aina amin’ny tenany ihany. Nandray ny finoana tamin’ny hafa ny mpino, ka tsy maintsy mampita izany amin’ny hafa. Ny fitiavantsika an’i Jesoa sy ny olombelona no manosika antsika hiteny ny finoantsika amin’ny hafa. Araka izany, ny mpino tsirairay dia sahala amin’ny mason-drojo iray ao anatin’ny rojo ben’ny mpino. Tsy afaka hino aho raha tsy tohanan’ny finoan’ny hafa, ary amin’ny alalan’ny finoako no andraisako anjara hanohana ny finoan’ny hafa. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 166). Miara-mivavaka ary isika androany mba hihamafy hatrany izay finoana anantsika izay. Tahaka ny Apostoly dia hitalaho amin’i Jesoa isika mba hampitomboiny ny finoantsika mba hahafahantsika mampita izany finoana izany ihany koa amin’ny hafa. Voarakitra ao amin’ny vavaka Fiekem-pinoana ataontsika moa ny tena fototry ny finoana izay ivelomantsika amin’ny maha Krisitianina ka hiezaka isika mba hanao amin’ny fo madio tokoa io vavaka io ary tsy ho antendro-molotra ihany no hanaovana izany vavaka Fiekem-pinoana izany fa tena avy amin’ny fontsika tokoa satria ny fanaovana io vavaka io amin’ny fo tokoa no porofo hita maso fa tena manam-pinoana tokoa isika.
P. Louis Martin
Assomptionniste