Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa

 

 

Alahady 07 aprily 2013

Alahady faharoan’ny Paka

Efa voalazantsika teto tamin’ny Alahady heriny izay nankalazantsika ny Paka fa tsy tantara noforonina ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fa tena zava-nisy marina satria ireo nahita maso ny zava-niseho rehetra no vavolombelona manambara izany. Manafy izany ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amintsika amin’izao Alahady faharoan’ny Paka izao. Tsy hoe andro vitsivitsy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty i Jesoa vao niseho fa ny harivan’ny andron’ny Paka ihany izy dia efa niseho tamin’ny mpianatra. « Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! » (Jo. 20 : 19). Voaporofo mazava tsara eto izany fa ny andro voalohan’ny herinandro no nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty izany hoe ny andro Alahady. Md Joany izay anisan’ny mpiantry Jesoa no nanoratra ity Evanjely ity ka azo antoka ny fahamarinan’ny zavatra ambarany satria nahita maso izany fisehoan’i Jesoa izany izy. Ny marainan’ny andro voalohan’ny herinandro izy dia efa nahita ny fasana foana ka nilaza fa « niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino » (Jo. 20 : 8). Manamafy izany finoana nanan’i Joany izany ny filazany amin’ny Evanjely androany fa « Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jeso teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny anarany, amin’ny finoana azy » (Jo. 20 : 30 – 31).

Teny mafonja ary manan-danja lehibe ho antsika io fampianaran’i Md Joany ny amin’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty io. Sarotra tokoa ny hiaky fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa raha tsy manam-pinoana isika. Io fitsanganany tamim’ny maty io anefa no porofo fa tena Kristy Zanak’Andriamanitra tokoa izy, izany hoe tena Andriamanitra nietry tena ho tonga olombelona ho fanavotana antsika. Raha amin’ny maha olombelona dia sarotra tokoa ny miaky fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa, eny fa na dia ny mpianatra aza dia hita fa sahirana sy nisalasala teo ampahitana an’i Jesoa niseho tamin’izy ireo. Ohatra lehibe amin’izany ny tsy finoan’i Tomà izay ambaran’ny Evanjely androany. « Fa Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin’ireo: Raha tsy hitako ao amin’ny tànany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin’ny lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho » (Jo. 20 : 24 – 25).

Zavatra mpahazo antsika olombelona io toetra nanan’i Tomà io, matetika tokoa isika dia tsy afaka hino raha tsy mahita porofo, indrindra amin’izao vanin’andro iainantsika izao izay mampiroborobo fatratra ny fitaovam-pifandraisana sy ny fikarohana samy hafa ka mahatonga ny olona tsy hino zavatra iray raha tsy mahita porofo mazava sy azo tsapain-tanana. Tsotra anefa ny valin-teny izay omen’i Jesoa an’i Tomà ary ambarany amintsika ihany koa : « Nino hianao, ry Tomà, satria nahita ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino » (Jo. 20 : 29). Mazava ny tenin’i Jesoa amintsika fa « sambatra izay tsy nahita ka nino ». Izay finoana izay no tanantsika ary mahatonga antsika hivavaka ka hiaky fa tena velona tokoa i Jesoa ary nitsangana tamin’ny maty na dia efa tany amin’ny roa arivo taona lasa tany aza no nisehoan’izany tantara izany.

Maro ireo manam-pahaizana sy mpikaroka no miezaka hitady porofo ny amin’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fa hatramin’izao aloha dia tsy misy afaka hanamarina izany amin’ny alalan’ny fikarohana ara-siansa. Tsy ilaina anefa izany ary sasa-poana izay manao izany satria ny porofo mazava milaza ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia ny voalazan’ny Evanjely ka ho antsika izay mino dia tsy tokony hametraka fisalasalana ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mpianatra izay nahita maso azy rehefa tafatsangan-kovelona Izy. Inona tokoa moa no hilantsika ny porofo ara-siansa raha toa ka efa mazava ny voalazan’ny Evanjely ? Azo lazaina ary fa tena notanterahin’ny mpianatra tokoa ny hafatra napetrak’i Jesoa izay nilaza fa « tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20 : 21). Na teo aza ny tahotra nanan’ny mpianatra rehefa nandray ny Fanahy Masina izy ireo dia tsy nisalasala fa nitory tamin-kasahiana fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa. Porofon’io fahasahian’ny mpianatra nitory ny fitsanganan-kovelona io dia maro ireo nanara-dia azy ireo araka ny voalazan’ny Vakiteny Voalohany androany. « Nitombo isa isan’andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy, ka dia nentiny teny an-dàlambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy » (Asa. 5 : 14 – 15).

Hitantsika amin’izao fa ny asa nataon’i Jesoa mihitsy no notohizan’ny mpianatra. Nitory ny Vaovao Mahafaly izy ireo, nanasitrana ny marary ary nadroaka ny demony tamin’ny alalan’ny famelan-keloka satria i Jesoa mihitsy no niteny tamin’izy ireo fa « raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana » (Jo 20 : 22 – 23). Izay fahefana nomen’i Jesoa izay no ifandovana ato amin’ny Fiangonana ka mahatonga antsika ihany koa hanantona amim-pitokiana ny Sakramentan’ny Famelan-keloka dia ny Sakramentan’ny Fampiahavanana izany. Ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity moa no antsoina ihany koa hoe Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra, koa miara-mitalaho izay famindram-pon’Andriamanitra izay isika mba hirotsaka amintsika tsirairay avy. Iaraha-mahalala fa sarotra ny fiainana ankehitriny ary sarotra araka izany ihany koa ny miaina ny finoana nefa rehefa matoky izay fahasoavan’Andriamanitra izay isika dia azo antoka fa handray ny fiadanana avy aminy araka ny voalazan’i Jesoa tamin’ny mpianatra rehefa miseho izy manao hoe : « Ho aminareo anie ny fiadanana! ». Ho amintsika mandrakariva tokoa anie izay fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy izay, indrindra ho an’ny Firenentsika izay mandalo fotoan-tsarotra tokoa ankehitriny.

 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119