Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao

 

Alahady 14 aprily 2013

Alahady Fahatelo amin’ny Paka

Mitohy amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Paka izao ny fanomezan’ny Fiangonana ny Evanjely izay mitantara amintsika ny fisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Tsy tao an-trano toy ny mahazatra anefa no nisehoan’i Jesoa tamin’izy ireo fa teny amoron amoron-dranomasin’i Tiberiady. « Taorian’izany, dia niseho tamin’ny mpianany teo amoron-dranomasin’i Tiberiady indray Jesoa, ary toy izao no nisehoany. Tafaraka Simona Piera sy Tomà izay atao hoe Didimo, ary Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy Simona Piera tamin’izy ireo: Handeha hanarato aho. Fa hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny » (Jo. 21 : 1 – 3). Hita fa kivy tanteraka ireto mpianatra ireto ka tsy tafapetraka an-trano intsony fa niverina tamin’ny asa mahazatra fanaon’izy ireo talohan’ny niantsoan’i Jesoa azy ireo hanara-dia azy mba ho mpanarato olona.

 

Misy heviny lehibe ny fanomezana antsika ity Evanjely ity androany satria teo amoron-dranomasina no niantsoan’i Jesoa ny mpianatra voalohany hanara-dia azy. Raha tsiahivintsika ny Evanjely naroson’ny Fiangonana tamintsika, tamin’ny Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona (Taona D), dia voalaza tamin’izay fa rehefa noroahin’ny olona tao Nazareta tanana nahabe azy Jesoa dia tonga teo amoron’ny farihin’i Genezareta ary nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra (Lk. 5 : 1). Voalaza tamin’izay fa niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simona izy « ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka » (Lk. 5 : 3). Ary « rahefa nitsahatra niteny izy, dia nanao tamin’i Simona hoe: Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano; fa hoy ny navalin’i Simona azy: Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato. Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy triatra ny haratony » (Lk. 5 : 4 – 6). Fa « nony nahita izany Simona Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho; fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony » (Lk. 5 : 8 – 9). Tsy nohenoin’i Jesoa anefa izay fiangavian’i Simona azy hiala aminy izay fa novaliany mazava hoe : « aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona hianao » (Lk. 5 : 10). Ny niafaran’ny tantara moa tamin’izay dia voalaza fa « nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka azy » (Lk. 5 : 11).

Hitantsika araka izay fampahatsiahivana fohy ny niantsoan’i Jesoa ny mpianatra voalohany izay ary fa ireo mpianatra ireo ihany dia Simona Piera mbamin’ireo zanak’i Zebede no tafara-dia indray teo ka nandeha teny amoron-dranomasin’i Tiberiady mba hanarato. Tahaka ny zava-niseho tamin’ny niantsoan’i Jesoa azy ireo dia « tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny » (Jo. 21 : 3), saingy tonga niseho tamin’izy ireo i Jesoa tafatsangan-kovelona ka niteny tamin’izy ireo hoe « manan-kanina va hianareo, anaka? Dia hoy ny navaliny azy: Tsia. Alatsaho ao an-kavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, hoy izy tamin’izy ireo, fa hahazo hianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano (Jo. 21 : 5 – 7). Gaga sy talanjona ireto mpianatra ireto nahita ity fahagagana lehibe ity ary tonga saina avy hatrany fa i Jesoa no manoloana azy ireo, izany indrindra no voalazan’ity Evanjely androany ity : « ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: Ny Tompo io. Nony ren’i Simona Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy » (Jo. 21 : 8). Na teo aza anefa izay filazana nataon’i Joany tamin’ny Piera izay dia hita fa nisalasala ihany izy ireo araka ny voalaza eto hoe : « ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany azy hoe: Iza moa hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rahefa nitsangana tamin’ny maty izy » (Jo. 21 : 12 – 14).

 

Vakiteny I : Asa. 5:27b-32,40b-41,
Vakiteny II : Apok. 5:11-14,
Evanjely : Jo. 21:1-19,

Nony avy nisakafo izy ireo, dia nanantona manokana an’i Simona Piera i Jesoa ary nanontany azy in-telo nanao hoe « Ry Simona zanak’i Joany, moa tia ahy mihoatra noho ireto va hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. » (Jo. 21 : 15 – 17). Tamin’ny fanontaniana fahatelo aza dia voalaza fa « nalahelo Piera fa nontaniany fanintelony hoe: Moa tia ahy va hianao? ka hoy izy taminy: Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao » (Jo. 21 : 17). Tadidin’i Piera tsara ny zavatra nataony satria nandà in-telo an’i Jesoa izy ka nanontanian’i Jesoa in-telo ihany koa raha tena tia azy marina. Noho ny valin-teny mazava nomen’i Piera dia naniraka azy i Jesoa mba ho mpiandry ondry mahatoky. Mazava amintsika eto fa teo amoron-dranomasina no niantsoan’i Jesoa an’i Piera ho mpanarato olona ary dia teo ihany koa no nanavaozan’i Jesoa izay antso izay ka nilazany hoe « fahano ny zana’ondriko » (Jo. 21 : 15 – 16), « fahano àry ny reniondriko » (Jo. 21 : 17).

Manomboka eto dia hita fa afaka tanteraka ny tahotra nanan’i Piera sy ny mpianatra rehetra satria ny famalian’i Piera ny fanontaniana napetraky Jesoa dia midika fahavononana fa tsy hivadika aminy intsony mandram-pahafaty. Ny fampianarana azontsika raisina amin’ity Evanjely androany ity dia mazava fa na ireo mpianatra niara-dia tamin’i Jesoa nandritra ny androm-piainany aza dia hita fa nisalasala foana rehefa nahaita an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty. Ity Evanjely androany ity no milaza amintsika fa ity no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rahefa nitsangana tamin’ny maty izy nefa dia mbola teo amin’izy ireo ihany ny fisalasalana sy ny hakiviana. Anatin’ny fankalazana ny Paka tanteraka isika izao. Efa Alahady fahatelo amin’ny Paka androany ka manainga antsika ny Fiangonana hanamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa tafatsangan-kovelona. Efa mazava ny fampianaran’ny Evanjely ka tsy misy tokony hampisalasala antsika. Taonan’ny Finoana rahateo izao ka angatahantsika mandrakariva ny fanilovan’ny Fanahy Masina mba hanamafy ny finoantsika. Tahaka an’i Piera ary dia aoka isika samy ho vonona handray ny fanontanian’ i Jesoa manao hoe : « moa tianao va aho? » ka hamaly izany tsy amim-pisalasalana manao hoe : « Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao ». Mahalala ny zavatra rehetra tokoa ny Tompo ary miantso antsika ihany koa ka miara-mivavaka isika androany mba tena ho tia azy marina tokoa mandritra ny androm-pianantsika rehetra.


 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102