Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo!

 

Alahady 24 martsa 2013

Alahadin’ny Sampakazo

 

Mankalaza ny ny Alahadin’ny Sampakazo isika androany, midika izany fa miditra anatin’ny Herinandro Masina isika izay ankalazantsika ny Mistery nanavotan’i Jesoa antsika tamin’ny nanolorany ny tenany ho faty saingy nitsangan-kovelona mba hitarika ny olona rehetra amin’ny fahasambarana mandrakizay. Ireo Vakiteny Masina aroson’ny Fiangonana ho antsika manomboka amin’izao Alahadin’ny Sampakazo izao dia manainga antsika handinika lalina izay Misterin’ny fanavotana antsika izay. Misy roa moa ny Evanjely vakiana amintsika androany, dia ny Evanjely aroso antsika mandritra ny fitsofan-drano ny sampakazo sy ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy. Ny Evanjely voalohany no mitantara amintsika ny nidiran’i Jesoa tamin’ny fomba manetriketrika tao Jerosalema ka nihobian’ny olona azy ho Mpanjaka. Ary voalazan’ity Evanjely ity aza fa tamin-kafaliana no nandraisan’ny olona azy. « Nony nandroso izy, dia novelaran’ny olona ny fitafiany ny làlana. Ary rahefa mby akaikin’ny fidinana amin’ny tendrombohitra Oliva izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, noho ny fahagagana rehetra hitany. Hankalazaina anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin’ny avo indrindra! » (Lk. 19 : 36 – 38). Tsy Mpanjaka araka ny fihevitr’olombelona anefa no nisehoan’i Jesoa teo anivon’ny olona fa Mpanjaka manetry tena sy malemy fanahy. Tamin’izany fotoana izany moa dia soavaly sy kalesy no itaingenan’ny mpanjaka, fa ny an’i Jesoa kosa dia ampondra no mba nitaingenany, ny ampondra izay ny olon-tsotra sy ny mahantra no mampiasa azy. Mampahatsiaro antsika an’i Maria sy Josefa rehefa nadeha nisoratra anarana tany Betelehema sy nandositra tany Ejipta izany, tamin’ny fotoana niterahana an’i Jesoa.

Izao fankalazana ny Sampakazo izao ary no ampahatsiarovana antsika fa Mpanjaka i Jesoa ary tonga hitarika antsika amin’ny lala-marina Izy. Ny fitsofan-drano ny sampakazo izay entintsika androany no manambara fa mandray an’i Jesoa ho Mpanjaka isika ary manaraka ny lalana soritany ho antsika. Tsy Mpanjaka mahery na manam-pahefana tahaka ny mpanjaka mifehy izao tontolo izao anefa izy fa Mpanjaka manetry tena sy mitarika antsika hanana fanetren-tena sy hanaiky hanolo-tena ho fanavotana ny hafa. Izay fanoloran-tena izay indrindra no mahatonga ny Fiangonana hanome antsika ihany koa androany ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy. Mazava araka izany fa tsy afaka misaraka ny maha Mpanjaka an’i Jesoa sy ny fanoloran-tenany hijaly sy ho faty mba ho fanavotana antsika olombelona.

Frantatr’i Jesoa rahateo fa tonga ny fotoana izay hanantanterahany ny iraka nampanaovina azy dia ny fanolorany ny tenany hovonoina ho fanavotana antsika olombelona. « Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana izy sy ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy izy tamin’izy ireo: Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo aho alohan’ny hijaliako, fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana azy intsony aho mandra-pahatanterany any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ». (Lk. 22 : 14 – 16). Hitantsika amin’izao fa efa nomanin’i Jesoa ny fon’ny Apostoly nandritra ny sakafo farany niarahany tamin’izy ireo ka nanambarany mazava tsara fa « Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay alatsaka ho anareo. Kanefa indro ny tànan’izay mamadika ahy efa mby eto amiko eto ambony latabatra. Raha ny Zanak’olona, dia mandeha araka ny lahatra; fa loza ho an'izay lehilahy hamadika azy ». (Lk. 22 : 21 – 22). Vao nandre izany teny nataon’i Jesoa izany ny Apostoly dia nifanontany hoe iza re no dia hahavita izany ?

Tsy mahagaga raha hifanontany tahaka izany ireo Apostoly ireo satria Mpanjaka vao nohibin’ny vahoaka no fahitan’izy ireo an’i Jesoa ka tsy azon’izy ireo eritreretina fa ilay Zanak’Andriamanitra sady Mpanjaka no hisy hampijaly sy hamono. Amintsika olombelona dia sarotra ny mahazo izany fa eo anatrehan’Andriamanitra kosa dia efa voalahatra izany ary efa fantatr’i Jesoa mialoha amin’ny maha Andrimanitra azy. Izany no nilazany hoe : « Raiko! raha sitrakao, halaviro ahy ity kapoaka ity; ny sitra-ponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny ahy » (Lk. 22 : 42). Tena fanantanterahana ny sitrapon’Andriamanitra Ray tokoa no nahatonga an’i Jesoa nanaiky hampijaliana sy ho faty mba ho fanavotana antsika olombelona mpanota. Tena tanteraka tokoa eto ny filazany fa « Amin’ny jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanao soa; fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay mandidy no ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin’ny latabatra va sa ny manompo? Moa tsy ny mihinana amin’ny latabatra va? Ary izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo » (Lk. 22 : 25 - 27).

Izay maha mpanompo an’i Jesoa izay no nahatonga azy nanaiky ary tsy natahotra ny ho faty mba hahazoantsika ny famonjena. Misaotra an’i Jesoa isika nanaiky ho faty ho famonjena antsika. Fa mba firy amintsika moa no vonona ho faty ho famonjena ny namana? Fotoana fandinihan-tena izao Herinandro Masina iomanana amin’ny Paka izao ka hangataka ny fahasoavan’Andriamanitra ary isika mba tena hahatsapa tokoa fa raha tsy nahafoy ny ainy ho antsika i Jesoa Kristy dia zava-poana ny finoantsika ary tsy ho nahazo ny famonjena avy amin’Andrimanitra Ray isika. Miara-mivavaka isika mba tena ho vonona tokoa handray an’i Jesoa izay nijaly sy maty ary nitsangan-kovelona ho antsika.

 

Vakiteny I : Iz. 50:4-7,
Vakiteny II : Fi. 2:6-11,

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0606