Alahady 21 jolay 2013
Alahady Faha – 16 tsotra Mandavan-taona
Anisa’ireo vehivavy masina mpiara-dia amin’i Jesoa ary mpikarakara azy miaraka amin’ny mpianatra ry Marta sy Maria. Maromaro ireo andalan-tsoratra masina no milaza fa matetika i Jesoa sy ny mpianany no mian-trano ao amin’izy ireo. Azo lazaina izany fa anisan’ireo mpanao soa an’i Jesoa sy ny mpianany izy mirahavavy ireto. Io fahatongavan’i Jesoa tao amin’ny tranon’i Marta sy Maria io indrindra no tantarain’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amintsika amin’izao Alahady Faha – 16 tsotra Mandavan-taona izao. « Raha mbola nandeha izy ireo dia niditra tamin’ny vohitra anankiray Jesoa, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy » (Lk. 10: 38 – 39). Araka ny voalazan’ny Soratra Masina dia anabavin’i Lazara izay natsangan’i Jesoa tamin’ny maty izy mirahavavy ireto, saingy tsy voalaza amin’ity Evanjely androany ity ny anaran’i Lazara satria ny zava-niseho tamin’ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’izy mirahavavy ireto no tena tiana hasongadina mba hahafahantsika mandray fampianarana.
Volaza amin’ity Evanjely ity ary fa rehefa tonga tao an-trano i Jesoa dia nipetraka, azo heverina fa tsy izy irery no tao fa tafara-dia taminy ny mpianany ary mety teo ihany koa i Lazara anadahin’izy mirahavavy ireto. Na tsy voalaza mivantana amin’ity Evanjely androany ity aza, dia azo heverina ihany koa fa nampinatra ireo olona tao an-trano i Jesoa. Izany no nahatonga an’i Maria « nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny » (Lk. 10: 39). Niteraka olana teo amin’izy mirahavavy anefa io fipetrahan’i Maria teo anilan’ny tongotry ny Tompo io satria lasa niasa irery i Marta tamin’ny fikarakarana ny vahiny tonga tao an-trano ary tsy naharitra ka niangavy an’i Jesoa mba hiteny amin’ny rahavaviny hanampy azy. « Fa Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy » (Lk. 10: 40). Mety taitra ihany i Jesoa nadre io fiangavian’i Marta io saingy tamim-pahatsorana no namaly izany fiangaviana izany ka nilazany hoe : « Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby hianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy » (Lk. 10: 40 – 42).
Raha raisina amin’ny maha olombelona dia azo lazaina fa sarotra ny mandray io valin-teny nomen’i Jesoa an’i Marta io. Maria izay tsy miasa fa mipetra-potsiny hoy izy no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy, fa ny rahavaviny izay miasa sy misahirana mafy amin’ny fikarakarana no ambarany ho maro tadiavina sy be tebiteby. Raha mba isika tokoa moa no mipetraka amin’ny toeran’i Marta dia mba ho inona no hataontsika manoloana ny valin-teny manahirana tahaka ity nataon’i Jesoa ity? Mety misy hamaly avy hatrany angamba hanao hoe: fa izaho irery angaha no ho noana eto fa avelako any io fa rehefa samy tsy hiasa dia avelao samy ho noana eo. Raha raisina amin’izay maha olombelona izay tokoa dia toy ny teny mandratra fo no nataon’i Jesoa satria tahaka ny manome rariny ny olona tsy miasa izy ary toa manakivy an’i Marta izay sahirana tokoa amin’ny fikarakarana rehetra mba hahatomombana tsara ny fandraisana azy sy ireo mpiara-dia aminy.
Misy fampianarana tian’i Jesoa hampitaina amintsika anefa matoa izy miteny hoe « Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy » (Lk. 10: 42). Indraindray tokoa dia variana loatra amin’ny fikarakarana ety ivelany isika ka manadino ny mihaino ny tenin’i Jesoa. Tsy miteny i Jesoa hoe, tsara ny mipetra-potsiny sy tsy miasa. Ny tena tiany hambara dia mazava fa ialina dia ilaina ny mampifandray ny asa atao amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra izay aloaky ny vavany. Izay fampianarana izay ary no omeny antsika androany ka ilazany amintsika fa tsy tokony ho variana loatra amin’ny fiahiana izao fiainana izao isika fa tokony hahay hanantona azy sy hihaino ny teniny ihany koa. Mazava izany fa ny tena tiany hampitaina dia tsotra, misy ny fotoana natao hiasana fa misy ihany koa ny fotoana tsimaintsy atokantsika hivavahana. Eto ary dia hamafisin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ity Evanjely androany ity ny maha zava-dehibe ny fivavahana indrindra ny fankamasinana ny andro Alahady. Maro ankehitriny no variana loatra amin’ny fitadiavana ka manadino fa ny Alahady dia andron’ny Tompo izay natokana hivavahana sy hihainoana ny teniny. Manasa antsika ary i Jesoa androany mba tsy ho maro tadiavina sy be tebiteby fa hatoky sy hiankina aminy ka izay ataontsika rehetra dia ataontsika amin’ny anarany, amin’izay dia ho tanteraka amintsika ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Kolosiana, izay aroson’ny Fiangona amintsika androany manao hoe: « Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’ny Kristy Jesoa » (Kol. 1: 24 – 28). Ny hahalavorary antsika tokoa no fanirian’i Jesoa koa miara-mivavaka isika androany mba hazoto tokoa mihaino ny Teniny izay antoky ny fahalavorariana maharitra mandrakizay.
P. Louis Martin
Assomptionniste