Alahady 30 martsa 2013
Alahadin’ny Paka
Fotoan-dehibe tokoa ho antsika Krisitianina ny fankalazana ny Paka. Fotoana izay ahatsiarovantsika ny nanoloran’i Jesoa ny ainy mba ho fanavotana antsika olombelona mpanota. Indraindray mampandinika, ary toa tsy mampino ny mieritreritra fa ny zanak’Andriamanitra no nanaiky hampijaliana sy hovonoino ho faty mba hisolo heloka antsika. Izany no mahatonga ny Fiangonana hampianatra fa Mistery lehibe ny Paka, izany hoe zavatra marina saingy tsy takatry ny sain’olombelona fantarina ka raha tsy manam-pinoana dia tsy hahazo velively ny hevitra tiany hambara. Mistery lehibe tokoa ny Paka satria fotoana saro-bidy ahatsapantsika fa ny nahafoizan’i Jesoa ny ainy sy ny nitsanganany tamin’ny maty no fototra ahazoantsika ny famonjena. Ny Misterin’ny Paka izany dia tsy ny Alahady ankalazana ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fotsiny ihany fa ny manomboka hatramin’ny fotoana niarahan’i Jesoa sy ny mpianatra nisakafo farany ka nilazany tamin’izy ireo mazava tsara hoe : « Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy » (Mt 26 : 21). Nandritra izany fotoana izany moa no nampahafatariny fa i Jodasy no hamadika azy. « Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny Zanak’olona! tsara ho azy ny tsy teraka. Dia mba niteny Jodasy ilay namadika azy nanao hoe: Raby, moa izaho va izany? ka novaliany hoe: Voalazanao » (Mt 26 : 24 – 25).
Hatramin’io fotoanan’ny sakafo farany io ary dia mazava fa ny fahafatesana no miandry an’i Jesoa ary lalana tsimaintsy andalovany izany mba hahatanteraka ny fanavotana antsika olombelon. Izay no mahatonga antsika hilaza fa nanomboka tamin’ny fotoana niarahan’i Jesoa sy ny mpianatra nisakafo farany ny Misterin’ny Paka ka ny fitsanganany amim-boninahitra no famatarana hita maso mampiseho miharihary ny hevitr’izany Mistery lehibe izany. Jesoa mihitsy no manazava sy manambara amintsika izany satria « rahefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva. Dia hoy Jesoa taminy: Ho tafintohina noho ny amiko hianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana; fa rahefa tafatsangana aho, dia hialoha anareo any Galilea » (Mt 26 : 30 – 32). Hitantsika amin’izao fa efa fantatr’i Jesoa mialoha ny zavatra rehetra hiseho ka niteny tamin’ny mpianatra mba hiomana amin’ny zavatra rehetra mety hiseho. Izany no nilazany tamin’izy ireo hoe : « Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy hianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa » (Mt 26 : 41).
Indrisy marisika ihany tokoa ny fanahy, fa ny nofo no osa araka io voalazan’i Jesoa io, ka na nisy aza ny fahavononan’ireo mpianatra ireo hara-dia an’i Jesoa hatramin’ny farany dia niparitaka sy nandositra izy ireo rehefa voasambotra i Jesoa. « Ary tamin’izay dia nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra » (Mt 26 : 56). Na teo aza anefa izay fandosiran’ny mpiantra izay, dia azo antoka fa nanaraka ny zava-misy rehetra teny lavidavitra teny ihany izy ireo. « Nanaraka azy teny lavidavitra teny Piera, hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany » (Mt 26 : 58). Mazava araka izany fa nahita maso ny zava-niseho rehetra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany i Piera ka na teo aza ny fandavany ho tsy mahalala an’i Jesoa dia izy no vavolombelona nanatri-maso sy milaza amintsika ny zava-nisy marina mahakasika ny Misterin’ny Paka. Ny Vakiteny Voalohany aroson’ny Fiangonana amintsika amin’izao Alahadin’ny Paka izao no mitantara amintsika ny toriteny nataon’i Piera izay nijoroany ho vavolombelona ary nanambarany mazava tsara fa « izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny izy nahantony tamin’ny hazo; nefa natsangan’Andriamanitra kosa izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinanan sy nisotro taminy; rahefa nitsangana tamin’ny maty izy (Asa. 10: 39 – 41).
Alahadin'ny Paka
Vakiteny I : Asa. 10:34a,37-43,
Tononkira : Sal. 118:1-2,16ab-17,22-23,
Vakiteny II : Kol. 3:1-4,
Evanjely : Jo. 20:1-9,
|
Io fijoroana ho vavolombelona nataon’i Piera io dia manamafy fa tsy tantara noforonina ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fa tena zava-nisy marina ary tsy izy irery ihany no vavolombelon’izany fa ireo mpianatra rehetra dia voalazan’i Piera eto fa niara-nahita azy tafantsangan-kovelona ary niara-nihinana sy nisotro taminy rehefa tafatsangana tamin’ny maty izy. Ny Evanjely izay vakiana amintsika androany ihany koa dia manambara mazava tsara fa « tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato. Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jeso, ka nanao tamin’ireo hoe: Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. (Jo. 20: 1 – 2). Nitebiteby ny fon’i Madeleine, nalahelo fa nangalaran’ny olona ny fatin’i Jesoa saingy rehefa tonga kosa i Piera vao nahita miharihary fa tsy izany no zava-nisy satria tsy tao am-pasana intsony i Jesoa fa efa nitsangan-kovelona. « Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana terý » (Jo. 20: 6 – 7). Tsy i Piera irery anefa no nahita izany fa teo ihany koa i Joany izay voalazan’ny Evanjely androny fa ilay mpianatra malalan’i Jesoa. Nihazakazaka nakany amin’ny fasana ihany koa izy ary tonga talohan’i Piera saingy tsy niditra fa rehefa tafiditra tao am-pasana i Piera vao « niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jeso (Jo. 20: 8 – 9).
Mazava amintsika ary izao ny Misterin’ny Paka, ireo vavolombelona nanatri-maso ny zava-niseho rehetra hatramin’ny niarahan’i Jesoa sy ny mpianatra nisakafo farany ka hatramin’ny nitsanganany tamin’ny maty no manambara amintsika ny tena zava-nisy marina. Tsy namorona izy ireo fa izay hitan’izy ireo no nambarany ka azo antoka fa marina ny filazany satria nahita izy ireo ka nino araka ny voalazan’i Joany. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahadin’ny Paka izao mba tena hihamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa tafantsangan-kovelona. Efa nandresy ny fahafatesana ho famonjena antsika izy ka aoka isika tsy hisalasala hanantona azy amim-panajana ka hanao loha laharana ny famonjena Lamesa sy ny fandraisana ny Vatany Masina izay profo mazava ho antsika va velona eto anivontsika izy ary velona ao am-pontsika tsirairay avy rehefa mandray azy isika. Amin-kafaliana lehibe tokoa ary no ifampiarahabantsika rehetra amin’izao Fety lehibe ankalazana ny fanavotana antsika izao. Enga i Jesoa nandresy ny fahafatesana hitondra fendresana ho antsika tsirairay avy eo ampiatrehena ny adidy sy ny zavatra manahirana samihafa miseho amin’ny fiainantsika andavan’andro. Nandresy tokoa ny Tompo, mifalia isika Aleloia !
P. Louis Martin
Assomptionniste