Ataon’ny vahoaka ho iza moa aho?

Alahady 23 jona 2013

Alahady Faha – 12 tsotra Mandavan-taona

 

Nambarantsika teto tamin’ny Alahady heriny fa nifanontany ny Farisiana sy ireo olona nasaina niara-nisakafo tamin’i Jesoa manao hoe: « Iza moa ity no mamela heloka? » Androany kosa dia anjaran’i Jesoa no manontany satria « indray andro, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina izy ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo izy nanao hoe: Ataon’ny vahoaka ho iza moa aho? » (Lk. 9: 18). Eto dia azo ambara fa tena ao anatin’ny fanantanterahana ny iraka nampanaovina azy i Jesoa. Maro ny zava-bitany ary manomboka mahita izany ny vahoaka, saingy tsy tena mahalala azy ka maro ny fanontaniana mipetraka manao hoe: « Iza moa ity lehilahy ity? » Eo anatrehan’izany dia maro ihany koa ny misalasala ny amin’i Jesoa sy ny fampianarany ka izany no nahatonga an’i Jesoa hanontany ny mpianatra izay mba fahalalan’ny vahoaka mahakasika ny tenany. Mazava ny valin-teny nomen’ny mpianatra izay nilaza fa: « ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany milaza hoe Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangana tamin’ny maty » (Lk. 9: 19). Hitantsika araka izany fa manjavozavo ihany ny tena fahalalan’ny olona mahakasika an’i Jesoa. Mahatsapa ihany ny vahoaka fa mpaminany izy satria mitovy fomba fiasa amin’ny mpaminany, misy aza dia milaza fa i Elia Mpaminany no niverina, ao no milaza fa mpaminany hafa na i Joany Batista mihitsy no nitsangana tamin’ny maty satria tsy nanao zava-baovao i Jesoa fa ny nataon’ireo mpaminany ireo ihany no notohiziny.

Raha ireo valin-teny ireo anefa no jerena dia hita sy tsapa fa tsy voavaly ny fanontanian’i Jesoa. Ny fahatsapany izany indrindra no nahatonga azy nanontany mivantana ny mpianatra manao hoe : « Fa hianareo kosa, mba manao ahy ho iza? » (Lk. 9: 20). Valin-teny mazava no andrasan’i Jesoa eto ; napetrany indrindra io fanontaniana io mba hitsapany ny mpianatra izay manara-dia azy raha tena mahalala azy tokoa. Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity « dia namaly Piera ka nanao hoe: Ny Kristin’Andriamanitra » (Lk. 9: 20). Mazava sady tsy miolakolaka ny valin-tenin’i Piera eto ary afa-po tamin’io valin-teny io Jesoa satria tena izay tokoa no izy. Mazava amin’i Jesoa araka izany fa tena mahalala azy tokoa ireto mpianatra ireto satria nanambara miharihary fa Izy tokoa no ilay Kristy, irak’Andriamanitra Ray hamonjy ny olona rehetra. Tsy navelan’i Jesoa hiteny tamin’ny olona mahakasika izany anefa ireo mpianatra ireo ary tsy nijanona tamin’io valin-teny nomen’i Piera io ny resaka nifanaovan’izy ireo fa nambarany mazava tsara ihany koa fa na « Ny Kristin’Andriamanitra » aza izy, dia tsimaintsy handalo fijaliana mba hanavotana antsika olombelona mpanota. « Norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona, sady nampiany hoe: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. » (Lk. 9: 21 – 22).

Hatrany amboalohany dia efa nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsimaintsy hijaly mafy izy, hovonoina ho faty saingy hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. Mazava izany fa ity resaka nataon’i Jesoa tamin’ny mpianatra ity dia efa fanomanana sahady ny fon’izy ireo hiatrika ny Misterin’ny Paka. Tsotra ny tian’i Jesoa hambara, tena Kristin’Andriamanitra tokoa izy araka ny fanambarana nataon’i Piera, saingy tsy nisehoseho tamin’izay maha Andriamanitra azy izay fa nietry tena sy nanaiky hovonoina ho faty. Raha tsorina dia tao anatin’ny fanetren-tena tanteraka no nanantanterahan’i Jesoa ny iraka nampanaovin’i Ray azy. Tsy fanetren-tena fe fanetren-tena fotsiny anefa fa tao anatin’ny fijaliana mihitsy. Izany no antony nilazany tamin’ny mpianatra sy tamin’ny olona rehetra fa raha misy te-hanara-dia Azy dia tsimaintsy maka tahaka ny nataony ka miaina ao anatin’ny fanetren-tena sy fandavan-tena tanteraka. « Ary hoy koa izy tamin’ny olona rehetra: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ka hanaraka ahy. Izay ta-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy » (Lk. 9: 23 – 24).

Mazava ny voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika androany ity fa tsy ny mpianatra ihany no nasain’i Jesoa hiaina ao anatin’ny fandavan-tena fa ny olona rehetra. Isika rehetra no asain’i Jesoa hoe : « raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ka hanaraka ahy ». Mety mieritreritra isika fa natao ho an’ireo olona voatokana amin’ny lalan’ny fiainan-drelijiozy sy ny maha pretra ihany izany antson’i Jesoa izany. Raha izay anefa no izy dia ho ny mpianatra ihany no natsoin’i Jesoa ka nilazany io hafatra lehibe io. Tsy izay no nataony fa nambarany tamin’ny vahoaka rehetra izany, noho izany dia isika rehetra vita batemy no asainy hanara-dia azy ao anatin’ny fandavan-tena. Antso miatefa amintsika Kristianana rehetra araka izany ny fanarahan-dia an’i Jesoa amin’ny seha-piainana misy antsika tsirairay avy ka aoka isika samy handray izay anjara hazofijaliana tandrify antsika izay. Voalazan’i Jesoa mazava tsara eto ny hoe : « aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ». Midika izany fa samy manana ny anjara hazo fijaliany ny tsirairay ka aoka isika samy hitondra izany amim-pitiavana. Aoka samy hitondra ny anjara hazo fijaliany ny tsirairay fa tsy hoe ny hazo fijalian’ny sasany ampitondraina ny hafa. Tsy irery isika amin’izany fa eo mandrakariva i Jesoa izay miaraka amintsika, ka matokia azy fa izy no efa nitondra ny mavesatra indrindra ka raha miankina aminy isika dia ho maivana ny anjara hazo fijaliana entintsika.

 

Vakiteny I : Za. 12:10-11,13:1,
Vakiteny II : Ga. 3:26-29,
Evanjely : Lk. 9:18-24,

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101