Ary rahefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny, ka niankohoka nitsoaka azy

Nampiditra : admin
Daty : 04/01/2014

Alahady 05 janoary 2014

Fankalazana ny Epifania (Taona A)

 

 

Ny voalohan-teny dia ny fiarahabana sy firarian-tsoa antsika rehetra amin’izao Taona Vaovao izao. Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra ka nanomezany antsika tombon’andro ho afaka midera azy amin’ity taona 2014 ity. Enga anie ny fahasoavany no hanenika ny fiainantsika tsirairay avy mandritra izao taona vaovao manomboka izao mba hahafahantsika miaina ao anatin’ny fitiavana, filaminana ary fiadanam-po na eo aza ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Androany moa no Alahady voalohany amin’izao taona vaovao izao ka rariny raha izay fiararian-tsoa sy fiarahabana izay no ifanolorantsika. Mbola ao anantin’ny fankalazana tanteraka ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo ihany koa isika androany satria araka ny fandaharan’ny Fiangonana azy dia ity Alahady anio ity no fankalazana ny Epifania. Tsara ho marihina ihany fa isaky ny Alahady faharoa manaraka ny Noely no ankalazana ny Epifania, saingy amin’ny firenena sasany dia isaky ny 06 janoary no ankalazana izany na tsy Alahady aza. Ny firenena tahaka an’Italia ohatra dia manao io andron’ny 06 janoary io ho andro tsy iasana mihitsy fa tahaka ny Alahady izay natonkana hivavahana sy hiderana an’Ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo ka niseho miharihary fa Izy no Mesia, Mpamonjin’izao tontolo izao.

Tahaka ny tamin’ny Noely ihany koa dia mitovy daholo ny Tenin’Andriamanitra vakiana amintsika isan-taona amin’ny fankalazana ny Epifania fa tsy voazarazara ho an’ny Taona A sy B ary D toy ny mahazatra antsika. Noho izany dia ny Evanjely efa naroso teto tamin’ny taona lasa ihany no mbola aroson’ny Fiangonana ho antsika androany amin’izao Fankalazana ny Epifania (Taona A) izao. Ny teny hoe « Epifania » dia midika indrindra ho fisehoan’i Jesoa miharihary amintsika olombelona fa izy no Mesia, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao araka ny famaritana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika : « Ny Epifania no fisehoan’i Jesoa ho Mesian’i Israely, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny Batemin’i Jesoa teo Jordany sy ny fampakaram-bady tao Kanà, no ankalazana amin’ny epifania ny fitsaohan’ireo “majy” avy any Atsinanana an’i Jesoa. Tao amin’ireo “majy” ireo, izay solontenan’ny fivavahan’ny jentily teo amin’ny tany manodidina, no ahitan’ny Evanjely ny santatry ny firenena maro izay mandray ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Fahatongavana ho nofo. Ny fahatongavan’ireo majy tao Jerosalema, mba hitsaoka ny mpanjakan’ny Jody, dia mampiseho fa notadiavin’izy ireo tao amin’i Israely, tamin’ny fahazavan’ny Mesia nasehon’ny kintan’i Davida, Ilay izay ho mpanjakan’ny firenena rehetra. Ny fahatongavan’izy ireo no midika fa ny mpanompo sampy dia tsy afaka hahita an’i Jesoa sy hitsaoka Azy ho Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao raha tsy mitodika any amin’ny Jody, sy mandray avy amin’izy ireo ny fampanantenana Mesia ho azy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny Epifania no mampiseho fa ny “hafenoan’ny jentily dia ny miditra ao amin’ny fianakavian’ny patriarka” sy ny fahazoany ny tombon-tsoa natokana ho an’i Israely (Israelitica dignitas) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 528).

Araka ny voalazan’io fampinarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io ary dia ny fitsaohan’ireo “Majy” avy any Atsinanana an’i Jesoa no ankalazana amin’ny Epifania. Izany rahateo no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jesoa tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe: Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankaty mba hitsaoka azy » (Mt. 2 : 1 – 2). Araka ny volazan’ny Evanjely androany dia taitra i Heroda mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema nahita ireto Majy avy tany antsinana ireto. Gaga tanteraka izy ireo nahare ny fanontanian’ny Majy manao hoe : « Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? » Izany no nahatonga an’i Heroda mpanjaka hamory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka mba hanazava aminy izao zava-baovao izao. « Raha nahare izany Heroda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: Aiza no hahaterahan’ny Kristy? Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: Ary hianao, ry Betlehema tanin’i Jodà, tsy hianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy ny oloko » (Mt. 2 : 3 – 6).

Izao fankalazana ny Epifania izao no manambara mazava amintsika fa tsy tonga ho an’Israely fotsiny ihany Jesoa fa tonga indrindra izy hanavotra ny olona rehetra. Tsy ny mpanjaka sy ny mponina tao Jerosalema no nisehoany voalohany fa ireo vahiny avy lavitra sy heverina ho tsy mpino mihitsy aza. Izany rahateo no hazavain’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika izay efa voalazantsika etsy ambony manao hoe : « tao amin’ireo “majy” ireo, izay solontenan’ny fivavahan’ny jentily teo amin’ny tany manodidina, no ahitan’ny Evanjely ny santatry ny firenena maro izay mandray ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Fahatongavana ho nofo. Ny fahatongavan’ireo majy tao Jerosalema, mba hitsaoka ny mpanjakan’ny Jody, dia mampiseho fa notadiavin’izy ireo tao amin’i Israely, tamin’ny fahazavan’ny Mesia nasehon’ny kintan’i Davida, Ilay izay ho mpanjakan’ny firenena rehetra. » Azo ambara ary fa misolontena antsika ihany koa ireto Majy ireto satria na dia tsy Jody aza isika dia mino sy manaiky ary mandray an’i Jesoa ho Mpamonjy sy ho Mpanjakantsika.

Farany moa dia ambaran’ity Evanjely androany ity fa faly dia faly ny Majy rehefa nahita an’i Jesoa Zazakely ka nanolotra fanatitra ho azy, tahaka ny fanaontsika rehefa mamangy tera-bao dia manolotra rom-patsa ho mariky ny hafaliana. « Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rahefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny, ka niankohoka nitsoaka azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira » (Mt. 2 : 10 – 11). Tahaka ireo Majy avy tany antsinana dia faly ihany koa isika mamangy an’i Jesoa. Tsy any Betlehema intsony no amangiantsika azy fa ao amin’ny trano fiangonana any amin’ny toerana misy antsika tsirairay avy any. Izany no maha zava-dehibe ny famonjena lamesa sy fivavahana Alahady satria ny fihainoantsika ny Tenin’Andriamanitra isan’Alahady na isaky ny mamonjy Lamesa sy ny fandraisana ny Eokaristia ary ny famangiana ny Sakramenta Masina no fomba tsara indrindra amangiana an’i Jesoa. Tsy volamena sy emboka manitra ary mira no atolotra azy amin’izany fa ny fo sy ny fiainantsika manontolo. Ny tena andrasan’i Jesoa hatolontsika azy ary dia ny fontsika feno finoana sy fahanantenana ary fitiavana, koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady fankalazana ny Epifania izao mba hiorina mafy amin’ny finoana ka tsy ho very fanantenana manoloana ny hasarotry ny fiainana ary hiaina ao anatin’ny fitiavana marina ka hanalavitra ny fialonana sy ny fitiavan-tena ary ny ady sy ny fifandirana isan-karazany, amin’izay dia ny Fanahy Masina no ho tahaka ny kintana hitari-dalana antsika hahafahantsika mamakivaky ity taona vaovao ity ao anatin’ny hazavana sy filaminana ary fiadanana marina.

Vakiteny I : Iz. 60: 1 – 6
Tononkira : Sal. 72: 1 – 2, 7 – 8, 10 – 11, 12 – 13

Vakiteny II : Ef. 3: 2 – 3, 5 – 6

Evanjely : Mt. 2: 1 – 12

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0340 s.] - Hanohana anay