Ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagoga

 

Alahady 27 janoary 2013
Alahady Fahatelo tsotra Mandavantaona (Taona D)
 
 
 
Vakiteny I : Neh. 8:2-4a,5-6,8-10,
Tononkira : Sal. 19:8,9,10,15,
Vakiteny II : 1 Kor. 12:12-30,
Evanjely : Lk. 1:1-4,4:14-21,

Matetika isika no miresaka fa tena niaina ny maha olombelona feno azy Jesoa tamin’ny nanekeny ho tonga nofo. Mazava tsara amintsika anefa fa tena Andriamanitra izy no nietry tena ho tonga olombelona ka ananaraka ny fomba amam-panaon’ny fiarahamonina nisy azy. Amin’izao Alahady Fahatelo tsotra Mandavantaona izao dia aroson’ny Fiangonana amintsika ny Evanjely mitantara indrindra izay fanarahan’i Jesoa ny fomba amam-panao Jody izay dia ny fandehanana mivavaka anay amin’ny sinagoga rehefa andro Sabata. Amin’ity Evanjely androany ity dia ny sinagoga tao Nazareta izay tanàna nahabe azy no nosafidiny hivavahana. « Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe azy izy, dia niditra tao amin’ny sinagoga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata » (Lk. 4 : 16). Voalazan’ny Evanjely mazava eto fa efa fanaon’i Jesoa ny mandeha mivavaka ao amin’io sinagoga io rehefa Sabata, ary ireo mpiara-monina aminy tao Nazareta dia tsy gaga satria efa mahazatra azy ireo ny mahita an’i Jesoa miara-mivavaka amin’izy ireo.

 
Tsy zava-baovao amin’i Jesoa noho izany ny mamonjy fotoam-pivavahana rehefa Sabata fa efa fomba mahazatra azy. Tsy mpitazana fotsiny anefa izy amin’izany fa tena nandray anjara feno tamin’ny fitarihana ny fotoam-pivavahana ihany koa, izany no nahatonga azy ho voatendry hanao ny famakian-teny. « Natolotra azy ny bokin’Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana » (Lk. 4 : 17 – 19). Amin’ny fombam-pivavahana Jody moa dia izay manao ny vakiteny no manao ny toriteny ihany koa, izany indrindra no nahatonga ny fijerin’ny olona rehetra hifantoka tany amin’i Jesoa rehefa nahavita ny famakian-teny izy. « Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagoga » (Lk. 4 : 20). Araka izany dia samy niandry izay hambaran’i Jesoa ny olona rehetra, samy niandry izay fanazavana hambarany mahakasika io Tenin’Andriamanitra voalazan’Izaia Mpaminany io. « Dia rafitra niteny taminy indray Jesoa nanao hoe: Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany » (Lk. 4 : 20).
 
Tsotra sady mazava ny fampianaran’i Jesoa ka nolazainy tamin’ireo nihaino azy fa izy no ambaran’ny faminanian’Izaia Mpaminany. Azo lazaina izany fa ireo mpiara-monina taminy tao Nazareta no nilazan’i Jesoa voalohany ny iraka nampanaovin’Andriamanitra azy dia ny hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao. Tao aminy tokoa ny Fanahin’ny Tompo ary izy no voalazan’Izaia Mpaminany fa voahosotra hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo, izy no voairaka hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo, dia fatantsika ny tohin’ny tantara fa « nankalaza azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: Tsy ny zanak’i Josefa va ity? » (Lk. 4 : 22).
 
Isika ihany koa dia tokony hankalaza an’i Jesoa mandrakariva satria ny hamonjy antsika no nahatongavany. Raha sendra malahelo na torotoro fo isika dia aza misalasala manantona azy fa eo izy hitondra ny Teny soa mahafaly hankahery antsika. Tsy iza fa ny tenany mihitsy no Teny soa mahafaly ho antsika satria izy no ilay Teny tonga nofo ary niara-nonina tamintsika. Nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagoga, midika izany fa nangetaheta te-handre ny teny naloaky ny vavan’i Jesoa ireo nihaino azy. Tahaka ireo olona nihaino an’i Jesoa tao amin’ny sinagoga tao Nazareta dia tokony hifantoka mandrakariva any aminy ihany koa ny masontsika ka hibanjina azy satria hitondra fahiratana amin’ny jamba no nanirahana azy. Matetika jamban’ny rendrarendran’izao tontolo izao ny masontsika ka lasa tsy mahita intsony fa izy no ilay mpitondra ny fahafahana marina. Hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo ihany koa no nahatongavan’i Jesoa saingy indraindray isika toa lany andro manome tsiny an’Andriamanitra rehefa tojo fahasahiranana ka tsy mahatsapa ny fahasoavana izay omeny antsika isan’andro. Aoka ary isika samy handini-tena amin’izao Alahady izao ka samy hifantoka any amin’i Jesoa avokoa ny masontsika rehetra amin’ny alalan’ny fihainoana ny Teniny sy fandraisana ny Vatany ao amin’ny Eokaristia Masina. Ohatra velona ho antsika ny nataon’i Jesoa niara-nivavaka tamin’ny olona tao amin’ny sinagoga rehefa Sabata. Manainga antsika ihany koa ny Fiangonana hazoto mivavaka isaky ny Alahady satria io no Sabata vaovao ho antsika Kristianina, izay andro natokana indrindra hankalazana an’i Jesoa nijaly sy maty ary nitsangan-kovelona ho famonjena antsika.
 
P. Louis Martin 
Assomptionniste
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0389