Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho

Alahady 27 oktobra 2013
Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona

Mahakasika ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana no fampianarana nomen’i Jesoa izay nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Tamin’izany no namaliantsika ny fanontaniana manao hoe : Inona marina moa no atao hoe mivavaka ? Ny namaritan’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely ny atao hoe fivavahana araka ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika no manome antsika ny valin’io fanontaniana io. Hoy izy hoe : « Ho ahy, ny fivavahana dia fientanam-po, fijery tsotra mankany an-danitra, hiakam-pankasitrahana sy fitiavana eo anivon’ny fisedrana toy ny eo anivon’ny hafaliana koa. » Mazava amintsika eto fa ny fivavahana dia resaka ifanaovantsika amin’Andriamanitra, ka mahatonga antsika hanana fientanam-po sy fijery tsotra mankany an-danitra. Io fijery tsotra mankany an-danitra io indrindra no ampianarin’i Jesoa ao amin’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika am’izao Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona izao. Hitantsika araka izany fa mifontotra tanteraka amin’ny fampianaran’i Jesoa ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny fivavahana satria ity Evanjely izay aroso antsika androany ity tokoa no mampianatra antsika ny tena fivavahana marina sy ny toetra tokony hananana rehefa mivavaka. Koa raha nampianatra antsika momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana i Jesoa tamin’ny Alahady heriny, dia ny toetra tokony hananana sy ny fomba fivavaka marina no ampianariny antsika androany.

Mahazatra an’i Jesoa moa ny manao fanoharana rehefa mampianatra, ka tamin’ny alalan’ny fanahorana no nanazavan’i Jesoa ny toetra tokony hanana rehefa mivavaka sy ny fomba fivavaka marina. Ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ary fa « nanao ity fanoharana ity koa izy, mankamin’ny sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany: Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-tempoly: Farisiana ny iray ary poblikàna ny anankiray. Nitsangana ilay Farisiana ka nivavaka tao am-pony hoe: Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikàna itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny am-pahafolon’ny fananako rehetra. Fa ilay poblikàna kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho » (Lk. 18 : 9 – 13). Rehefa avy nilaza izany fanoharana izany i Jesoa dia hoy izy tamin’ireo nihaino azy : « Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray ; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra » (Lk. 18 : 14).

Araka ny ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely ity izany dia ilay poblikàna no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay Farisiana izay voalaza fa natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany. Efa voalaza fa ny fivavahana dia resaka ifanaovana amin’Andriamanitra, ka raka ity fampianaran’i Jesoa ity no dinihina lalina dia mazava fa tsimaintsy ao anatin’ny fahatsorana sy fanetren-tena tanteraka no anaovana izany resaka izany satria Andriamanitra dia mahalala ny ao am-pontsika tsirairay avy ka tsy ilainy akory ny fanamarinan-tena ataontsika rehefa miresaka aminy isika. Izany no nahatonga an’i Jesoa hiteny fa tsy afaka hihaino izay manamarin-tena Andriamanitra tahaka ny nataon’ity Farisiana ity fa kosa mihaino izay manetry tena sy miaky fa mpanota ary tsy mendrika ny hibanjina ny lanitra akory. Raha ny nataon’ilay Farisianina aloha no dinihina dia hita avy hatrany fa fanamarinan-tena no nataony ka na dia niantso aza izy nanao hoe : « Andriamanitra ô, misaotra anao aho », dia tsy nitodika tany amin’Andrimanitra akory ny vavaka nataony fa nitodika tamin’ny tenanany. Ambarany fa izaho hoy izy dia « tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikàna itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny am-pahafolon’ny fananako rehetra. » Tsy vitan’ny nitodika tamin’ny tenany fotsiny ihany fa mbola nanambony tena ilay Farisianina ary nanambany sy nanebaka ilay poblikàna tonga mba hivavaka ihany koa. Mahazava ho azy fa tsy afaka ny hihaino sy handray ny vavaka tahaka izany Andrimanitra satria hoy i Jesoa hoe : « fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra » (Lk. 18 : 14). Indraindray dia tahaka ity Farisiana ity ihany koa isika rehefa mivavaka, tsy mitodika tanteraka amin’Andriamanitra fa mijery fotsiny ny tenantsika ka mila mitandrina ihany koa ary tsimiantsy mietry tena eo anatrehan’Andriamanitra.

Azo ambara fa io fanetren-tena io no toetra nanan’ilay poblikàna ka nilazan’i Jesoa « fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony. » Voalazan’ity Evanjely ity mantsy « Fa ilay poblikàna kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho ». Ny fanetren-tena sy fahaizana miaky heloka fa mpanota no sitrak’Andriamanitra ka andraisany ny vavaka ataontsika. Efa nambara tamintsika, tamin’ny Alahady 01 septambra 2013, izany hoe tamin’ny Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona fa anisan’ny hatsaram-panahy ampianarin’i Jesoa matetika ny fahaizana manetry tena. Nisy namantsika nanome hevitra tamin’izay fotoana izay ka nilaza hoe : « Mahafinaritra ny Tompo ry zareo satria izy no voalohany nanao ohatra ny amin’ny fanetren-tena. Natolony ny momba azy manontolo hamonjena antsika na dia Andriamanitra Feno aza Izy ka nanana fahefana nanala ny Tenany teo ambony hazo fijaliana. Tsy niloa-bava izy na dia naneso sy nandrehoka azy ireo izay nanaovany soa. Tiako marihina eto fotsiny fa matetika isika diso lalàna ny amin’ny fanetren-tena. Tsara tokoa ny manetry tena fa ny fanetren-tena eo imason’ny olona no matetika ataontsika. Nefa misy fanetren-tena izay ambony lavitra noho izany dia ny tsy eo imason’ny olona tahaka ny mivavako ho an’ny fahavalo, mitia ny fahavalo, manao soa amin'ny olona anankiray nefa tsy fantany, sns. Ny Tompo anie hitahy antsika ary hitondra antsika amin'ny Fahamarinana hatrany. »

Tena marina tokoa ny voalazan’ity namantsika ity ka isaorantsika azy satria nambarany fa « matetika isika diso lalàna ny amin’ny fanetren-tena eo imason’ny olona no matetika ataontsika. » Manamafy izany ity voalazan’ny Evanjely androany ity fa tsy ny fanetren-tena eo imason’ny olona ihany no tokony hataontsika satria araka ny anasan’i Jesoa antsika dia ny fanetren-tena amin’ny fivavahana no tena zava-dehibe. Mitodika amim-panetren-tena amin’Andrimanitra ary isika amin’izao Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona izao, mba tena hitodika any main’Andrimanitra tokoa ny vavaka ataontsika fa tsy hitodika amin’ny tenantsika samy irery. Izy no mihaino ny vavaka ataontsika koa enga anie izy hanome antsika ny Fanahy Masina mpankahery, hitari-dalana antsika amin’izay vavaka rehetra ataontsika ka hanaovantsika izany amim-pinoana sy fanetren-tena tokoa.

Vakiteny I : Ekl. 35:12-14,16-18,
Vakiteny II : 2. Tim 4:6-8,16-18,
Evanjely : Lk. 18:9-14,



P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0547