Fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray

Nampiditra : admin
Daty : 09/03/2013

 

Alahady 10 martsa 2013

Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy

 

Lalina sy mahagaga tokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona. Tsy azo visavisaina ny famindram-pony ary mampandinika lalina ny hamoram-pony satria na mpanota aza isika dia tsy avelany ho very fa arovany sy vonjeny mandrakariva. Ny hitondra izany famonjena izany no nahatongavan’i Jesoa hiara-monina amintsika ombelona ka ilay toetra maha Andriamanitra be fitavana azy no nentiny niaina niaraka tamin’ireo niara-nonina taminy. Tsy nanavakavaka izy ary nandray ny olona rehetra, indrindra ny madinika sy ireo heverin’ny fiarahamonina ho mpanota. Izany rahateo no tena antony nidinany tety an-tany saingy tsy nahazo izany ny Farisiana sy Mpanora-dalàna ka nimonjomonjo taminy araka ny voalazan’ny Evanjely izay vakiana amintsika amin’ity Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy ity: « ary nanatona hihaino azy ny poblikàna rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy » (Lk. 15 : 1 – 2). Tsy namaly mivantana ireto Farisiana sy Mpanora-dalàna ireto anefa i Jesoa fa fanoharana no nambarany tamin’izy ireo mba hanazavany fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ary be fitiavana ka mandray ny olona rehetra indrindra ny mpanota mibebaka.


Vakiteny I : Jos. 5:9a,10-12,
Tononkira : Sal. 34:2-3,4-5,6-7,
Vakiteny II : 2 Kor. 5:17-21,
Evanjely : Lk. 15:1-3,11-32,

 

Ny Evanjely izay aroso amintsika androany tokoa no anomezan’ny Fiangonana antsika ny fanoharana nataon’i Jesoa mahakasika ny lehilahy anankiray izay nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: « Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy » (Lk. 15 : 12 – 13). Ny tantaran’ilay zaza mpandany moa no mahazatra antsika rehefa mihaino ity fanoharana nataon’i Jesoa ity. Saingy ny tena izy dia ity fanoharana ity no antsoina hoe fanoharana mitantara an’ilay Ray be fitiavana. Raha dinihinana lalina tokoa ity fampianaran’i Jesoa izay nomeny tamin’ny alalan’ny fanoharana ity dia mazava ny tiany hambara fa tonga hamonjy ny olombelona mpanota izy fa tsy ireo izay mihevi-tena ho masina sy marina ka tsy mila fibebahana. Asehon’i Jesoa miharihary fa be fitiavana Andriamanitra ka na eo aza ny fahotana vitantsika olombelona dia mandray antsika mandrakariva izy rehefa miverina aminy sy mibebaka marina isika.

Anatin’ny fotoan-dehibe ankalazana ny Karemy tokoa isika izao, efa Alahady fahaefatra amin’ny Karemy sahady androany, izany hoe andro vitsivitsy sisa dia ho tonga ny Paka. Efa naverimberintsika matetika fa ny fotoanan’ny Karemy dia fotoana manonkana sady saro-bidy hibebahana sy hiverenenana amin’Andriamanitra. Tsy mahagaga ary raha ity Evanjely mitantara ny fanoharana mahakasika ny Ray be fitiavana ity no aroso antsika androany mba hahafahantsika  mandini-tena sy mijery akaiky ny ezaka izay antaontsika amin’izao Karemy izao. Efa nohazavaina teto tamin’ny Alahady heriny ny lanjan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay Sakramentan’ny fitiavana mampihavana antsiaka amin’Andrimanitra sy amin’ireo olombelona namantsika. Ity fanoharana izay nomen’i Jesoa, ambaran’ny Evanjely androany ity no manamafy ny maha zava-dehibe io Sakramentan’ny Fampihavanana io. Hitantsika miharihary amin’ity fanoharana ity fa ilay ray mihitsy no tonga nidododo sy nihazakazana nitsena ny zanany rehefa niverina avy nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. « Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy » (Lk. 15 : 20). Tahaka izany no ataon’Andrimanitra amintsika isaky ny manantona Azy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika.

Tsara hamafisina ary fa ny Sakramentan’ny Fampihavanana dia Sakramentan’ny fitiavana izay andraisan’Andriamanitra antsika ka ilazany amintsika fa « ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray » (Lk. 15 : 24). Aoka anefa ho tsaroantsika mandrakariva fa ity fanoharana nomen’i Jesoa ity dia tsy milaza fa rehefa avy nizara ny fananany tamin’ny zanany ilay ray nanan-janaka mirahalahy dia nanaraka ny zazany tany amin’ny ditra nataony na namporisika azy haditra. Nomeny fahafahana tanteraka izy ireo amin’izay tiany hampiasany ny fananany saingy ilay rainy kosa dia niandry tamim-paharetana izay hiverenan’ny zanany. Ny tiana hambara ary dia tsotra, tsy manaraka antsika amin’izay fahotana ataontsika any Andriamanitra ary tsy mamporisika antsika hanota fa miandry amim-paharetana antsika ho tonga sain izy. Midika izany fa ny Sakramentan’ny Fampihavanana dia manainga antsika ihany koa hahatsapa fa mpanota isika ary tsy mendrika fa nanao ratsy teo anetrahan’Andriamanitra Ray ka mila tonga saina ary miverina manantona azy sy mangataka ny famindram-pony. Ny famelan-keloka avy aminan’Andriamanitra izany dia mianga amin’ny fahatsapan-tena sy fiaikena heloka aloha ka mahatonga antsika hanantona azy amim-pitokiana sy hangataka aminy ny famindram-po. Raha atao amin’ny teny tsotra dia fifanojoan’ny hetahetantsika te-hibebaka sy ny famindram-pon’Andrimanitra be fitiavana no hevitra lalina ambaran’ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay anasan’ny Fiangonana antsika hirosoana bebe kokoa amin’izao Karemy izao

Tsy mitsahatra mampahatsiaro antsika ny maha zava-dehibe ny fibebahana i Jesoa ary rehefa jerena akaiky dia ny Evanjely milaza izany no saika miverimberina mandritra ny Karemy. Koa samy hiezaka isika hanantona an’Andrimanitra sy hibebaka ary handray ny famelan-keloka avy aminy. Miara-midera an’Andrimanitra be fitiavana ary isika amin’izao Alahady fahaefatra amin’ny Karemy izao satria be famindram-po tokoa izy ka tsy manary antsika na dia mpanota tsy mendrika aza isika. Tohizantsika hatrany ny vavaka ho an’ny Fiangonana manontoko indrindra amin’izao fotoan-dehibe indrasantsika Papa vaovao hitondra ny Fiangonana izao. Efa henontsika angamba fa amin’ny Talata ho avy izao no hanomboka ny fotoan-dehibe hifidianan’ireo Kardinaly Mpifidy izay ho Papa vaovao, azo inoana araka izany fa amin’ny herin’ny androany tahaka izao dia efa hahazo Papa vaovao isika ary hitondra am-bavaka azy hahatontosa ny adidy izay miandry azy, koa ny herin’ny Fanahy Masina no angatahitsika mandrankariva hirotsaka sy hanazava ny sain’ireo Kardinaly ireo ka hifidian’izy ireo Mpiandry ondry vaovao araka ny irin’Izy Tompo fa tsy araky ny hevitr’olombelona osa sy malemy ary mpanota izay mila fibebahana isan’andro araka ny anasan’i Jesoa antsika tamin’ny nanomezany antsika androany ny fanoharana mitantara ilay ray be fitiavana sy be famindram-po.


 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0217 s.] - Hanohana anay