Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy

Alahady 07 Jolay 2013
Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona

Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa tapa-kevitra hiakatra any Jerosalema i Jesoa ka nandefa iraka hialoha lalana azy. Voalaza teto ihany koa fa isika vita Batemy rehetra mihitsy no antsoin’i Jesoa ho vonona mandrankariva amin’ny famaliana ny antsony ka tsy tokony hisalasala isika hanolo-tena tanteraka aminy, any amin’ny seham-piainana misy antsika tsirairay avy any. Io famaliana ny antson’i Jesoa io indrindra no hamafisin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika androany. « Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany » (Lk. 10: 1). Hita miharihary eto fa mifampitohy tanteraka ny Evanjely novakiana tamintsika tamin’ny Alahady heriny sy ny aroson’ny Fiangonana hovakiana amintsika androany. Manohy ny diany miakatra any Jerosalema i Jesoa ka sady « nandefa iraka nialoha azy » (Lk. 9: 52), no nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ka naniraka azy ireo tsiroaroa hialoha azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany araka ny voalaza amin’ity Evanjely ity.

Voalaza teto ihany koa fa nandeha ireo iraka nalefan’i Jesoa hialoha lalana azy ireo « ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritana, mba hanomana ny fandraisana azy; fa tsy nisy nandray azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny azy » (Lk. 9: 52 – 53). Nony nahita izany ny mpianatra dia tezitra mafy ary niangavy an’i Jesoa mihintsy mba handatsaka afo avy any an-danitra handevona izany tanana izany. Tsy nanaiky izany anefa i Jesoa fa nananatra mafy azy ireo ary niteny hoe : « Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy. Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. » (Lk. 9: 56). Io fandehanan’i Jesoa tany amin’ny vohitra hafa io no nahatonga an’i Jesoa hiteny tamin’ny mpianatra fa « Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany » (Lk. 10: 2). Hitantsika amin’izao fa na tsy nandray azy aza ny olona tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritana dia nandray azy kosa ireo tanana hafa ary izay no nahatsapany fa tena maro ireo olona miandry azy ary tsy vitany samirery ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka nahatonga azy nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa.

Tsy ny olona rehetra anefa no nandray izany Vaovao Mahafaly notorin’i Jesoa sy ny mpianatra izany, porofon’izany ireo tanana tsy nenty nandray azy ka nahatonga azy haniraka ireo mpianatra ireo manao hoe : « mandehana; indro aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia » (Lk. 10: 3). Fantatr’i Jesoa mazava tsara fa tsy mora io asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly io. Fantany rahateo fa miakatra any Jerosalema izy ka ny fijaliana sy ny fahafatesana no miandry azy. Izany fijaliana sy fahafatesana izany ihany koa no miandry ireo mpianatra izay nirahiny. Izany no antony nilazan’i Jesoa tamin’izy ireo mialoha mba ho vonona satria ireo mpanenjika ireo dia tahaka ny amboadia masiaka izay tsy hamela azy ireo hilamina fa hampijaly sy hitarika azy ireo amin’ny fahafatesana. Io fahafatesana noho ny fanenjehana io indrindra no nianjady tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa, ary izany fanenjehana izany dia mbola misy hatramin’izao andro iainantsika izao satria mbola maro ireo Kristianina sy mpitondra fivavahana izay ianjadian’izany fanenjehana izany ankehitriny.

Adidy mipetraka amintsika vita Batemy rehetra ary ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ireo mpianatra roa amby fitopolo lahy hafa izay nirahin’i Jesoa dia misolo-tena antsika rehetra. Isika ihany koa anefa no asain’i Jesoa handray ireo mpianatra irahiny manokana hitory ny Vaovao Mahafaly. Ambaran’i Jesoa ary fa isaky ny mandray ireny mpianatra irahin’i Jesoa ireny isika dia mandray ny fiadanana avy aminy. « Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany » (Lk. 10: 5 – 6). Hitantsika amin’izao fa andraisana fahasoavana manokana, dia ny fiadanana avy amin’i Jesoa ny fandraisantsika amim-pitiavana ny mpianatra irahiny.

Tokony hazava tsara amintsika anefa fa tsy ny fandraisana izay mpianatra izay any an-trano fotsiny no ahafahantsika mandray fahasoavana fa eo ihany koa ny fihainoana sy fandraisana ny teny izay torin’ireo mpianatra ireo indrindra amin’ny alalan’ny fiaraha-mivavaka isaky ny Alahady any ampiangonana. Ka na aza ny filazana fa adidy mipetraka amintsika vita Batemy rehetra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, dia misy ihany ireo izay antsoin’i Jesoa manonkana, dia ireo nandray ny Sakramentan’ny Filaharana ka manatanteraka ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny maha Eveka dimbin’ny Apostoly otronin’ny Pretra sy ny Diakra izay manampy azy ireo. Noho izany dia manana adidy lehibe isika hanohana azy ireo amin’izany asa masina nanirahan’i Jesoa azy ireo izany.

Ny adidintsika voalohany indrindra dia ny mivavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra satria voalazan’i Jesoa androany fa « be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany » (Lk. 10: 2). Manaraka izany dia manana adidy ihany koa isika rehetra hanohana azy ireo amin’ny lafiny rehetra mba hahafahan’izy ireo manatanteraka amim-pitiavana ny asa nanirahan’i Jesoa azy ireo. Eto no anasan’ny Fiangonana antsika hiezaka hanatanteraka amim-pitiavana ireo adidy izay andraisantsika anjara amin’ny fanohanana ny asa fitorina ny Vaovao Mahafaly. Manoloana izany anefa dia mazava ny tenin’i Jesoa tamin’ny mpiananatra izay manainga azy ireo mba hifantoka tanteraka amin’ny asa fitorina ny Vaovao mahafaly fa tsy ho variana amin’ny fiahiana be loatra izao fiainana izao. « Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dàlana… Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano » (Lk. 10: 4, 7). Miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona izao mba ho maro ireo hamaly ny antson’i Jesoa amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka hahafoy tena, hanompo ny olona rehetra ary ho tsara fitondran-tena ao anatin’ny fahamasinana tanteraka.

Vakiteny I : Iz. 66:10-14,
Vakiteny II : Ga. 6:14-18,
Evanjely : Lk. 10:1-12,17-20,

P. Louis Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101