Velomin'Andriamanitra amin'ny mofo avy any aminy isika

Alahady 29 jolay 2012, Mandavantaona – 17, Taona B

Manomboka amin’ity alahady ity, toy ny mahazatra isan-taona ny fandinihana manokana mikasika ny ampahany mafonja indrindra ao amin’ny Evanjelin’i Joany, dia ny toko fahenina izay miresaka ny mofo-Aina fototry ny famonjena antsika mba hahazoantsika ny Aina mandrakizay tsy misy fetra ao aminy. Manampy antsika amin’ny fibanjinana izany ny Salamo izay aroso handinihana ny vakiteny voalohany.

Ny vakiteny voalohany tokoa mantsy dia mitantara  an’i Elisea, ilay mpanompon’Andriamanitra, nandidy ilay lehilahy avy any Baala-Salira nanolotra santa-bary mba hanome izany hohanin’ny olona zato teo antrehany. Nihinana tokao ny olona ary mbola nisy ambiny sisa tsy lany araka ny tenin’Andriamanitra (cf 2Mpanj 4,42-44). Eny manokatra ny tanany tokoa ny Tompo ary mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra (cf Sal 144). Koa efa nampirasin’ny Tompo isika, ary finoana iray, sy batemy iray no mampiray antsika rehetra ao aminy ary tsy misy afa-tsy tena iray isika ny arak’izany (Efez 4,1-6).

Tandindona ihany ny an’ny Testamenta Taloha fa i Jesoa no tena nanatanteraka ny fampitomboana ny mofo, ary ny Evanjely anio dia mamphahafantatra antsika izany. Nampanaraniny fò ny olona ary nomeny izay mahavoky azy ireo tokoa. Teo no nahafantaran’ireo mpianany fa izy no ilay Mpaminany (voahosotra) ho avy amin’izay tontolo izao. Saingy noho ny tsy fahatakaran’izy ireo lalina dia nikasa haka azy ho mpnajaka izy ireo (Joany 6,1-15). Koa aza hadino fa ny fizaràna ny Mofo (Eokaristia) no manampy aantsika hahalala bebe kokoa ny Tompo, toy ireo mpianatra roalahy tany Emaosy fahiny.

Ry Jesoa Mofo-aina mamelona anay o, aza avela hisaraka aminao izahay. Ianao tokoa ilay Mofon’Aina Mahavelona mandrakizay koa aza avelanao hisaraka aminao izahay!


Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101