Alahady 02 septambra 2012, Mandavantaona – 22, Taona B
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona tokoa ankehitriny ny atao heo fahafahana sy fandriampahalemana. Tsy misy fiainana tsy misy fitsipika na dina amam-pepetra, kanefa dia maro ireo mihambo ho olon’afaka ankehitriny izao; ary tsy misy fahafahana gaboraraka, nefa be koa no tsy te hanara-dalàna. Toa ireo Vahoakan’Andriamanitra fahiny, maro ny vahoaka ankehitriny no latsaka an-katerena sy mijaly fa tsy te hizotra amin’ny fitsipi-pahafahana tena izy. Ny nataon’i Moizy fahiny tany an’efitra no hanampy antsika handinika izany, satria mba ho afa-niditra tao amin’ny tany nampanantenaina, izay miantoka ny fahafahany ny Israelita, dia nisy ny fitsipika tsy maintsy narahiny (cf Det 4,-2.8-6). Ny tsy fahampian’ny fankatoavana ny Lalàna velona dia isan’ny mahatara fandrosoana amin’ny lafiny maro ny firenena anankiray no sady mampikorosy fahana azy, ary izany koa no nihatra, saika matetika, tamin’ny Israely.
I Jakôba no mampahatsiahy antsika mba tsy hamita-tena amin’ny hevi-poana fa mba hiezaka ho mpanatanteraka ny teny fa tsy ho mpihaino fotsiny. Ampahatsiahiviny fa ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo natrehan’Andriamanitra Ray dia ny manampy ny kamboty sy ny mpitondra tena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao, koa aoka handray amin-kalemem-panahy ny voa afafy ao anatisntsika isika izay antoky ny famonjena dia ny Tenin’Andriamanitra (cf Jak 1,17-18.21-22.27). Fadio àry ny maneso ny hafa sy manisy ratsy ny mpiara-monina, mivadika amin’ny teny nomena na ho voasingotra aza ny tena; fakam-panahy izany koa ialao ny lainga sy ny ratsy dia tsy hihontsona mandrakizay ianao (cf Sal 14).
Koa i Jesoa mihitsy no manamafy ny amin’ny hialantsika amin’ny fanaon’ny olona fa kosa hitandrina sy hanaraka ny didin’Andriamanitra am-pitiavana. Aoka mba tsy hanaja ny Tompo amin’ny molotra fotsiny, nefa ny fò lavitra Azy, ka hiharan’ny tenin’Izaia mpaminany fahiny. Aza hadino hoy i Jesoa fa tsy ny zavatra avy any ivelany izay miditra amin’ny vavan’ny olona ka ariana any ivelany no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao avy ao naty, dia avy amin’ny fony izay iavian’ny sain-dratsy isakarazany toy ny: fakam-badin’olona, fijangajangana, famonoana olona, halatra, fahihirana, hasomparana, hafetsen-dratsy, fijejojejoana, fialonana, vava sy teny ratsy, fiavonavonana, fahadalana, ireo no mahaloto ny olona, hoy i Jesoa (cf Mk 7,18.14-15.21-23). Noho izany, samia mandini-tena fa izay mivelona ny teny sy ny didim-pitiavana napetraky ny Tompo no tena velona sy miaina ao anatin’ny fahafahana marina sy tena izy. Sambatra tokoa ny olona mitoky amin’ny Tompo sy manao ny sitrany, fa ho velona mandrakizay izy.
Ny Teninao ry Tompo dia teny mahavelona ary teny-aina sady tenin’ny fiainana, koa velomy amin’ny hatsaramponao izahay mpanota ary aza avela hivily amin’ny làlanao izahay! Amen!
Benirina