Tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako

 

Alahady 25 novambra 2012, Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka,

Mandavantaona faha 34 (Taona B)

 

 

Mankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika androany. Ity no Alahady idirana amin’ny herinandro famaranana ny taona Litorjika ho antsika Katolika. Midika izany fa amin’ny Alahady herin’ny anio isika dia efa hiditra amin’ny taona Litorijika vaovao dia ny Alahady voalohany amin’ny Fiaviana. Rehefa tonga ny famaranana ny taona toa izao dia manao jeri-dodika ny tsirairay mahakasika ny fomba netiny niaina ny finoana nandritra ny taona manontolo. Izao ihany koa no fotana isaorana an’Andriamanitra tamin’ireo fahasona maro sesehena izay nomeny antsika nandritra izay taona izay. Indraindray dia maro no alaim-panahy tsy hijery afa-tsy izay zavatra tsy nety ka hadino fa ambony lavitra noho ny tsy fahombiazana ny fahasoavan’Andriamanitra koa anjaran’ny tsirairay no mibanjina izay fahasoavana izay ary misaotra an’Andriamanitra ka manakina aminy ny taona vaovao. 
 
Ho antsika Malagasy manokana raha izay fahasoavan’Andriamanitra izay no atao jeri-todika dia azo lazaina fa taom-pahasoavana tokoa raha ity taona 2012 ity satria ankatr’ireo fahasoavana samihafa noraisin’ny isam-batan’olona, isaky ny Paroasy sy Diosezy dia teo ny fanantanterahana ny fihaonam-ben’ny tanora izay natao tany Antsiranana ka nampiombona ny Vahoakan’Andriamanitra manerana ny Nosy. Teo ihany koa vao tsy ela akory izay ny nanambaran’ny Fiangonana ho Olomasina an’i Mompera Mompera Jacques Berthieu. Fahasoavana izany raha tsy hiteny afa-tsy ireo ohatra roa ireo isika ary anjarantsika tsirairay avy no manohy ny lisitr’ireo fahasoavana samihafa noraisina nandritra ity taona ity.
 
Mbola taom-pahasoavana ihany koa anefa no andrandraintsika satria manana ny lanjany manokana raha ny taona Litorjika vaovao no jerena. Ao anatin’ny taona natokana hiainana bebe kokoa ny Finoana isika satria efa nosokan’i Papa Benoît XVI tamin’ny 11 Oktobra 2012 teo izany taonan’ny Finoana izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny heritaonan’ny androany dia amin’ny Alahady fetin’i Kristy Mpanjaka 2013. Io Finoana iainantsika io ary no anaingan’ny Fiangonana antsika anio hibanjina an’i Kristy Mpanjaka. Izy no ilay mpitari-dalana antsika ary manoro antsika ny lalana tokony hizorana. Tsy tahaka ny fanjakana rehetra anefa ny fanjakany araka ny voalazan’ny Evanjely androany.
 
Ity Evanjely izay aroso amintsika ity dia tsy hafa fa ilay novankiantsika nandritra ny fankalazana ny Paka ihany. Teo anatrehan’i Pilaty i Jesoa ary nanontaniany hoe « Moa mpanjakan’ny Jody va hianao? » (Jo. 18: 33) Rehefa avy nanazava ny sain’i Pilaty Izy dia tsy isalasala nilaza hoe : « efa voalazanao. Mpanjaka aho » (Jo. 18: 37). Saingy notsindriany mafy fa tsy tahaka ny Mpanjaka rehetra izy, satria hoan’ny olona ny atao hoe Mpanjaka dia natao ho tompoina, fa ny an’i Jesoa kosa dia ny mifanohitra amin’izay ary io indrindra no nilazany mazava tsara teo anatrehan’i Pilaty nanao hoe : « Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisa’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain'ny Jody aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako » (Jo. 18: 36). 
 
Mampianatra antsika ary i Jesoa mba hahatsapa ny tena toetra tokony hanan’ireo izay omena andraikitra amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka na amin’ny firenena izany na eo anivon’ny fiarahamonina andavan’andro eny fa na dia aty amin’ny Fiangonana ihany koa aza. Ny fanjakan’i Jesoa dia fanjakan’ny fitiavana sy fanetren-tena ka ny manam-pahefana dia natao hanompo fa tsy ho tompoina, i Jesoa no ohatra velona fakan-tahaka ho antsika satria Izy no « ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany » (Fanambaràna 1 : 5). Andeha ary isika hibanjina ilay Mpanjakantsika izay nahafoy ny ainy ho fanavotana antsika ka isika samy isika ihany koa dia samy hahafoy tena ho fanompoana ny namana eo amin’ny seham-piainana misy antsika tsirairay avy.
 
P. Louis-Martin a.a.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107