Tsarovana anio ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema

01 avrily 2012. Alahady Sampakazo, Taona B

Ity alahady ity no andinihantsika manokana ny nidiran’ny Tompo tao Jerosalema tamin’ny fomba manetriketrika. Izany koa anefa no mampiditra antsika amin’ny Herinandro Masina izay andinihana manokana ny fijalian’ny Tompo Mpamonjy. Koa arak’izany àry, raisonao ho adidy ny miombona amin’ny Fiangonana eran-tany, handinika sy hibanjina ny fijalian’i Jesoa, ilay nahafoy ny Ainy ho antsika mpanota.

Faminaniana no ambaran’i Izaia raha milaza izy fa tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa azy ny tavany, ary “fantatro hoy izy fa tsy ho menatra aho”. Natolony an’ireo mpikapoka ny lamosiny ary tsy nihontsona velively tamin’ny fampahoriana natao azy izy, sady tsy ketraka na dia teo aza ny latsa nahatra taminy (Iz 50,4-7). Tao amin’i Jesoa no tanteraka izany rehetra izany. Toa nilaozan’Andriamanitra tokoa izy ary maty, tsy mba toy ny olona rehetra fa tamin’ny fahafatesana feno fanalam-baraka, toa very sy namoy fò tanteraka aza izy raha ny antsoantso nataony no dinihina (cf Sal 21)

Izany filatsahan’ny tenan’ny Zanak’Andriamanitra ho ambany indrindra izany dia ohatra ho antsika, mba hizakantsika ny Hazofijaliana miaraka aminy, mba ho mpandresy miraka aminy koa isika. Eny, nilatsa-Tenany ho ambany tokoa i Kristy ka nasandratr’Adriamanitra ambony indrindra, sy nomeny ny anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba hilefitra eo anoloany avokoa ny lohalika rehetra ary hiaiky fa i Jesoa dia Tompo efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra  (Fil 2,6-11). Ny fanompoantsika ny hafa sy ny famonjentsika ny namana mbamin’ny fahavalo aza, no isan’ny antoka hamohana ho antsika ny varavaran’ny famindram-pòn’Andriamanitra, hidirana any an-danitra.

Ny fitantarana ny Fijalian’i Jesoa Kristy araka ny Evanjely nosinoratr’i Marka (Mk 14,1-1547) no mampiharihary amintsika fa tia antsika tokoa Andriamanitra, ary te hanafaka antsika amin’ny ratsy rehetra, ka namela ny Eokaristia ny Zanany mba ho fanomezana antsika ny voaktry ny Sorona natolony teo Kalvery. Ny Eokaristia indrindra àry arak’izany no igohantsika dieny eto an-tany ny vokatry ny fanavotana nataon’i Jesoa Tompo, fa izany no faratampony amin’ny Sakramenta rehetra.

Maty ho antsika tokoa i Kristy fony isika mbola mpanota, nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny tena fitaivany. Eny, fara fitiavana no namoizan’ny Tompo ny ainy ho antsika! Ho Azy Tompo anie ny dera sy haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.186