Tia tsy manavaka ny Tompo

Alahady 09 septambra 2012, Mandavantaona – 23, Taona B

 

Araka ny teny faminaniana nampitain’i Isaiana mpaminany dia omen’Andriamanitra toky ny Vahoakany fa ny Tenany no ho avy hamonjy azy ireo, ka hampahiratra ny jamba sy hampalady ny mareina ary hampandeha ny kilemaina, dia hampisy loharano miboiboika any an’efitra Izy, hisy sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka rehetra, ny tany hay ho lasa farihy ary ny tany mangetana sy karakaina ho zary loharano (cf Iz 35,4-7a). Fiderana ny Tompo kosa moa no asetrin’ny mpanao salamo izany hasoan’ny Tompo izany, koa rariny isika raha hidera Azy fa efa notanterahiny tao amin’ny Jesoa ny famonjena antsika, ka ny fo ketraka sy reraka ary karakaina velombelominy amin’ny fahasoavany (cf Sal 145).

Izany tokoa no ahariharin’ny Evanjely anio, fa nanasitrana ilay lehilahy sady moana no marenina i Jesoa, rehefa avy nivavaka sy niandrandra ny lanitra. Talanjona loatra ireo vahoaka nahita izany ka niloa-bava hoe: “Tsara avokoa izay zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana izy” (cf Mk 7,31-37), izy tokoa mantsy ilay Teny tonga Nofo, Nofo [natolotra ho sorona ka] tonga Mofo Velona, Mofo zary Aina, Aina mamelona [antsika mpanota maty noho ny fahotana].

Tonga hanavotra antsika mpanota mahantra ny Tompo, koa aza asiana fizahan-tavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy, hony i Jakoba. Aoka hahay manaja ny olona rehetra isika ary hahay mitsinjo ny mahantra, fa izy ireny no nofidin’Andriamanitra ho mpanankarena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy (cf Jak 2,1-5).

Mila finiavana àry ny fiainana ny finoana, mila ezaka ny fitiavam-bavaka, ary mila finoana lalina ny vavaka ataontsika mba hitondra vokatra tsara sy mahomby kokoa hatrany. Toy izay nataon’ireo olona nitondra ilay marenina sady moana, nositrain’i Jesoa, noho ny finoan’izy ireo, dia aoka haharitra mandondona sy mangataka isika, fa ny mivavaka marina, hoy ny Katesizy kely fahiny, dia ny “mivavaka mitandrina sy am-panetrentena ary am-paharetana, matoky hahazo, ary mahazo”. Mitaky finoana izany!

Jesoa Tompo ô, ampio izahay mba hivelona ny finoana marina, hanana faharetana ka hanetry tena hatrany, hahay mitia sy manompo ny hafa, tsy hanavakavaka, hifampitsinjo sy hifanampy hatrany, ho voninahitry ny Anaranao masina! Amen!


Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099