Tia antsika mpanota ny Ray

18 marsa 2012. Alahady Karemy IV, Taona B



«Izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany» (Jo 3,20). Satria efa nirahin’ny Ray hanazava izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana, mba hanilo antsika sy hampamirapiratra ny asantsika izay natao hanomezana voninahitra Azy Tompo be fitiavana. Amin’izao Karemy izao indrindra no tokony hilozohantsika hanatona ilay tena fahazavana, fototry ny soa rehetra, dia i Kristy Mpanavotra sy Mpamonjy antsika mpanota.

Ireo Vahoakany fahiny dia niharan’ny hatezerany sy ny famindram-pony, fony izy ireo lasan-ko babo sy nafahiny (cf 2Tant 36,14-16.19-23), satria maro izy ireo no tia ny asan’ny maizina. Eny, mila mandini-tena isika, sao tsy mahatsapa ny tena hadisoantsika, ka diso fiheverana tanteraka, na koa manaraka lalan-diso ka manohy miaina ao anaty fahavetavetana miaraka amin’ireo firenena sy vahoaka tsy mety mino, ary zary isan’ny mandoto ny Fiangonan’Andriamanitra. Tsy tapaka ny iraka alefa eo afovoantsika, saingy enjehina sy tsiratsiraina izy ireny, toy ny niseho tany Israely fahiny, na koa toa izay nahazo ny Vahoaka tany an-tsesitany, fa maro no nandoto tena tamin’ny sampy sy ny fihodinana tamin’Andriamanitra sy nanenjik’ireo mpaminany. Raha miaiky heloka mantsy isika, miala amin’ny fitiavan-tena diso tafahoatra sy ny fahalotona amam-pinoanoam-poana isakarazany, dia ho diovin’ny Tompo ny fontsika ary ho heniky ny fahasoavany ny fianatsika. Raha mibebaka isika ka manatona azy dia handao ny fitiavan-karena sy voninahitra ka tsy hikatsaka afa-tsy izay hampandroso ny Fanjakany.

Koa ianao àry, na dia mbola ao natin’ny fahotana sy ny tsy fibebahabahana aza, aoka hahatsiaro tena fa mbola ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao anao, ary izany no namonjena anao. Misy moa sahy milaza fa mbola ela hono izy vao ho faty, ka izany no tsy iraharahany ny finoana noraisiny. Aza fatram-panjehy ny andro ho lava re rey olona ô! Efa akaiky ny Paka e, ary indro fa tonga sahady aza. Hatony àry Andriamanitra fa manankarena amin’ny famindram-po sy fahasoavana izy. Ny fahasoavany tokoa mantsy no namonjeny antsika noho ny finoana (cf Efez 2,4-10). Koa aza malain-kino fa raiso ny famonjena atolony dia ho velona ao aminy ianao sy ny ankohonanao ary havotany amin’ny loza aman’atambo ianao.

Tahaka ny nanandratan’i Moizy ny bibilava varahina tany an’efitra moa no nanandratana an’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba ho famonjena antsika. Hitan’izao tontolo izao ny asa nataony, ary mbola fantatra mandraka androany izany, saingy maro no malain-kino, na maro koa no zara fa mino, ka mianoka miaina ao natin’ny maizina sy ny manjavozavo, tsy mahita mangirana akory ny amin’ny atao hoe: tena fitiavana sy fihavanana ary fiombonana. Zary fombafomba fotsiny ny fandraisana Sakramenta. Koa mijoroa ianao ho tena vavolombelon’i Kristy eo amin’ny asa andavanandro, satria «izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra» (Jo 3,21). Aoka àry hazava ny asantsika ary mba ho ohatra sy fakan-tahaka isika kristinina any main’ny sehatra maro samihafa.

Ianao no hazavana ry Jesoa Kristy Tomponay, koa mba ampio izahay hanaraka ny làlana nosoritanao ho anay mba hahazoanay ny famonjena mandrakizay, na dia mpanota tsy mendrika aza, satria tia anay to anao tokoa ny Ray! Fenoy ny Fanahinao Masina izahay ary hazavao ny fò amam-panahinay!


Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099