26 Febroary 2012. Alahady Karemy I, Taona B
Noharina hiara-tsambatra ny olombelona, saingy tsy nizotra tamin’ny làlan’ny fiainana. Natao hihavana tsy tapaka amin’Andriamanitra izy ireo, nefa naniasia. Isan’ireo tantaram-pahariana izay sady mivaofy ny anton’ny fahafatesana no mampahatsiahy ny fitiavan’Andriamaitra antsika olombelona ny voalaza ao amin’ny Jenezy 9,8-15. Taorian’ny fahalotoan’ny zanak’olombelona dia nanampatra ny tanany Andriamanitra, mba ho fanafahana azy ireo amin’ny ratsy, ka nodiviny tamin’ny safodrano ny tany tontolo, efapolo andro sy efapolo alina. Nanao fanekem-pihavanana tamin’i Nôe sy ny zanany Andriamanitra, nametraka eny amin’ny rahon’ny lanitra ny avana (antsiben’Andriamanitra) ho famanataran’izany, satria tsy ny hahafaty mandrakizay ny mpanota no sitrany fa ny hibebehany sy hialany amin’ny lalan-dratsiny ary hivalozany mba hahazoany ny Aina mamelona tsy misy fetra (cf Ez 33,11; Taratasin’i Md Clémenta I, papa, ho an’ny Kôrentianina, 7,4-8s). Tsaroan’ny Tompo lalandava ny fanekeny ary tsy mivadika izy.
Mampahatsiahy antsika àry i Piera apôstôly ao amin’ny vakiteny faharoa fa, na i Kristy aza dia niaritra ny fahafatesana indray maka monja noho ny fahotantsika: novonoina tamin’ny nofo izy, fa novelomina tamin’ny fanahy. Io fanahy io izay nandehanany nitory ny teny tamin’ireo tsy nety nino fa voagadra tamin’ny andron’i Nôe no miasa ao aminy, ary noho ny ditran’ireo olona tamin’izany, dia olona valo monja no vaavotry ny sambo fiara, fa ny sisa ripaky ny safodrano. Ary amin’ny rano ankehitriny, dia amin’ny Batem,y izay tenan’io tandindona io, tsy ho fanadiovana ny vatana, fa ho fangatahana fò tsara amin’Andriamanitra no amonjena antsika, ao amin’i Kristy ilay efa nitsangana sy nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay (cf 1Pi 3,18-23). Koa raiso ny fanapaha-kevitra fa aza mitaredretra.
Mety hihevitra ianao fa mbola ho ela ny fotoana, nefa i Kristy ao amin’ny Evanjely anio no efa milaza mazava fa: “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”. Nambarany izany nony avy nalain’i Satana fanahy izy, fony izy nifady hanina sy nitoka-monina tany an’efitra nandritry ny efapolo andro sy efapolo alina (cf Mk 1,12-15). Aoka tsy hilefitra isika manoloana ireo fanakam-panahy, fa mater dien’ny ety an-tany izy ireny, raha tys mahay isika. Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto, koa aoka mba samy hahay mionona amin’ny anajra fanomezana noraisiny, fa tsy ho diso làlana hanao ariarizato am-pandriana na hanonofinofy fiainana milamina tsotra izao. Ady ny fiainana, koa sambatra izay miady sy milofo tsy tapana ao anaty fahamarinana sy faharetana, ny toy ireny mantsy no tafita lavitra.
Tompo ô, halaviro anay ny fanaovana mamy fo velona. Ampio izahay hahay mizara izay kely anananay. Aza avela hivily amin’ny lalanao izahay. Iantrao ny mpanota rehetra ary hetseho ny fon’ireo mpanan-karena mba hahay miondrika eo anoloanao, sy hibanjina ny voninahitrao ao amin’ireo madinika sy izay mila vonjy rehetra! Ho ano anie ry Tompo ny dera sy laza, omaly sy anio ary mandrakizay! Amena!
Benirina