Te hihavana amintsika ny Tompo

25 marsa 2012. Alahady Karemy V, Taona B

 

Fomba amin’ny tany maro ny manao fifanekena raha misy ny fisaraham-bazana na tsy fifankahazoana. Natao izany mba hamefena ny loza sy atambo mety hiseho, vokatry ny tsy fifankahazoana sy ny lonilony, natao koa mba hanamafisana orina ny fihavanana sy firaisan-kina. Ao anaty fanolorana sorona na fifampizarana ny manta sy ny masaka no anaovana izany matetika. Tsy azon’ireo olona mihambo ho moderina intsony izany ankehitriny ka zary manaonao foana izy ireo, ary mifamaly faty aza. Koa raha nampanantena ny Tompo, tamin’ny teniny nampitondrainy an’i Jeremia mpaminany, momba ilay fanekena vaovao izay tsy maintsy hataony, dia tsy noho ny aminy, fa noho ny fivadihan’ny vahoakany taminy, nefa tsy foiny sy tiany havotana.

Mazava ny teny ampiasain’ny Tompo raha milaza fa: «Indro avy ny andro […], hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà: Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo na dia vadiny aza Aho» (Jer 31,31-32). Ambarany koa: «Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely rehetra, rehefa afaka izany andro izany […]: hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izay ireo ho oloko. […]. Fa hahalala ahy avokoa izy rehetra na kely na lehibe […]. Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany» (Jer 31,33-34). Tao amin’i Kristy nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona no nanatanterahanAndriamanitra mivantana io faminaniana momba ny fanekena vaovao io, ary ny rà nalatsany teo amin’ny hazofijaliana sy ny tenany natolony hovonoina mba ho sakafo hamelona antsika no Sorona tsy mana-paharoa nisantarana sy nanorenana izany Fanekem-pihavanana Vaovao sady mandrakizay izany. Io indrindra no ankalazaintsika amin’ny Paka sy tsarovana isan’andro ao amin’ny Eokaristia.

Ny tatatasy ho an’ireo kristianina Hebrio no manamafy izany voalaza izany, satria nianatra ny fanekena i Kristy ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay. «Nanolotra fifonana sy fitarainana nombam-pivavahana tamin-dranomaso be tamin’Ilay nahavonjy azy tamin’ny fahafatesana [izy]» (Heb 5,7-6). Nohenoina tokoa ny fitarainany noho izy natahotra an’Andriamanitra, nianarany ny fanekena amam-pahoriana niaretany, ary efa tonga any amin’ny fanaperana izy ka zary fototry ny famonjena sy ny fanavotana mandrakizay ho an’izay manaiky Azy (cf Heb 5,8-9). Koa aoka hangataka ny famindram-pon’ny Tompo, ka homeny fò mahitsy sy madio isika amin’izao Karemy izao, fò tsy miolakolaka na miolikolika, fò tsotra sy matoky ary feno fitiavana sy fanantenana, noho ny finoana an’i Jesoa Tompo, izay efa ndray sy namonjy antsika mpanota maditra (cf Sal 50).

Raha nitady hihaona tamin’i Jesoa ireo Jentily tonga tao Jerosalema, dia nambaran’i Jesoa mazava fa: «Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona» (Jo 20,23); hoy koa izy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra fona izy, fa raha maty kosa izy dia mahavokatra be» (Jo 12,24). Lazainy fa tsy maintsy mahafoy ny ainy izay manaraka ny Tompo. Naborak’i Jesoa mazava koa fa mitebiteby ny fanahiny, nefa izany no nahatongavany. Nihanta tamin’ny Ray hoe: “omeo voninahitra ny Anaranao”. Dia nisy feo avy any an-danitra nilaza hoe: «Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray» (cf Jo 12,24-28). “Koa rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany aho, hoy ihany izy, dia hitarika ny olon-drehetra hanatona ahy” (Jo 12,32). Nambarany tamin’izany teny izany ny karazam-pahafatesana hahazo azy. Eny, ao anatin’ny mangidy tokoa no misy ny mamy, ary tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Koa aoka isika hisikina dieny izao, tsy hangatak’andro lava, hamolaka ny tenantsika sy ny fomba fiainantsika. Tsy misy ny lavorary nefa maro be koa ny miezaka ho lavorary. Mba isan’izany ve ianao? Raha tsia, miomana ary miova toetra dieny izao mba hanara-dia ny Tompo fa sao tara laotra.

Tianay ianao ry Jesoa, ary maminay tokoa ny honina ao an-tranon-dRainao, koa mba herezo re fa mbola reraka sy osa ary mora resy izahay! Omeo anay ny Fanahy mpanazava sy mpanadiao ary mpakahery sy mpizarazara ny fahasoavana rehetra ilainay hahavonjy anay.


Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102