04 marsa 2012. Alahady Karemy II, Taona B
Mafy ihany ny nahazo an’i Abrahama, rain’ny mpino, fa ny zanany lahitokana, hany maminy sy sitrany ary tsy foiny no tsy maintsy hatao sorona tany Môrìa, tsy nisalasala anefa izy fa notanterahiny izany. Kinanjo, nony voajoro ny altara na toerana fisaohanamasina najorony hisoronana ary efa nafatony ny i Isaaka, dia ny tompo no naniraka ny anjeliny mba handrara azy tsy hanao izany ary nanolotra azy ilay ondrilahy voasingotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony, koa dia io no nataon’izy mianaka sorona hiderana ny Tompo, ary ny Tompo nanavao indray ilay fanekeny tamin’i Abrahama sy nampahatsiahy ny fianianana efa anataony taminy tany aloha, fony izy niantso azy handao ny taniny ho any amin’ny tany nampanantenaina (cf Jen 22,1-2.9a.10-13.15-18). Toy izany koa isika raha mahafoy izay angatahin’ny Tompo amintsika, dia sady hahazo tombony be no tsy ho very mandeha na ho ravany ny efa ananantsika, eny fa na dia tsy ilaozam-pahoriana toy izay nanjoa an’i Jôba aza ny fiainatsika.
Eny, Andriamanitra koa dia tsy nandala ny tena Zanany, “fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?” hoy i Md Paoly. Koa tsy misy afaka miampanga antsika izay efa voafidin’Andriamanitra, hoy izy, fa efa maty hoa antsika i Kristy ary efa nitsangana ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra sady mifona ho antsika (cf Rôm 8,31b-34). Noho izany, tsy tokony hisalasala isika hanome ny Tompo izay ilainy amintsika, fa fahasoavana miampy fahasoavana no vokatr’izany. Zavatra tsotra ihany no takiny amintsika, fa hoy Izy: “[…] Avia ianareo, ry nosoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo” (Mt 25,31-46). Koa sambatra izay rehetra miezaka manenona sy mandrafitra lanitra dieny ety an-tany, amin’ny fahaiza-mampiasa ny harena sy ny zava-mandalo rehetra, ho fihariana rakitra maharitra mandrakizay hovantanina any an-koatra.
Ahariharin’Andriamanitra amin’izay mahafoy izao rehetra izao noho ny fitiavana Azy koa ny voninahiny, ry Piera sy Jakôba ary Joany no nisantatr’izany, tamin’ny andron’i Kristy, tamin’ny nahitany ny Tompo niova tarehy tany an-tendrombohitra (cf Mk 9,1-9). Mitohy izany ankehitriny ho an’ireo mahafoy ny tenany sy ny ainy ary ny fananany ho fanasoavana sy famonjena ny hafa ao amin’ny Tompo. Izany no mahatonga ireo olomasina lahika sy relijiozy ary pretra sy eveka na papa, izay samy nahafoy ny heriny sy ny hareny ho fanampiana ireo madinika sy mahantra ary ny marary. Be amin’ireo tantaran’ny olomasina no ahatsapana fa tsy mandao izay manompo sy mitia ny madinika mihitsy Andriamanitra, fa manampy sy manohana azy ireo mandrakariva.
Tompo ô, aza avela hisaraka aminao izahay! Ampio hahay manampy ireo madinika sy mahantra,ireo marary sy kilemaina, ireo mila vonjy sy mamoy fò, ireo hitsakitsahina ny zony, fa ampiasaina ho fitaovana hahazoana tombotsoa manokana, ireo terena hivaro-tena na manao izany tsy fidiny, ireo mahantra sy kamboty ary mananotena, ireo mila fanabeazana sy torohevitra aminay... Ampio izahay hahita sy hanompo Anao ao amin’izy ireo, dia hanome voninahitra tsy tapaka ny anaranao masina izahay! Amena!
Benirina