Alakamisy 17 may 2012, Fiakaran’ny Tompo
Alahady 20 may 2012, Taona B, Paka VII
Efa niakatra any an-danitra ny Tompo, lasa nanomana teorana ho antsika, koa tsy ho levona isika fa mbola ho avy Izy. Mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty. Resiny tokoa mantsy ny fahafatesana. Ary dia handresy ny fahafatesana miaraka aminy koa izay miezaka tsy tapaka haka tahaka Azy sy ny endriny.
Eny, Fitiavana sy Fahamarinana ny Tompo, izany no endrika sy ohatra tsara navelany, natao mba hianarana sy harahina. Koa raha nakarina teo imason’ny mpianatra izy dia nilentika any anaty rahona. Fa indro kosa ireo anjely, toa lehilahy niakanjo fotsy, niseho sy nanambara fa mbola ho avy indray Izy, tahaka ny nahitan’ireo mpianatra Azy niakatra (Asa 1,1-11). Efa any an-kavanan’Andriamanitra Izy, hotronin’ny anjely maro, any Izy no miketraka eo amin’ny fiandrianany, mandidy izao tontolo izao (Efez 1,17-23). Baiko àry no nomeny ireo mpianatra sy isika rehetra izao: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra” (Marka 16,15-20).
Mba tsy ho banga ny isan’ireo apôstôly, dia nifidy an’i Matiasy ireo mpianatra, hanamafy orina ny fitoriana sy ny fampielezana ny finoana an’i Kristy, Ilay Nitsangan-Ko Velona (Asa 1,15-17). Efa nanorina ny fiketrahany any an-danitra tokoa ny Tompo (Sal 102,11-12s), koa izay mitoetra ao amin’ny Fitiavana dia miray tanteraka aminy, na dia mbola tsy mahita Azy aza. Satria izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra koa dia ao aminy. Raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy. Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarana fa mitoetra ao aminy isika ary monina ao amintiska Izy. Izay miaiky fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra dia onenan’Andriamanitra sy monina ao aminy (1Jo 4,11-16).
Io “fitiavana marina” io no mampiray sy mampivelatra tanteraka antsika olombelona. Koa raha miezaka miaina ny fitiavana am-pahamarinana sy ara-drariny isika dia maka tahaka ny Tompo, ary hitovy endrika aminy, ho sahala aminy, ho tena olonafaka; hahita Azy ankarihary indray andro any rehefa miala eto an-tany, amin’ny andro farany. Izany no nitalahoan’i Jesoa antsika mba ho iray ihany isika rehetra izay manara-dia Azy sy mihaino ny teniny. Koa aoka hiezaka isika mba tsy ho olon’izao tontolo izao na dia eto amin’izao tontolo izao aza (Jo 17,11-19). Ny olon’izao tontolo izao dia tiatia kely ka matimatin’ny filam-bola sy dera ary voninahitra; ireo olon’ny Tompo kosa dia miezaka miasa isan’andro mba ho afa-mihary ny harena sy lovasoa maharitra mandrakizay any an-danitra. Tsy lavina fa, ilaina ny vola aman-karena, saingy tsy natao hitiavan-tena fa tokony hivelatra tanteraka koa mba ho fanasoavana ny hafa. Ilaina ny miasa tsara, saingy tsy natao hilam-boninahitra sy dera izany fa kosa natao hanomezana voninahitra ny Tompo sy ho fiderana Azy amin’ny fiainana andavanandro.
Tompo ô, homenao ny herin’ny Fanahy Masina anie izahay ka hahay hikatsaka ny soa iombonana, ao anaty Fitiavana sy fahamarina araka ny rariny sy ny hitsiny, eo am-panatontosana ny asa fanao isan’andro. Amen! Ary ao amin’ireo ezaka rehetra vitanay kosa, dia mba ho Anao irery anie ny dera sy laza ary ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay antaranoana! Aleloia!
Benirina