Hatrany hatrany dia tsapa fa mpiodina ary imbetsaka no tsy nanaraka ny sitraky ny Tompo sy ny Didiny ny Zanak’i Israely, nefa tsy maintsy hahalala izy ireo fa misy Mpaminany eo aminy (Ez 2,2-5). Na izany na tsy izany dia Andriamanitra no tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra ka izy no mandidy sy manapaka ny amin’ny tsy maintsy hiafaran’ny vahoakany; izy no tompon’ny teny farany, dia izany no antony nanirahany ireo Mpaminany hananatra sy hanoro làlana azy ireo.
Koa na osa sy malemy aza ireo mpaminany sy iraky ny Tompo, dia ny fahosany no lasa heriny, ka tsy isalasalan’i Paoly apôstôly ny milaza mazava fa: “Ny fahalemeko no ireharehako, mba hitoeran’ny herin’i Kristy ato amiko” (cf 2Kor 12,7-10). Ny fahadisoana lehibe mpahazo antsika Kristianina anefa dia ny tsy fahaiza-miaiky fa manana ny fetrany sy ny kilemany avokoa ny olombelona, na dia efa nibebaka aza. Noho izany, tsy maintsy miaiky ny fahalemeny ny tsirairay, mba hanomezany voninahitra ny Tompo. Tsy natao ho an’ny fanararaotana anefa izany fahalemena izany, fa natao ho an’ny fisandratana amin’ny fiezahana hanohitra ny fakam-panahy sy ny fanangolen’izao tontolo izao. Sambatra àry ny Kristianina izay mahay miaiky ny fahosany sy ny fahalemeny, fa ny toy izany no afaka mangoraka ny hafa. Eny, Mpisorona efa niaritra ny mafy tamin’ny zavatra rehetra toa antsika i Kristy, nefa kosa tsy nanota; tsy mba Mpisorobe tsy afaka mangoraka ireo halemena izay mpahazoantsika izy, arak’izany, fa be indra fò sy fitiavana, mahay mamela izay miaiky ny fahosany sy ny fahalemeny mbamin’ny kilemany (cf Heb 4,14-16).
Io fetra sy fahosana io indrindra no ahariharin’ny Evanjely anio, raha milaza i Jesoa fa tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny ihany. Notondroin’ireo mpiara-monina sy mpiray fiaviana aminy mazava i Jesoa fa: izy io tokoa no ilay mpandrafitra ary fantatr’izy ireo ny havany (Mk 6,1-6). Sakana ho an’ny fandraisantsika ny Evanjely matetika ny fanamavoana ireo mpitory, izay olona ifaneraserantsika matetika, samy manana fetrany sy ny kilemany. Tsy izany fetrany izany anefa no tena zava-dehibe fa ny finoana iainana ao anaty fanantenana sy fitiavana marina, ao anaty fifandeferana sy fifanampiana. Koa aoka isika hanao toy ny mpirahalahy mianala, toy ny nataon’ireo mpianatra fahiny araka ny ohatra nevelan’ireo apôstôly. Io fifanampiana io no tsy ampy amintsika kristianina indrindray ka mila fiheverana lalina.
Ampio izahay ry Jesoa, ary tantano am-pitivana, fa osa sy malemy, koa raha ny herinay ihany dia ho kivy eny an-dàlana eny izahay, manjary tsy hahatontosa ny irakao, fa maminay tokoa ny sitrakao! Amen!
Benirina