Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina

Pantekôty, Alahady 27 mai 2012, Taona B

Ny fankalazàna manetriketrika ny Pantekôty isan-taona no mamarana ny vanimpotoana fanaovana ny Komonion’ny Paka. Io no azo lazaina fa hany fety tokana mbola ifampizarantsika kristianina rehetra amin’ireo Hebrio zokibentsika ao amin’ny finoana Ilay hany Andriamanitra tokana. Io no andro nisehoan’ny Fiangonana voalohany ampahibemaso taorian’ny nitanganan’i Kristy ho velona. Ity no andro toa naneho ny fahatanterahan’ny fanirian’ny olona maro mba hiteny amin’ny fiteny tokana. Tontosa kosa ny faminaniana ary mbola ainantsika hatrany ny vokany satria efa nandresy tokoa i Kristy.

Ny faharavan’ny fiombonam-pitenenana tao Babela tokoa mantsy no toa zary niravona teto, satria na samy hafa fiteny aza ireo olona tao Jerosalema dia samy naheno ny apôstôly miteny amin’ny fiteniny avy, ary samy gaga teo anatrehan’ny asan’ny Tompo (Asa 2,1-11). Ny fofon’ain’ny Tompo tokoa mantsy no manavao endrika ny tany ary anantenantsika rehetra ny fitsanganan-ko velona ao amin’i Kristy (Sal 103).

Zava-dehibe ny asan’ny Fanahy Masina ao anatintsika ao, satria ny fitiavana sy ny fifaliana ary fiadanam-pò no vokatra entiny (Gal 5,16-25). Io Fanahy io no mitari-dàlana antsika amin’ny marina rehetra sy mampianatra antsika ny zavatra rehetra. Ary tahaka ny nanirahan’ny ray an’i Kristy no anirahany antsika rehetra koa mba ho vavolombelony hatrany am-paravazan-tany. Maro ny zavatra tsy voalazan’i Kristy tamin’ny mpianany, saingy rehefa nandray ny fanahy Masina izy ireo dia nisokatra ny sain’izy ireo ary tsy nisy tahotra intsony. Arak’izany àry dia nomen’ny ray voninahitra i Kristy ilay efa nankalazaintsika tamin’ny paka ny fandreseny, fa homen’ny Tompo voninahitra koa isika raha manatanteraka izay andidiany, dia ny mba hifankatiavantsika rehetra izany (Joany1526-27; 16,12-15).

Tsara kao anefa ny manamarika eto am-pamaranana fa ny Fanahy Masina hatrany no miasa mitaona antsika hanatona ny Tompo, sy manorohevitra mba hampibebaka ny olona hialany amin’ny lalan-dratsiny. Io Fanahy io no nanilo ny Ntaolo, ary nanazava ny sain’ireo Razambe fahiny hatramin’ny andron’ny Noeé sy Abrahama, ary talohan’izany mihitsy aza, sy mandraka ankehitriny izao. Io Fanahy io no mbola mitaona ireo mpanota sy mpanompo sampy handao ny asa ratsiny avy.

Tompo ô, mba omeo ny herin’ny Fanahy Masina izahay, hahay mikatsaka ny soa iombonana, ao anaty Fitiavana sy fahamarina araka ny rariny sy ny hitsiny, eo am-panatontosana ny asa fanaonay andavanandro. Amen! Ary ireo ezaka kely mba vitanay anie mba ho an’ny fiderana Anao irery sy ho fankalazàna ny voninahitra! Aleloia!



Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331