Alahady tsotra faha 11 Mandavan-taona - Taona B
Lalina ny fitiavan’ny Tompo antsika mpanota, fa manandratra ireo ambany Izy, ary manetry ny ambony; izany no tian’ny vakiteny voalohany hambara raha miteny amin’ny sary an’ohatra ny mpaminany masina (cf Ez 17,22-24). Moa tsy ny Fiangonan’Andriamanitra ve no tandindomin’izany?
Ny Finoana kosa no andehanantsika fa tsy ny fahitana akory, koa zava-dehibe ny miantehatra amin’ny finoana ho an’izay te handroso sy maniry hahomby eo amin’ny fiainana (cf 2Kor 5,6-11). Aza tapahina àry ny alahady sy ny andro fety, raha mbola azo atao ihany izany ka misy ny hoe: azon-tsampona. Fa tsy misy tsy azo atao ho an’izay rehetra mino, afaka misedra ny mafy rehetra ny olona be finoana sy feno fitiavana ,satria manantena lalandava ny Tompo Hery, Vatolampy sy Vonjintsika.
Ny Fanjakan’ny lanitra kosa, hoy ny Evanjely, dia toy ny voa afafy, mitsiry ho azy ary mitombo sy miova miandalana ka mamoa sy mamokatra be, ary jinjaina rehefa tonga ny fotoana ahavokarany; toy ny voantsinapy koa izy, izay kely indrindra amin’ny voa eto ambinin’ny tany raha vao afafy, kanefa kosa tonga lehibe indrindra min’ny anana mitsiry rehetra eny antsaha izy, mandrantsana ary azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony (Mk 4,26-34). Toy izany koa ny finoantsika raha voakolokolo amin’ny fitiavam-bavaka marina, arahin’asa sy fahafoizan-tena.
Ry Jesoa Kristy izay raisinay matetika ao amin’ny Eokaristia ô! Oneno sy anjakao izahay! Ary aoka mba hamoa be dia be ao aminay ny herin’ny fahasoavanao! Amen!
Benirina