Mifety havaloana ny Fiangonana, mahatsiaro ny Tompo mpandresy!

Havaloanandron’ny Paka

Alahady 08 avrily, Paka 2012 , Taona B.

Alahady 15 avrily 2012, Paka II

 

Nandresy ny Tompo, efa nandrava ny fahafatesana Izy! Efa niseho tamin’ny mpianatra Izy ary naniraka azy ireo hitety ny tany tontolo hanambara izany sy history ny famonjena ny olombelona. Ireo vakiteny rehetra mandritry ireto Havaloanandro Masina ireto dia manantitrantitra izany avokoa. Rava ny haizina ary miharihary ankehitriny ilay fahazavana lehibe, dia izy Jesoa Kristy ilay nandresy ny fahafatesana sy santatra ho antsika.

Nandray izany fahazavana izany isika rehefa natao Batemy, ary miezaka mitondra izany ho eo amin’ny namantsika, na aiza na aiza alehantsika, na inona na inona ataontsika. Marina fa tsy lavorary isika, saingy kosa voaantso ho lavorary sy handavorary ny fiainantsika. I Kristy no manome antsika ny fahasoavana hahatongavana amin’izany. Ny Fanahy Masina no manampy antsika hahatratra an’izany. Ny Paka izay ankalazaintsika, mifarana amin’ny pantekoty kosa no mampiharihary izany, ka ijoroantsika hatrany ho vavolombelona mahery fò, manoloana ny ady atrehina isan’andro sy eo ampanatontosana ny adidy isakarazany.

Niseho tamin’ireo vehivavy masina sy ny mpianatra ary ireo nanara-dia azy i Jesoa rehefa nitsangana. Tamin’ny Sefasy aloha vao tamin’ny apostoly sisa rehetra, ary nony farany dia mba nisehoany koa i Paoly, izay milaza ny tenany ho tsy tongavolana. Ankehitriny kosa anefa dia mbola manohy miseho amintsika ny Tompo ary manome hery antsika tsy tapaka. Koa ny fandinihana tsy tapaka ny Soratra Masina, ny fandraisana matetika ny Sakramenta, indrindra ny Konfesy sy ny Eokaristia, no hanampy antsika hivelona bebe kokoa hatrany ny hafaliana vokatry ny  Paka sy ny fijoroana ho vavolombelona.

Ampiasao àry ireo fitaovana ahafahana miserasera samihafa ananantsika mba hampitana ny Fiadanana sy ny Vaovao Mahafaly amin’ny hafa. Ao ny boky sy gazety, ny teny sy hafatra ampitaina amin’ny serasera sy ny radio mbamin’ny tv sy ny net isakarazany ary ny finday. Trandraho ho an’ny tsara izy ireny ary ampiasao mba hampitana hafaliana mahasoa ho an’ny hafa, satria fomba fitoriana avokoa izany. Fitiavana mendrika ny lanitra sy ny maha olona feno antsika no aoka ho torina tsy tapaka, fa andosiro kosa ny fitiavan-tena sy ny fanararaotana nyy zava-mandalo isakarazany.

Toa an’i Tomà, dia aoka mba hino isika, ary aza malain-kino, satria ny lanitra no hany anjaralovantsika, ary ny tany kosa lovan-janak’i Adama. Mifantoha amin’ny marina sy ny rariny hatranyy àry isika, mba ho tena mpandresy miaraka amin’i Kristy izay ankalazaintsika manokana amin’ireto andro lehibe ireto. Raiso ny famindram-pon’ny Tompo ary raiso sy itafio ny fahasoavana atolony ka asehoy an’asa. Izany no mariky ny fandresena santarintsika miaraka aminy dieny mbola ety an-tany, fa hiainantsika mandrakizay kosa any an-danitra.

Maty ho antsika i Kristy fony isika mbola mpanota, nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny tena fitaivany. Eny, fara fitiavana no namoizan’ny Tompo ny ainy ho antsika! Ary efa niditra amin’ny voninahiny izy ka omeo dera sy laza ao aminy ny Trinitè Masina !


Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1031