Alakamisy 01 novambra 2012, Fankalazana ny Olomasina rehetra
Ity Alakamisy 01 novambra ity no ankalazan’ny Fiangonana ny Fetin’ny Olomasina rehetra. Fety voadidy hohamasinina izy ity, izany hoe natao handehanana any ampiangonana toy ny Alahady. Izay no mahatonga ny ankamaroan’ny Firenena hanao azy ity ho andro tsy iasana. Misy anefa ny Firenena sasany tsy manao izany ka mahatonga ny olona tsimaintsy hiasa ary tsy afaka ho any ampiangonana anio. Na afaka ho any ampiangonana ary ianao anio na voatery hiasa noho ny antony tsy miakina aminao dia aoka ho tsaroana mandrakariva fa momba antsika Andriamanitra ary mandrotsaka ny fahasoavany ho antsika izy noho ny vavaka ataon’ireo Olomasina ho antsika.
Ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika anio dia manazava amintsika ny anjara toerana misy ny Olomasina. Misy ny mitsikera antsika Katolika fa mivavaka amin’ny Olomasina ary porofon’izany izao andro natokana hankalazana ny Olomasina rehetra izao. Tsotra anefa ny fampianaran’ny Fiangonana ho antsika, tsy mivavaka amin’ny Olomasina isika satria olombelona niaina tahaka antsika ihany izy ireny. Ny Vakiteny voalohany aroson’ny Fiangonana anio dia manamafy izany. « Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia » (Fanambaràna : 7, 9). Olombelona tahaka antsika rehtra ihany ny Olomasina saingy niezaka niaina sy nanaraka ny Didin’Andriamanitra izy ireo, ka sady nanao asa soa no niaritra ihany koa ny fanenjehana sy fampijaliana samihafa. « Tamin’izay, ny iray tamin'ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no nihaviany? Dia hoy ny navaliko azy: Hianao no mahalala, Tompoko. Ary hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry » (Fanambaràna : 7, 13 – 14).
Ity voalazan’ny Fanambaràna nosoratan’i Md Joany ity no hamafisin’ny Evanjely izay aroso antsika androany ka milaza amintsika fa : « Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. 5Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra hianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo » (Matio 5: 3 – 12a).
Ireo toetra voalazan’i Jesoa amin’ny Evanjely ireo no niainan’ny Olomasina rehetra ka nahatonga azy ireo himbona hasambarana amin’Andriamanitra mandrakizay. Isika rehetra ihany koa dia asain’ny Fiangonana hiaina io toro-hevitra voalazan’ny Evanjely io. Midika izany fa isika ihany koa dia afaka tonga olomasina tahaka ireo zokintsika efa sambatra any andanitra. Raha jerena ny tantaram-piainan’ireo Olomasina ireo dia tsy mifanalavitra loatra amin’ny fiainantsika, nisy tamin’izy ireo aza nanana fiainana tsy dia tsara loatra noho ny antsika nefa rehefa nibebaka sy nanantona an’Andriamanitra dia tonga Olomasina lehibe sady malaza. Mazava araka izany fa tsy mivavaka amin’ny Olomasina isika fa miara-mivavaka amin’izy ireo, ary izy ireo ihany koa dia mivavaka ho antsika. Amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Olomasina rehetra izao ary dia mivavaka isika miaraka amin’ny Olomasina rehetra mba tena hanana fahavononana hiaina ny hasambarana voalazan’i Jesoa ao amin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana anio ka ho sambatra sy ho masina ary ho tafahaona amin’ireo Olomasina rehetra any an-danitra rehefa tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity.
P. Louis-Martin a.a.