Mibebaha ary minoa ny Evanjely!

22 Febroary 2012. Alarobian’ny Lavenona, Taona B

 

Atao isan-taona ny fanosorana lavenona, saingy toa rano atondraka gisa izany raha ny zava-misy iainana ankehitriny no dinihina, izay toa zary afobe latsaka an-tany no iainan’ny maro. Mila mandinika isika kristianina aty Afrika sy Madagasikara, fa avo tokoa ny fanamby miandry antsika hiady amin’ny tsy rariny sy ny tsy filaminana ary korontan-dava isan-karazany, izay toa vokatry ny fitiavan-tena sy fitiavam-boninahitra avokoa. Sa ve ny hakamoan’ireo mba nahita solaitra no olana? Fiainam-panahy no resahina, nefa vary sy rano ny vatana sy ny fanahy ka tsy afa-mifandao, koa dia ialana tsiny fa dia ny mahitsy ihany ny anay.

Ry olona sahy mihambo ho marina sy milaza ny tenany ho tsy andairan-doto. Ny fonao re no rovidrovito fa aza ny Firenenao. Ny toetra ratsy mpanao mamy fò velona ao anatinao no potipoteho, fa aza ny mpiray Tanindrazana aminao no atao sorona. Ny sain-dratsy sy ny avonavona mameno ny fiainanao re no aripaho, fa aza ny hazo any an’ala sy ny tontolo iainana no simbaina. Eny, be indra fò ny Tompo, tsy malaky tezitra izy. Tsy hanary anao izy raha mibebaka ianao ka miverina aminy faingana. Anenenany avokoa ny loza kasainy hafitsoka aminao, raha mizotra ho amin’ny fivalozana ianao (cf Joely 2,12-18).

Koa ialao ny fihatsaram-belatsihy rehetra ary izory ny làlana manome ny aina mahavelona, dieny ety an-tany sy rahatrizay any an-koatra. Raha nisy ny hadisoanao, ny tsy nety natao, dia mba mieke ka miantsoa azy hoe: «Iantrao aho, ry Andriamanitra, araka ny hatsaram-ponao, fafao re ny heloko, ary diovy ny otako... Eny, miaiky heloka aho ry Tompo!...» (Sal 50,3-4s).

Mihavàna amin’Andriamanitra dieny izao, ianao sy ny ankohonanao mbamin’ny Firenenao. Dieny mbola misy ny atao hoe anio, ankehitriny, izay fotoana tsara… Fa i Jesoa Kristy, ilay tsy nahalala ota, dia nanao ny tenany ho ota ho antsika, mba ho fanamarinana antsika ao amin’Andriamanitra (cf 2Kôr 5,20-6,2).

Hataonao am-pinoana sy fitiavana ary tsy misy filan-dera àry, arak’izany, ny asa fiantrana ataonao, ny fibebahana irosoanao, ny fiovàna kasainao sy tanterahinao. Amin’izay ilay Rainao mahita ny ao amin’ny miafina indrindra no hamaly soa anao (cf Mt 6,1-6s). Ka tandremo ny lalivain’ny tia voninahitra sy mpila toerana hiketrahana, fa ho azy ireo dia efa azony ny voninahitra, satria efa ireharehany sahady ny vokatry ny tsy rariny, angejany ireo mandinika sy mahantra, tolorany ambim-bava mba ho tamby fampanginana…

Ry Ray mandrakizay ô! Tsofy rano re ny Vahoakanao fa mitodika aminao, miandrandra famonjena. Ho avy tokoa anie ny fotoana hanagananao ireo lavo sy mbola tsy tafarina, fa gejaina sy hosena ary tsy mba misy hantenaina. Manatona anao ny Vahoakanao, hihaino ny teny tò avy aminao, fa izao tokoa no andro fiovàna sy fibebahana, hahatonga ho olom-baovao. Koa rotsahy ny fahasoavanao izahay ary omeo ny famonjena ilainy ny mpiomana amin’ny Batemy; ary enganie izahay rehetra mba samy ho mendrika ny lanitra hany najaralovanay mandrakizay! Amena!

Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0279