Mendrika hatao ny sitraky ny Tompo Andriamanitra

19 Febroary 2012. Alahady tsotra faha-7, Taona B

 

Asain’ny Tompo isika mba tsy hihevitra ny lasa intsony, araka ny voalazan’Izaia Mpaminany ao amin’ny vakiteny voalohany anio. Hanao zava-mahagaga ny Tompo. Hadinoiny ny fahotanao noho ny fitiavany ny tenany mba hamonjeny antsika ao aminy (cf Iz 43,18-19ss). Mamindra fo ny Tompo ary mendrika harahina ny sitrapony satria izany no lalana mankany amin’ny fiainana.

Ahariharin’i Jesoa fa manam-pahefana hanafaka amin’ny fahotana ny Zanak’olona ety an-tany, tamin’ny fanasitranany ilay malemy sy nandidiany azy hibata ny fandriany. Sitrana tokoa ilay malemy ary nankalaza an’Andriamanitra ny olona (cf Mk 2,1-12). Koa zava-dehibe ny finoana ny famelan-keloka izay fototry ny fanasitranana rehetra, hatrany amin’ny atifanahintsika mihitsy aza.

Koa ny Apôstôly Paoly no mampianatra antsika ny tena fanekena ny sitraky ny Tompo, fototry ny fahavelomana ao amin’ny sitrapony, satria tsy mba nisy “eny” sy “tsia” tao amin’i Kristy fa “eny” ihany, satria Andrimanitra no naha-voahosotra antsika ao amin’i Kristy, sady nanome ny Fanahy Masina ho antoka ao am-pontsika (cf 2Kôr 1,18-22). Ny herin’izany Fanahy izany no mampatanjaka ny Fiangonana sy antsika zanany tsy ho resin’ny ratsy fa handresy ny rofy rehetra ary handrodana ny herin’i Satana.

Koa sambatra ny olona mitoky amin’ny Tompo, fa havotany izy. Sambatra izay manao ny sotrapony fa harovany. Sambatra izany manaraka ny lalany sy ny sitrapony fa hahazo ny fiainana. Sambatra ireo be fiantrana sy mahitsy amin’ny asany fa hambininy mandakariva.

Tompo ô, halaviro anay ny fitiavan-tena sy ny fahalainana ary ny tsy fahavononana hanao ny sitraponao. Omeo hery izahay amin’izao Karemy ho diavinay izao mba hahay mitsinjo ny hafa sy ny soa iombonana. Afaho amin’ny loza ireto zanakao, ary vonjeo amin’ny mahory, ka ho mendrika hanondrotra tsy tapaka ny fiderana Anao ilay hany Avo indrindra, andrandrain’ny firenena rehetra.


Benirina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0542