Alahady 14 oktobra 2012, Mandavantaona faha 28 (Taona B)
Fotoam-pahasoavana lehibe ho an’ny Fiangonana tokoa raha ity volana Oktobra ity. Nambarantsika teto tamin’ny heriny fa ity herin’andro ity no natokan’ny Fiangonana hiainana bebe kokoa ny aim-pahasoavana nolovana tamin’ny Konsily Vatikana Faharoa izay feno dimapolo taona tamin’ny 11 Oktobra teo ny nanokafana azy. Tamin’ny fomba manetriketrika no nianantsika mianankavy io fotoan-dehibe io ary niombonantsika tamin’ny Papa Ray Masina sy ny Fiangonana manontolo. Tafiditra tanteraka ato anatin’ny taona natokana ho an’ny Finoana isika izao ary izany indrindra no hamafisin’ireo Vakiteny aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady faha valo ambiroapolo mandavantaona ity.
Azao eritreretina fa nentanin’ny finoana ilay lehilahy iray ka tsy nisalasala nanatona an’i Jesoa nanontany azy hoe « Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? » (Mk 10: 18) Tsy nisalasala i Jeso anamaly azy hoe « Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao. » (Mk 10: 20) Saingy novalian’ilay lehilahy hoe « Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany. » (Mk 10: 21) Ary hoy i Jesoa namaly azy « Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. » (Mk 10: 22)
Eto no mipetraka ny maha zava-dehibe ny Finoana satria indraindray dia maro no mihevitra toy ity lehilahy nanatona an’i Jesoa ity fa ny fitandremana amin’ny antsipiriany ny Didin’Andriamanitra no vavahady tokana misokatra hidirana any an-danitra. Zava-dehibe ny fitandremana ny Didy ary io no voalohany indrindra araka ny nambaran’i Jesoa androany, saingy tsy ampy izany fa mila ihany koa ny fahafoizan-tena sy ny fanarahana dia Azy hatramin’ny farany. Izany indrindra no nilazany tamin’ny mpiananay fa « sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny fanjakan’Andriamanitra. (Mk 10: 25)
Jesoa eto tsy miteny hoe aza mitady harena, fa hoy izy hoe « izay miankina amin’ny harena ». Mazava izany fa ilaina dia ilaina ny vola aman-karena satria ny « vola no hozatry ny fiainana » hoy ny Malagasy, saingy tsy natao hiankinana sy hotompoina izany fa natao indrindra hanasoavana ny namana. Voalohany indrindra dia ny ankohonana ary eo ihany koa ny mpiara-monina, indrindra ireo niangaran’ny vintana ka tsy mba manan-katokona. Io fifampintsimbinana io indrindra ary no tian’i Jesoa hampitaina amintsika androany ary raha dinihina dia tena natao ho antsika amin’izao fotoana izao tokoa io tenin’i Jesoa io satria izay toetra mitsinjo ny hafa izay no tokony hampiavaka antsika Kristianina manoloana ny vanin’andro ankehitriny izay anjakan’ny samy maka ho azy.
Tsy mora ny manantanteraka izany fa ilana Finoana sy fandavan-tena, eny fa na ny mpianatr’i Jesoa aza dia efa nahatsapa izany ka nifampanontany hoe « Iza ary no mety ho voavonjy? (Mk 10: 27). Tsotra anefa ny valin-tenin’i Jesoa nanao hoe « Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra. (Mk 10: 27)
Manainga antsika ary i Jesoa hifikitra amin’Andriamanitra izay mahavita ny zavatra rehetra. Ary izany indrindra no nanentana an’i Mompera Jacques Berthieu ka mahatonga azy hasandratra ho Olomasina amin’ny Alahady herin’ny anio. Miara-mivavaka ary isika mba samy ho tratr’izany androm-pahasoavana lehibe izany.
P. Louis-Martin a.a.