Ny Hateloana Masina: Alakamisy – Zomà – Sabotsy, Masina
(5 sy 6 ary 7 avrily 2012)
Ireto andro telo lehibe ireto dia natokana manokana hivavahana sy handinihana ny asa mahagaga nataon’ny Tompo ho antsika olombelona rehetra izay samy mpanota avokoa. Hezahina haravona fohy dia fohy izay kely tsara ho fantatra momba ny mistery ankalazaintsika amin’ireto andro ireto, dia ny PAKA izany. Fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-kovelona: ireo no votoatin’ny misterin’ny nanavotana antsika, ka nahazoantsika famonjena amam-pamelan-keloka, ary hisandratantsika ao amin’ny Tompo miaraka amin’ilay Mpamonjy antsika.
Araka ny fomba ifandovàna, raha tsy misy antony manokana araka ny fandaminana any an-toerana dia ny Alakamisy Masina maraina no anamasinan’ny Eveka ireo menaka masina sy mahavonjy, fanosotra an’ireo Katakomena sy ny zaza, mialohan’ny handraisany ny Batemy (Oleum Catechumenorum na O.C.), sy ireo vita Batemy atokana sy hosorana ao amin’ny Fankaherezana sy Filaharana dia ny fanokanana Pretra sy Eveka (Sanctum Chrisma na S.C.), ary ny menaka fanosotra ny marary (Oleum Infirmorum na O.I.). Samy manana ny hasiny ireo menaka ireo sady tehirizina mandavan-taona, tsy tokony hisaraka amin’ny Pretra fa mahatra-bonjy amin’ny tampoka. Io Sorona Masina io no anavaozan’ireo Pretra ny toky nomeny tamin’ny andro nanokanana azy ho Mpisoron’ny Avo Indrindra, io koa no mampiharihary ny firaisan’ny Eveka sy ireo Pretra eo ambany fiahiany, izay miaina ny firahalahiana feno tanteraka eo amin’ny Fisoronana sy fanompoana ny Vahoakan’Andriamanitra.
Ny Alakamisy Masina hariva kosa no anaovana ny Fombam-pivavahana lehibe, ahatsiarovana ny nanorenan’ny Tompo ny Eokaristia. Noho izany, dia zava-dehibe ny fankalazàna ny Sorona Masina amin’io takariva io. Ny fanasan-tongotra dia tsy famerenana fotsiny izay nataon’ny Tompo, fa fiainana amin’ny endriny vaovao izay napetrany ho antsika sady nandidiany antsika mba hifanakatia sy hahay mifamela ary hifanasa tongotra koa isika; tsy haingohaingo akory io na fampisehoana, fa tena fiverenana amin’ny fomba sy endriny hafa, ary tsy mifanova laotra amin’izay nisy tao amin’ny Senakla ny heviny. Aza hadino fa ny Malagasy dia manao famadihana na tsaboraha na mahatsiaro ireo nodimandry mandrakariva, tsy kilalao izany fa fahatsirovana sy fiverenana any ifotony, koa raha manao fahatsirovana ny Ntalo Malagasy sy ny Jody ary ireo Semita dia fiverenana miaina ny zava-nisy tany ampiandohana no antony, mba hitohy amin’ny taranaka ny fomba amam-panao sy ny hasin’izany; satria ny fitiavana sy fihavanana ary fifamelana dia natao hampiray sy hampivondrona, higohana ny fiadanana sy fandriampahalemana. Koa ny Sorona Masina atao amin’ity takarivan’ny Alakamisy Masina ity àry dia miavaka, fa sady manokatra ny fankalazàna ny Paka no natao hiainana izany firahalahiana izany mba hihavanantsika rehetra noho ny asan’ny Tompo ka hivondronantsika ao aminy. Miezaka ny Fiangonana miaina ny hafatry ny Tompo hoe: “Ataovy izao ho fahatsirovana ahy”.
Ny Zomà Masina kosa no andro iombonana tanteraka amin’Ilay maty, ilay no hitan’ireo Apôstôly sy ny Mpianatra maso, ka notoriny sy nambarany tamintsika taranaka mifandimby mandraka androany. Maty ho antsika tokoa i Kristy fony isika mbola mpanota. Izy tokoa no ilay nisolo voina antsika, izy no nibaby ny hadalantsika, izy no nanolotra ny tenany ho fanavotana antsika rehetra, izy no i Kristy natao fafy solo-heloka ho antsika mpanota sy very làlana fa efa nania. Ny fanaovana ny Làlan’ny Hazofijaliana àry dia tsy mba fombafomba fa tena fiainana amin’ny endriny hafa izay niseho tao Jerosalema tamin’ny andro nanamelohana sy namonoana Azy Mpamonjy. Noho izany, manana adidy isika Kristianina, hamolaka ny sitrapòntsika ka hanambatr’izany amin’ny an’i Jesoa Kristy sy hanolotra izany miaraka aminy ho voninahitry ny Ray mandrakizay. Aza hadino fa tsy misy ny fanolorana ny Sorona Masina amin’ity andro ity, satria miverina miaina manokana ilay Sorona nalatsa-drà teo amin’ny Hazofijaliana, tao Kalvery, isika. Koa ilay “Litorjian’ny Voahasina Mialoha” (Liturgie de Présanctifié) no totosaina amin’ity andro anio ity, ary eto tokoa no hita miharihary ny fandraisana ny Komonio voahasina ny andro mialoha. Io Litorjia io no toa iankinan’ny fiainan’ireo Fiangonana any amin’ny tany tsy ampy Pretra, isaky ny alahady. Koa Paka koa izany, sy tena votoatin’ny Paka, satria ilay fahafatesana mahafabaraka dia misokatra ho amin’ny fandresena miezinezina sy be voninahitra.
Ny Sabotsy Masina, na ny Paka alina no ankalazàntsika manokana ny nandresen’ny Tompo ny fahafatesana, ratsy faratampony, sy ny ratsy rehetra. “Handeha hamonjy ratsy” hoy ny fitenintsika Malagasy raha handeha hamonjy fahoriana (vary ratsy sy hena ratsy koa aza no ilazany sakafo fanao amin’izany). Eto dia ankalazaina manokana sy amin’ny fomba tena miavaka i Kristy Fahazavana, i Kristy Teny Mamelona, i Kristy Loharanon’Aina (fanaovana ny Batemy sy fahatsiarovana ny Batemintsika) ary i Kristy Mofo-Aina izay mamelona antsika ao amin’ny Eokaristia (Paka). Kao miravoa sy mifalia isika fa tontosa ny fankalazàna rehetra raha vao mipaika ny Laklosy amin’ity alina masina dia masina ity, alina tsara dia tsara, alina mazava dia mazava, alina mibaliaka sy mamirapiratra, alina feno fanantenana, alina mampitombo finoana sy fitiavana ary alina mampiray ny tany aman-danitra, anandratana tononkira maredona ho fiderana ny Tompo. Eny, “Velona tokoa Ilay hitanay maty e! Velona tokoa ka hitany maso e”, hoy ireo Apôstôly sy Mpianany fahiny, ary inoantsika ny filazan’izy ireo fa marina no sady tsy azo lavina, indrindra ho an’izay efa namoha ny fony ka nino sy natao Batemy tao amin’i Kristy.
Maty ho antsika tokoa i Kristy fony isika mbola mpanota, nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny tena fitaivany. Eny, fara fitiavana no namoizan’ny Tompo ny ainy ho antsika! Ho Azy Tompo anie ny dera sy haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakiza, fa efa nadresy nyfahafatesana sy ny ratsy rehetra izy!
Benirina