Koa miambena ary, ary mivavaha mandrakariva

 

Alahady 02 desambra 2012

Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana (Taona D)

 

Miditra amin’ny taona Litorjika vaovao isika androany ka mankalaza ny Alahady voalohany amin’ny Fiaviana. Ho an’ny Fiangonana Katolika manerana ny tany dia ity taona Litorjika vaovao ity no antsoina hoe « Taona C » satria voazarazara ho Taona A, B, C ny taona Litorjika. Tsara homarihina anefa fa ho an’ny teny Malagasy manokana dia tsy misy ao anatin’ny alifabeta ny litera « C » ka dia ny ny litera « D » no misolo azy, koa manomboka androany izany dia ny « Taona D » no idirantsika Katolika izay mampiasa ny teny Malagasy. Ho an’ireo teny hafa izay tsy misy ny litera « C » dia manana ny fomba ampiasainy ihany ko izy ireo arakarakaraky ny fiteny. Ny zava-dehibe dia ny fahalalantsika fa mizara telo ny taona Litorjika ato amin’ny Fiangonana Katolika ka ny tanjona amin’izany dia ny hahafahantsika mivavaka sy manantona an’Andriamanitra bebe kokoa amin’ny fihainoana ny Teniny izay aroso amintsika isan’andro araka ny andaharan’ny Fiangonantsika azy.
 
Ny Fiaviana moa dia fotoan-dehibe hiomanantsika amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely. Izany hoe hiomanana amin’ny fankalazana ny Mistery nanavotana antsika. Nanaiky ho tonga olombelona i Kristy mba hamonjy sy hanala antsika tao anatin’ny haizina dia ny fahotana. Io fahatongavan’ny zanak’Andriamanitra ho nofo io no ankalazaintsika isa-taona amin’ny Noely ka ampahatsiarovana amintsika ny fanetren-tena lehibe nanan’i Jesoa satria « na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra » (Fil 2 : 6 – 7). Ny fanontaniana mipetraka amintsika dia ny hoe : Moa mendrika izany fanavotan’i Kristy antsika izany ve isika ?
 
Ho famaliana io fanontaniana io indrindra no anomanan’ny Fiangonana ny fo amam-panahintsika ka anomezana antsika ny Alahady efatra ankalazana ny Fiaviana ho fiomanana amin’io Mistery lehibe fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo io. Raha ny Evanjely amin’izao Alahady voalohany amin’ny Fiaviana izao ary no dinihina dia hita avy hatrany fa manomana antsika ho vonona hitsena azy amin’ny andro farany i Jesoa. « Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe » (Lk. 21: 25 - 27).
 
Teny faminaniana toa mampatahotra no ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely ity ary toa manamafy ny fampatahorana ataon’ny olona sasany izay milaza fa ho tonga tsy ho ela ny faran-dro. Efa nambarantsika teto tamin’ny alahady 18 Novambra lasa teo fa malaza amin’izao ny hoe amin’ny 21 Desambra 2012 (21/12/12) no fara-andro satria hisy zavatra hiseho eny amin’ny lanitra. Ny tokony ho fantantsika anefa dia izao, tsy misy olona afaka hilaza sy hanamarina fa amin’izao andro na amin’izao ora no hahatongavan’izany satria i Jesoa dia efa nilaza fa « izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany » (Marka 13: 32) ka aoka isika tsy hatahotra na hinohino foana fa hatoky mandrakariva an’i Jesoa izay miantso antsika hiandry amim-pitokiana ny fahatongavany ary ho vonona mandrakariva hitsena azy amin’ny fotoana rehetra. 
 
Io fampiomanana antsika ho vonona mandrakariva io no ambaran’i Jesoa androany ka ilazany mazava tsara fa « tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! » (Lk. 21: 34). Eto dia ny hevitry ny fankalazana ny Fiaviana mihitsy no tian’i Jesoa hampitaina amintsika ka ampahatsiahiviny antsika fa tsy tokony ho variana amin’ny fiahiana izao fiainana izao isika fa hibanjina azy sy hanatona azy ary hatoky ny famonjena efa nentiny ho antsika. Izao tokoa no andro fiovana, izao no andro fibebahana araka ny hira fanaontsika matetika ka manainga antsika Izy amin’ity Alahady voalohany amin’ny Fiaviana ity mba handini-tena sy hiomana tsara. Ny fomba tsara indrindra iomanantsika amin’izany dia ny fandraisantsika ny Sakramentan’ny Eokaristia izay mampiombona antsika amin’i Jesoa tonga nofo ka manaiky hiara-monina amintsika ary miditra ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Komonio izay raisintsika. Eo ihany koa ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay ahazoantsika ny famelan-keloka avy aminy raha sendra variana tamin’ny fiahiana izao fiainana izao isika. Ary ny tena zava-dehibe dia ny fahazotoantsika mivavaka mba hahamendrika antsika ho vonona lalandava satria hoy i Jesoa hoe : « koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany hianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona » (Lk. 21: 36).
 
Teny fankaherezana fa tsy fampatahorana akory no ambaran’i Jesoa amitsika amin’izao Alahady voalohany amin’ny Fiaviana izao koa samia isika manantona azy amim-pitokiana any amin’ny sehatra misy antsika tsirairay avy any. Manainga antsika ho vonona lalandava izy ka raha sendra kamokamo nivavaka isika tamin’izay taona lasa izay dia fotoana izao hiovana sy hibebahana. Manomboka taona Litorijika vaovao isika izao ka aoka ny fontsika mba hihavao araka izay fiantsoan’i Jesoa antsika izay. Mankahery antsika amin’izany ny tsodrano lehibe nomen’i Md Paoly izay voalaza ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « hankahery ny fonareo anie izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jeso-Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amena »
 
P. Louis-Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114