Iza moa i Kristy, ary moa tena fantatrao tokoa ve ny Tompo?

29 Janoary 2012. Alahady tsotra faha-4, Taona B.


Ao amin’ny Boky Deterônômy 18,15-20 izay vakina amintsika anio dia milaza faminaniana amin’ny vahoaka i Moizy fa hanangana Mpaminany ianankiray ny Tompo Andriamanitra, ary hapetrany eo ambavany ny teniny ka hihaino azy ny izy ireo. Ireo mpaminany rehetra nisy teo amin’Israely dia tandindon’ilay Mpaminany lehibe avokoa, dia tsy iza fa i Jesoa Kristy.

Koa ny Evanjely anio no milaza mazava fa Ilay Teny Tonga Nofo raha niditra tao Kafarnaôma dia nampianatra toy ny manana fahefana, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna, ary hatramin’ny fanahy maloto avy no niantsoantso hoe: “Mifampaninona izahay sy ianao ry Jesao avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay ve Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra”. Nositranin’i Jesoa àry ilay marary azon’ny fanahy maloto, dia nampifanintosintoniny. Gaga ny olona nahita izany ary niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

Ny anaran’ny tany hoe Kafarnaôma dia avy amin’ny teny hebrio hoe: Kefar Nahum (Tanànan’i Nahoma), i Nahoma avy ao Elkosy moa dia mpaminany nilaza teny ho an’i Niniva (sy i Jodà), i Niniva izay tanàna nahatezitra an’Andriamanitra ka saika horinavàny. Tanàna be korontana sy toa nisy fisaratsarahana be ihany io Kafarnaôma io tamin’ny andron’i Jesoa, hoy ilay mpampianatra any fahiny. Nefa kosa tao amin’ny Sinagoga (midika hoe: fivoriambe, fiarahana mihaona) ao amin’io tanàna io no nanatanterahan’i Jesoa ny asany araka ny fitantarana, tamin’io andro io. Koa hamory ireo misaratsaraka sy efa niely, ary handamina ireo izay mikorontana, hitondra fahalemana ho an’ireo voatabataba ary fiadanana ho an’ny olona rehetra, arak’izany, no nahatongavan’i Jesoa, fa izy no ilay Mpaminany lehibe.

Raha mihaino Azy sy manaraka Azy isika, eo amin’ny fiainantsika  sy ny asantsika andavanandro, dia hanana fahombiazana sy hahavita be tokoa. Koa ny hahasoa ny maro no nilazàn’i Paoly tamin’ireo kristianina tao Kôrinty fa izay tsy manambady na lehilahy na vehivavy [miampy ny virjiny] (fa miezaka bebe kokoa haka tahaka ny Tompo) dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ka miombona sy mikambana aminy tsy aman-tsampona (cf 1Kôr 7,32-35). Aza hadino ny fampianarany tamin’i Paoly herin’ny anio: Mandalo ny endrik’izao tontolo izao ary fohy ny andro (cf 1Kôr 7,29-31), koa tsy misy dikany ny rehak’izao fiainana izao. Efa nambaran’i Paoly dieny mialoha kosa anefa, fa mba hanalavirana ny “fihodinana” na ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana (fijangajangana), dia tokony samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy sy ny vehivavy, ary samy hanefa ny adidiny koa ny tsirairay avy amin’izy ireo, notsindriany sy nambarany mazava mba tsy hisara-pandrina ny mpivady, dia izay no entiny mampiditra ny fampianarany mikasika ireo manambady sy tsy manambady ary maty vady (cf 1Kôr 7,1-40). Koa zava-dehibe ny tsy fanambadiana, fa Sakaramenta ambony sy manana ny maha izy azy io na ny Mariazy hoy isika. Eny, samy manana ny hanitra ho azy ny fitokanan-tena ao amin’ny tompo sy ny fanambadiana atao ao aminy, saingy ny tanjona tokana sy ny kendrena kosa dia ny mba hahalala sy ho tia ary hanompo Azy ka hahazo ny famonjena, mba ho fanehoana ny voninahiny lehibe eran-tany koa ny asantsika sy izay rehetra ataontsika, eo ampihainoana ny teniny sy eo am-panatanterahana ny sitrapony. Alao hery àry fa miara-dalàna amintsika mandrakariva ilay Mpaminany lehibe.

«Ry Jesoa Tompo ô, ampianaro izahay mba hahay miantra sy malala-tànana, mba tena hanompo Anao araka ny mendrika Anao, mba hifampizara ny manta sy ny masaka amim-pahafoizana tanteraka, mba tsy hiroa fò hisetra ny mafy sy ny sarotra na inon-kidona na inon-kihatra, mba tsy hitandro hasasarana amin’ny asa rehetra atao, mba tsy hitsitsy aina, kanefa tsy manantena valiny hafa afa-tsy ny mahalala fa manatanteraka ny sitraponao masina izahay. Amena!» (Md. Ignace de Lôiôla, Faha-100 taona, Kolejy Masina Misely Amparibe, Antanànarivo, 09.07.1988).

Benirina

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329